Ohabolana 11:1-31

11  Maharikoriko an’i Jehovah ny mizana mandainga,+ fa tiany kosa ny vatomizana marina.  Ho afa-baraka izay manambony tena,+ fa izay manetry tena kosa no hendry.+  Ny tsy fivadihan’ny olo-marina no mitari-dalana azy,+ fa ny famitahan’ny mpivadika no mahavoa azy.+  Tsy hisy hilana ny harena amin’ny andro fahatezerana,+ fa ny fahamarinana kosa no hiaro ny olona tsy ho faty.+  Ny fahamarinan’ny tsy manan-tsiny no hampahitsy ny lalany,+ fa ny faharatsian’ny ratsy fanahy kosa no hahalavo azy.+  Ny fahamarinan’ny olo-mahitsy no hamonjy azy,+ fa ho voafandriky ny faniriany kosa ny mpivadika.+  Foana ny fanantenan’ny ratsy fanahy rehefa maty izy,+ ary ho foana koa ny fanantenan’izay miantehitra amin’ny herin’olombelona.+  Ny marina no vonjena amin’ny fahoriana,+ ary ny ratsy fanahy kosa no iharan’izany ho solony.+  Ny tenin’ny mpivadi-pinoana no animbany ny hafa,+ fa ny fahalalana kosa no amonjena ny marina.+ 10  Faly ny ao an-tanàna satria tsara toetra ny olo-marina,+ ary mihoby ny olona rehefa maty ny ratsy fanahy.+ 11  Misandratra ny tanàna noho ny tsodranon’ny olo-mahitsy,+ fa rava kosa ny tanàna noho ny tenin’ny ratsy fanahy.+ 12  Manao tsinontsinona ny namany ny olona tsy ampy saina,*+ fa mangina kosa ny olona tena mahay manavaka.+ 13  Izay mandehandeha manendrikendrika+ olona dia mamoaka tsiambaratelo,+ fa izay mendri-pitokisana kosa mahay mihazona tsiambaratelo.+ 14  Tsy hahomby ny olona raha tsy mahazo tari-dalana tsara,+ fa ahazoana famonjena kosa ny fananana mpanolo-tsaina maro.+ 15  Hahita loza izay miantoka olona nisambo-bola raha tsy fantany tsara akory izany olona izany,+ fa milamin-tsaina kosa izay tsy mety hifandray tanana ho mariky ny fifanekena. 16  Ny vehivavy mahafinaritra no mahazo voninahitra,+ fa ny olona mpanao didy jadona kosa mahazo harena. 17  Manao soa amin’ny tenany ny olona tsara fanahy sy be fitiavana,+ fa mitondra loza ho an’ny tenany kosa ny lozabe.+ 18  Mahazo karama amin’izay tsy nisasarany ny ratsy fanahy,+ fa tena karama kosa no azon’izay mamafy fahamarinana.+ 19  Hahazo fiainana ny olona mifikitra amin’ny fahamarinana,+ fa ho faty kosa izay tsy mieritreritra afa-tsy ny hanao ratsy.+ 20  Maharikoriko an’i Jehovah ny olona tsy mahitsy fo,+ fa mahafinaritra azy kosa izay mandeha tsy misy tsiny.+ 21  Na dia mifandray tanana aza ny olon-dratsy, dia tsy ho afa-miala amin’ny sazy,+ fa ho afa-mandositra kosa ny taranaky ny marina.+ 22  Sahala amin’ny kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa ny vehivavy tsara tarehy nefa tsy misaina.+ 23  Azo antoka fa zava-tsoa no irin’ny marina,+ fa fahatezerana kosa no antenain’ny ratsy fanahy.+ 24  Misy tia manome nefa vao mainka mitombo fananana,+ fa misy kosa tsy mahafoy manome, nefa mihamahantra ihany.+ 25  Hovalian-tsoa* ny olona* malala-tanana,+ ary izay manao soa be dia be, dia handray soa be dia be koa.+ 26  Izay manafim-bokatra dia hozonin’ny olona, fa izay manaiky hivarotra ny vokany kosa hahazo tsodrano.+ 27  Izay miezaka hanao soa dia maniry hahazo sitraka,+ fa izay mikasa hanao ratsy kosa dia hitsingerina aminy ihany ny ratsy hataony.+ 28  Ho lavo izay matoky ny harenany,+ fa handrobona tahaka ny ravinkazo kosa ny marina.+ 29  Hisambo-drivotra+ izay mahatonga loza amin’ny ankohonany,+ ary ho mpanompon’izay manana fo hendry ny adala. 30  Hazon’aina no vokatry ny fahamarinana,+ ary hendry izay mahavita mitaona olona.*+ 31  Na ny olo-marina aza valiana etỳ an-tany,+ mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!+

Fanamarihana

Jereo Oh 6:32 f.a.p.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
A.b.t.: “Hohatavezina.”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.