Nomery 8:1-26

8  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Mitenena amin’i Arona ka lazao aminy hoe: ‘Rehefa mandrehitra ny jiro ianao, dia ataovy manazava ny faritra eo anoloan’ny fitoeran-jiro ireo jiro fito.’”+  Dia nanao izany i Arona. Nampirehetiny ny jiro mba hanazava an’ilay faritra eo anoloan’ny fitoeran-jiro,+ araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.  Izao no fomba nanamboarana ny fitoeran-jiro: Volamena notefena tamin’ny marotoa izy io, manomboka any amin’ny tongony ka hatrany amin’ireo felany.+ Araka ny fahitana+ nasehon’i Jehovah an’i Mosesy no nanaovany ny fitoeran-jiro.  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Saraho amin’ny zanak’Israely ny Levita ka diovy.+  Izao no hataonao hanadiovana azy: Fafazo rano manadio ho afaka amin’ny ota izy.+ Dia hoharatany ny tenany manontolo,+ ka hosasany ny akanjony+ ary hodioviny ny tenany.+  Haka vantotr’ombilahy+ izy ireo, ka lafarinina tsara toto nafangaro menaka no fanatitra varimbazaha+ hampiarahiny aminy. Ary haka vantotr’ombilahy hafa iray ianao, ho fanatitra noho ny ota.+  Ento eo anoloan’ny tranolay fihaonana ny Levita, ary vorio ny vahoaka manontolo, dia ny zanak’Israely.+ 10  Ento eo anatrehan’i Jehovah ny Levita, ary hametraka+ ny tanany amin’ny Levita+ ny zanak’Israely. 11  Ary ny Levita dia hatolotr’i Arona eo anatrehan’i Jehovah ho fanatitra ahetsiketsika+ avy amin’ny zanak’Israely. Ary hanao ny fanompoana an’i Jehovah izy ireo.+ 12  “Dia hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ireo omby+ ny Levita. Ary atolory ho fanatitra noho ny ota ny iray, fa ny iray kosa ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah, mba handrakofana ny fahotan’ny+ Levita. 13  Ampijoroy eo anatrehan’i Arona sy ny zanany lahy ny Levita ka atolory ho fanatitra ahetsiketsika ho an’i Jehovah. 14  Ary saraho amin’ny zanak’Israely ny Levita, dia ho ahy izy ireo.+ 15  Hiditra hanompo ao amin’ny tranolay fihaonana ny Levita avy eo.+ Koa diovy izy ireo ary atolory ho fanatitra ahetsiketsika.+ 16  Fa nomena ahy avy amin’ny zanak’Israely izy ireo.+ Alaiko ho ahy izy ireo, ho solon’ny voalohan-teraka rehetra, dia ny lahimatoa rehetra eo amin’ny zanak’Israely.+ 17  Fa ahy ny lahimatoa rehetra eo amin’ny zanak’Israely, na olona na biby.+ Nohamasiniko ho ahy izy ireo+ tamin’ilay andro namonoako ny lahimatoa rehetra tany Ejipta.+ 18  Koa halaiko ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny zanak’Israely ny Levita.+ 19  Ary homeko an’i Arona sy ny zanany ny Levita, izay nalaina avy amin’ny zanak’Israely.+ Omena hanao ny fanompoana tokony hataon’ny zanak’Israely ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo,+ sady handrakotra ny fahotan’ny zanak’Israely, mba tsy hisy loza hanjo ny zanak’Israely+ noho ny nanatonany ny toerana masina.” 20  Koa nanao izany tamin’ny Levita i Mosesy sy Arona ary ny vahoaka manontolo, dia ny zanak’Israely. Araka izay rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy momba ny Levita no nataon’ny zanak’Israely tamin’izy ireo. 21  Dia nanadio ny tenany ny Levita,+ ary nanasa ny akanjony. Ary natolotr’i Arona ho fanatitra ahetsiketsika teo anatrehan’i Jehovah izy ireo.+ Koa nandrakotra ny fahotan’izy ireo i Arona mba hanadiovana azy.+ 22  Avy eo dia niditra ny Levita mba hanao ny fanompoany tao amin’ny tranolay fihaonana, teo anatrehan’i Arona sy ny zanany.+ Araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy momba ny Levita no natao tamin’izy ireo. 23  Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 24  “Izao no hampiharina amin’ny Levita: Ny dimy amby roapolo taona no ho miakatra no hiditra ho isan’ireo manao ny fanompoana momba ny tranolay fihaonana. 25  Hitsahatra tsy ho isan’ny mpanompo kosa izy eo amin’ny fahadimampolo taonany, ka tsy hanompo intsony. 26  Dia hanampy an’ireo rahalahiny manao adidy ao amin’ny tranolay fihaonana izy, nefa tsy hanao fanompoana. Izany no hataonao amin’ny Levita, momba ny andraikiny.”+

Fanamarihana