Nomery 5:1-31

5  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Omeo baiko ny zanak’Israely mba havoakany eny ivelan’ny toby ny olona rehetra boka,+ na misy tsiranoka mivoaka amin’ny taovam-pananahany,+ na maloto satria nikasika faty.*+  Avoahy ireny, na lahy na vavy. Avoahy eny ivelan’ny toby ireny+ mba tsy handotoany+ ny toby, satria mitoetra+ eo anivon’ny vahoaka ao amin’ireo toby aho.”  Dia nanao izany ny zanak’Israely, ka navoakany teny ivelan’ny toby ireny. Araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nataon’izy ireo.  Ary hoy ihany i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Lazao amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Raha misy lehilahy na vehivavy manao ny iray amin’ireo fahotana mpahazo ny olombelona, ka mivadika amin’i Jehovah, dia ho meloka tokoa izy.*+  Ary tsy maintsy miaiky+ ny fahotany izy, ka hanonitra manontolo an’ilay zavatra nahameloka azy, sady mbola hanampy ampahadiminy.+ Dia homeny an’ilay nanaovany fahadisoana izany.  Raha toa anefa ilay nanaovany fahadisoana ka tsy manana havana akaiky azo omena an’ilay onitra noho ny heloka vitany, dia ho lasan’ny mpisorona ilay onitra omena an’i Jehovah, ankoatra ny ondrilahy fandrakofam-pahotana, izay handrakofan’ny mpisorona ny fahotan’ilay meloka.+  “‘Ho an’ny mpisorona ny fanomezana rehetra+ avy amin’ny zava-masina rehetra+ hatolotry ny zanak’Israely an’io mpisorona io.+ 10  Ho azy foana ny zava-masina hatolotry ny tsirairay. Izay homen’ny tsirairay ho an’ny mpisorona, dia ho azy.’” 11  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 12  “Mitenena amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Mety hisy vehivavy vadin’olona miala amin’ny lala-mahitsy ka mivadika amin’ny vadiny,+ 13  satria nisy lehilahy hafa nanao firaisana taminy ka nisy tsirinaina nandeha,+ nefa tsy hitan’ny mason’ny vadiny+ izany nataony izany sady tsy nisy nahafantatra mihitsy. Efa nandoto ny tenany ravehivavy, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy ary tsy tratra izy. 14  Raha lasa saro-piaro+ ralehilahy ka niahiahy ny vadiny ho nivadika taminy, ary efa nandoto ny tenany tokoa ravehivavy, na koa lasa saro-piaro ralehilahy ka niahiahy ny vadiny ho nivadika taminy, nefa tsy nandoto ny tenany ravehivavy, 15  dia hoentin-dralehilahy any amin’ny mpisorona ilay vadiny,+ ary hoentiny miaraka aminy koa ny fanatitra aterin-dravehivavy, dia lafarinina ampahafolon’ny efaha* vita tamin’ny vary orza. Tsy horarahany menaka eo ambonin’io sady tsy hasiany ditin-kazo manitra,+ satria fanatitra varimbazaha atolotra noho ny fahasarotam-piaro izany, dia fanatitra fahatsiarovana izay mampahatsiahy fahadisoana. 16  “‘Ary hampanatonin’ny mpisorona ravehivavy ka hasainy mijoro eo anatrehan’i Jehovah.+ 17  Dia haka rano madio* amin’ny zinga tanimanga ilay mpisorona, ary haka vovoka eo amin’ny tany itoeran’ny tranolay izy, ka hanao izany ao anatin’ilay rano. 18  Ary hasain’ny mpisorona mijoro eo anatrehan’i Jehovah ravehivavy, ka hovahany ny volon-dohan-dravehivavy. Koa hataony eo am-pelatanan-dravehivavy ny fanatitra fahatsiarovana, dia ilay fanatitra varimbazaha atolotra noho ny fahasarotam-piaro.+ Ho eny an-tanan’ny mpisorona kosa ny rano mangidy mitondra ozona.+ 19  “‘Ary hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona ka hilaza aminy hoe: “Raha tsy nisy lehilahy nanao firaisana taminao, ary tsy niala tamin’ny lala-mahitsy ianao ka tsy nandoto ny tenanao raha mbola eo ambany fahefan’ny vadinao,+ dia aoka tsy hisy vokany aminao ity rano mangidy mitondra ozona ity. 20  Fa raha niala tamin’ny lala-mahitsy kosa ianao nefa mbola eo ambany fahefan’ny vadinao,+ ary efa nandoto ny tenanao satria nisy lehilahy nanao firaisana taminao+ ankoatra ny vadinao...” 21  Ary hasain’ny mpisorona mianiana sy miozona+ ravehivavy. Dia hilaza amin-dravehivavy ny mpisorona hoe: “Hataon’i Jehovah ho fanozonana sy ho fianianana eo anivon’ny firenenao anie ianao, ka havelan’i Jehovah hikainkona ny fenao,*+ ary hibontsina ny kibonao! 22  Ary hiditra ao amin’ny tsinainao ity rano mitondra ozona ity, ka hampibontsina ny kibonao sy hampikainkona ny fenao.” Dia hiteny ravehivavy hoe: “Amena!* Amena!” 23  “‘Ary hosoratan’ny mpisorona amin’ny boky ireo ozona ireo+ ka hofafany+ ao anatin’ilay rano mangidy. 24  Dia hampisotroiny an-dravehivavy ilay rano mangidy mitondra ozona,+ ka hiditra ao anatiny ho zava-mangidy izany. 25  Ary halain’ny mpisorona eny an-tanan-dravehivavy ilay fanatitra varimbazaha+ atolotra noho ny fahasarotam-piaro, ka hahetsiketsiny* eo anatrehan’i Jehovah, dia hoentiny ho eo akaikin’ny alitara. 26  Hakan’ny mpisorona ilay fanatitra varimbazaha ho fampahatsiahivana,+ ka hodorany eo ambony alitara mba hidona-tsetroka. Ary hampisotroiny an-dravehivavy ilay rano avy eo. 27  Rehefa avy nampisotroiny an-dravehivavy ilay rano, ary raha nandoto ny tenany izy ka nivadika tamin’ny vadiny,+ dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy ilay rano mitondra ozona, ka hibontsina ny kibony sady hikainkona ny feny, ary ho lasa fanozonana eo anivon’ny fireneny izy.+ 28  Raha tsy nandoto ny tenany kosa anefa ravehivavy fa madio, dia tsy hiharan’izany sazy izany izy.+ Ary hataon’ny vadiny izay hahabevohoka azy. 29  “‘Izany no lalàna momba ny fahasarotam-piaro,+ raha misy vehivavy miala amin’ny lala-mahitsy+ nefa mbola eo ambany fahefan’ny vadiny+ ka tena nandoto ny tenany, 30  na koa misy lehilahy lasa saro-piaro, ka miahiahy ny vadiny ho nivadika taminy. Dia hasainy mijoro eo anatrehan’i Jehovah ravehivavy, ka hampiharin’ny mpisorona aminy izany lalàna rehetra izany. 31  Ary tsy hanan-tsiny ralehilahy, fa ny vadiny kosa hampamoahina noho ny fahadisoany.’”

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
1 efaha = 22 litatra.
A.b.t.: “rano masina.”
Mety hanondro ny fivaviana io teny io.
Midika hoe “Ho tanteraka anie izany!”
Izany hoe mandroso sy mihemotra mankany amin’ny alitara.