Nomery 6:1-27

6  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Mitenena amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Raha misy lehilahy na vehivavy manao voady manokana ho Nazirita+ eo anatrehan’i Jehovah,  dia tokony hifady divay sy zava-pisotro mahamamo izy. Tsy hisotro ny vinaingitra vita amin’ny divay na vita amin’ny zava-pisotro mahamamo+ izy, na hisotro ranon-javatra vita amin’ny voaloboka, na hihinana voaloboka lena na maina.  Tsy hihinana na inona na inona vita amin’ny voaloboka mihitsy izy, na voaloboka manta na ny hoditry ny voaloboka aza, amin’ny andro rehetra maha Nazirita azy.  “‘Tsy hokasihin-kareza ny lohany amin’ny andro rehetra anefany ny voadiny ho Nazirita.+ Mandra-pahatapitr’ireo andro anokanany tena ho an’i Jehovah, dia ho masina izy ka havelany ho lava ny volon-dohany.+  Tsy mahazo manatona faty* izy+ amin’ny andro rehetra anokanany tena ho an’i Jehovah.  Tsy mahazo mandoto ny tenany izy, na dia amin’ny fatin’ny rainy na ny reniny na ny rahalahiny na ny anabaviny aza,+ satria ny volony lava no famantarana fa Nazirita eo anatrehan’Andriamaniny izy.  “‘Masina eo anatrehan’i Jehovah izy amin’ny andro rehetra maha Nazirita azy.  Fa raha misy olona maty tampoka kosa eo anilany+ ka voaloto izy, nefa mbola eo amin’ny lohany ny famantarana ny maha Nazirita azy, dia hoharatany+ ny lohany amin’ny andro hanekena azy ho madio. Amin’ny andro fahafito no hanaratany azy. 10  Amin’ny andro fahavalo kosa izy hitondra domohina roa na zana-boromailala roa any amin’ny mpisorona, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.+ 11  Dia hataon’ny mpisorona fanatitra noho ny ota+ ny iray, fa ny iray kosa ho fanatitra dorana,+ mba handrakofana ny fahotan’ilay olona nanota noho izy nikasika faty.* Dia hanamasina ny lohany amin’io andro io ilay olona. 12  Ho Nazirita+ eo anatrehan’i Jehovah izy mandritra ireo andro maha Nazirita azy, ary hitondra ondrilahy kely tsy mihoatra ny herintaona izy ho fanatitra noho ny heloka.+ Tsy hisaina ireo andro teo aloha, satria nolotoiny ny maha Nazirita azy. 13  “‘Ary izao no lalàna momba ny Nazirita: Rehefa tapitra ireo andro maha Nazirita azy,+ dia hoentina eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana izy. 14  Ary izao no hatolony ho fanatitra ho an’i Jehovah: Ondrilahy kely iray tsy misy kilema sady tsy mihoatra ny herintaona ho fanatitra dorana,+ sy ondrivavy kely iray tsy misy kilema sady tsy mihoatra ny herintaona ho fanatitra noho ny ota,+ sy ondrilahy iray tsy misy kilema ho sorona iombonana,+ 15  sy harona misy mofo boribory* vita amin’ny lafarinina tsara toto tsy misy lalivay+ sady nafangaro menaka,+ ary mofo fisaka tsy misy lalivay sady nohosorana menaka,+ mbamin’ny fanatitra varimbazaha+ sy ny fanatitra zava-pisotro+ ampiarahina amin’ireo. 16  Haterin’ny mpisorona eo anatrehan’i Jehovah ireo, ka hatolony ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana+ aterin’ilay olona. 17  Hatolony ho an’i Jehovah ho sorona iombonana+ ilay ondrilahy, miaraka amin’ilay harona misy mofo tsy nasiana lalivay. Ary hatolony koa ny fanatitra varimbazaha+ sy ny fanatitra zava-pisotro ampiarahina amin’ilay ondrilahy. 18  “‘Ary eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana no hanaratan’ilay+ Nazirita ny lohany, izay famantarana fa Nazirita izy. Dia halainy ilay volon-dohany maha Nazirita azy ka hataony ao anaty afo, eo ambanin’ilay sorona iombonana. 19  Ary halain’ny mpisorona ny sorok’ilay ondrilahy, dia ny sorony iray efa nandrahoina,+ ary koa ny mofo boribory* iray tsy misy lalivay avy ao anatin’ilay harona, mbamin’ny mofo fisaka+ iray tsy misy lalivay, ka hataony eo am-pelatanan’ilay Nazirita rehefa avy nasainy noharatana ilay famantarana ny maha Nazirita azy. 20  Dia hahetsiketsiky* ny mpisorona ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan’i Jehovah ireo.+ Zava-masina ho an’ny mpisorona izany, miaraka amin’ny tratran’ilay+ ondrilahy atao fanatitra ahetsiketsika sy ny feny atao fanomezana.+ Mahazo misotro divay+ ilay Nazirita aorian’izany. 21  “‘Raha misy Nazirita+ mivoady fa hanao fanatitra ho an’i Jehovah araka izay ananany, ankoatra izay efa takina aminy, dia tokony hanefa ny voadiny izy. Izany no lalàna momba ny Nazirita.’” 22  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 23  “Lazao amin’i Arona sy ny zanany hoe: ‘Izao no tsodrano+ hataonareo amin’ny zanak’Israely: 24  “Hitahy anao+ sy hiaro anao+ anie i Jehovah! 25  Hampamirapiratra ny tavany aminao anie i Jehovah+ ka ho tsara fanahy aminao!+ 26  Hanandratra ny tavany aminao anie i Jehovah+ ka hanome anao fiadanana!”’+ 27  Ary hampiasa ny anarako+ eo amin’ny zanak’Israely izy ireo, mba hitahiako azy.”+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Misy lavaka eo afovoany.
Misy lavaka eo afovoany.
Izany hoe mandroso sy mihemotra mankany amin’ny alitara.