Ohabolana 10:1-32
10 Ohabolan’i Solomona.+
Ny zanaka hendry mampifaly ny rainy,+ fa ny zanaka adala kosa mampahory ny reniny.+
2 Tsy hitondra soa ny harenan’ny ratsy fanahy,+ fa hiaro ny olona tsy ho faty kosa ny fahamarinana.+
3 Tsy havelan’i Jehovah ho noana ny olo-marina,+ fa holaviny kosa ny fanirian’ny ratsy fanahy.+
4 Hahantra izay kamo miasa,+ fa mampanan-karena kosa ny tanan’ny mazoto.+
5 Manangom-bokatra mandritra ny fahavaratra ny zanaka hendry, fa matory mandritra ny fijinjana kosa ny zanaka mahamenatra.+
6 Hahazo fitahiana ny olo-marina,+ fa fikasana hampiasa herisetra kosa no fonosin’ny tenin’ny ratsy fanahy.+
7 Ny fahatsiarovana ny olo-marina dia hitondra fitahiana ho azy,+ fa ho lo kosa ny anaran’ny ratsy fanahy.+
8 Hankatò ny didy ny olona manana fo hendry,+ fa ho voahosihosy kosa ny olona miteny toy ny adala.+
9 Tsy mba hanana ahiahy ny olona tsy mivadika,+ fa ny mpamitaka kosa ho fantatra eny ihany.+
10 Hiteraka ratram-po ny olona mipy maso hoenti-mamitaka,+ ary ho voahosihosy ny olona miteny toy ny adala.+
11 Loharanon’aina ny vavan’ny olo-marina,+ fa fikasana hampiasa herisetra kosa no fonosin’ny tenin’ny ratsy fanahy.+
12 Mampisy fifandirana ny fankahalana,+ fa ny fitiavana kosa manarona ny fahadisoana rehetra.+
13 Avy amin’ny molotry ny mahira-tsaina ny fahendrena,+ fa ny tsorakazo kosa natao ho an’ny lamosin’ny tsy ampy saina.*+
14 Ny hendry no mitahiry fahalalana,+ fa ny vavan’ny adala kosa manafaingana ny fandringanana.+
15 Ny harenan’ny mpanana no fiarovana ho azy, toy ny tanàna misy manda.+ Fa ny fahantran’ny sahirana kosa no mitera-pahavoazana ho azy.+
16 Fiainana no vokatry ny asan’ny olo-marina,+ fa fahotana kosa no vokatry ny ataon’ny ratsy fanahy.+
17 Mitarika ho amin’ny lalan’ny fiainana ny olona mihaino anatra,+ fa izay mandà anatra kosa mampivily lalana.+
18 Izay manafina ny fankahalany dia manana molotra mandainga,+ ary tsisy saina izay manendrikendrika.+
19 Ny teny maro tsy ilaozan’ota,+ fa malina kosa ny olona mahafehy ny vavany.+
20 Toy ny volafotsy tena tsara ny lelan’ny marina,+ fa tsy dia misy vidiny kosa ny fon’ny ratsy fanahy.+
21 Mamelona sy mitari-dalana olona maro ny tenin’ny marina,+ fa ripaka kosa ny adala satria tsy ampy saina.*+
22 Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena+ ary tsy ampiany fahoriana izany.+
23 Amin’ny tsisy saina dia toy ny kilalao ny fitondran-tena baranahiny,+ fa natao ho an’ny olona mahay manavaka kosa ny fahendrena.+
24 Ny zavatra atahoran’ny ratsy fanahy mihitsy no hanjo azy,+ fa ho tanteraka kosa ny fanirian’ny marina.+
25 Hanjavona sahala amin’ny tafio-drivotra mihelina ny ratsy fanahy,+ fa mafy fototra mandritra ny fotoana tsy voafetra kosa ny marina.+
26 Toy ny vinaingitra amin’ny nify sy toy ny setroka amin’ny maso, dia toy izany ny kamo amin’izay maniraka azy.+
27 Ny fahatahorana an’i Jehovah no mahela velona,+ fa hohafohezina kosa ny taona iainan’ny ratsy fanahy.+
28 Mitondra fifaliana ny fanantenan’ny marina,+ fa ho foana kosa ny fanantenan’ny ratsy fanahy.+
29 Fiarovana mafy ho an’ny tsy manan-tsiny ny lalan’i Jehovah,+ fa haringana kosa ny mpanao ratsy.+
30 Tsy hangozohozo mandritra ny fotoana tsy voafetra ny marina,+ fa ny ratsy fanahy kosa tsy honina maharitra amin’ny tany.+
31 Fahendrena no voa ateraky ny vavan’ny marina,+ fa hofongorana kosa ny lelan’ny mpandainga.+
32 Hankasitrahana ny tenin’ny marina,+ fa lainga kosa no eo am-bavan’ny ratsy fanahy.+