Ohabolana 1:1-33

1  Ny ohabolan’i+ Solomona+ zanak’i Davida,+ mpanjakan’ny Israely,+  izay natao mba hahazoana fahendrena+ sy anatra.+ Natao koa izany mba hahatakarana ny hevitry ny teny mifono hevi-dalina,+  ary mba hanekena anatra,+ izay mahatonga ny olona ho lalin-tsaina+ sy ho marina+ ary hanao ny rariny+ sy ny hitsiny.+  Eny, nanao ohabolana izy mba ho malina+ ny tanora fanahy, ary hanam-pahalalana+ sy fahaiza-misaina+ ny zatovo.  Hihaino ny hendry ka hitombo ny zavatra fantany,+ ary ny mahira-tsaina no mahazo tari-dalana tsara,+  mba hahazoana ny dikan’ny ohabolana, sy ny teny saro-takarina,+ ary ny tenin’olon-kendry+ sy ny ankamantatra+ ataony.  Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana.+ Fa hamavoin’ny adala kosa ny fahendrena sy ny fananarana.+  Henoy, anaka, ny anatry ny rainao,+ ary aza atao tsinontsinona ny lalàn-dreninao.+  Fa fehiloha tsara tarehy eo amin’ny lohanao+ izany, ary rojo tena tsara eny amin’ny vozonao.+ 10  Anaka, aza manaiky raha mitady hitaona anao ny mpanota.+ 11  Raha tsy mitsahatra miteny izy hoe: “Andao hiaraka aminay. Andao hiafina mba handatsa-dra.+ Ary andao hamitsaka ao amin’ny takona mba hamely tsy amin’antony an’ireo tsy manan-tsiny.+ 12  Andao isika hitelina azy velona+ toy ny Fasana,*+ eny, hitelina azy manontolo, sahala amin’izay latsaka any an-davaka.+ 13  Andao isika hitady zava-tsarobidy isan-karazany,+ ka hofenointsika zavatra norobaina ny tranontsika.+ 14  Tokony hiara-manao antsapaka aminay ianao ka ho namanay. Aoka ho kitapo iray ihany no ho antsika rehetra.”+ 15  Raha izany no ataony, anaka, dia aza miara-dalana aminy.+ Ampanalaviro ny lalany ny tongotrao.+ 16  Fa mihazakazaka hanao ratsy ny tongony,+ ary maika handatsa-dra izy.+ 17  Fa very maina ny amelarana harato raha hatao eo imason’izay manana elatra.+ 18  Koa miafina mba handatsaka ny ran’ireny izy,+ ary miafina mba hikendry ny ainy.*+ 19  Izany no fanaon’ny olona mitady tombony amin’ny tsy rariny.+ Mahafaka ny ain’ny mahazo azy izany fitadiavan-tombony izany.+ 20  Miantsoantso eny an-dalambe+ ny tena fahendrena.+ Manandratra ny feony eny an-tany malalaky ny tanàna izy.+ 21  Eny an-tampom-piakarana amin’ny lalana be olona no iantsoantsoany.+ Eo amin’ny fidirana mankao am-bavahadin’ny tanàna no ilazany hoe:+ 22  “Mandra-pahoviana ianareo tanora fanahy no mbola te hijanona ho tanora fanahy?+ Ary mandra-pahoviana ianareo mpaneso no mbola ho tia manesoeso?+ Ary mandra-pahoviana ianareo tsisy saina no mbola hankahala fahalalana?+ 23  Miverena ka ekeo ny anatro,+ dia hataoko toy ny loharano miboiboika ao anatinareo ny heriko.+ Hampahafantariko anareo ny teniko.+ 24  Efa niantsoantso aho fa nanda foana ianareo,+ ary efa nanolotra ny tanako aho fa tsy nisy niraharaha,+ 25  ary tsy nasianareo vidiny ny torohevitro rehetra,+ ary tsy noraisinareo ny anatro.+ 26  Koa hihomehy aho rehefa hanjo anareo ny loza,+ ary haneso aho rehefa ho avy izay hatahoranareo,+ 27  eny, rehefa ho avy toy ny oram-baratra ny zavatra hatahoranareo, ary ho avy tahaka ny tafiotra ny loza hanjo anareo,+ ary ho tonga aminareo ny fahoriana sy ny fotoan-tsarotra.+ 28  Hiantso ahy foana izy amin’izay, fa tsy hamaly aho,+ ary hitady ahy foana izy, nefa tsy ho hitany aho,+ 29  satria nankahala fahalalana izy,+ ary tsy nifidy ny hatahotra an’i Jehovah.+ 30  Tsy nanaiky ny torohevitro izy,+ sady tsy nandray ny fananarako rehetra.+ 31  Koa hihinana ny vokatry ny nataony izy,+ ary ho vokin’ny tetika nataony.+ 32  Fa ny fikomian’ny+ tanora fanahy no hahafaty azy,+ ary ny tsy firaharahan’ny tsisy saina no haharingana azy.+ 33  Fa izay mihaino ahy kosa tsy hanana ahiahy,+ sady tsy mba hiady saina noho ny fahatahorana loza.”+

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.