Ohabolana 12:1-28

12  Tia fahalalana izay tia anatra,+ fa tsy misaina kosa izay mankahala fananarana.+  Ankasitrahan’i Jehovah ny olona tsara toetra,+ fa homelohiny kosa izay manana sain-dratsy.+  Tsy hisy hanana fiainana milamina ny olona manao ratsy,+ fa ny marina kosa dia toy ny hazo mamaka tsara ka tsy mihozongozona.+  Satroboninahitry ny vadiny* ny vehivavy tsara toetra,+ fa toy ny lo mikiky ny taolan-dralehilahy kosa izy raha manao izay mahamenatra.+  Ara-drariny ny hevitry ny marina,+ fa fitaka kosa ny tari-dalana omen’ny ratsy fanahy.+  Ny tenin’ny ratsy fanahy dia vela-pandrika hoenti-mandatsa-dra,+ fa ny tenin’ny olo-mahitsy kosa no hanafaka azy.+  Aringana ny ratsy fanahy ka tsy misy intsony,+ fa haharitra kosa ny ankohonan’ny marina.+  Hoderaina ny olona mitandrina an’izay lazainy,+ fa hohamavoina kosa ny olona fetsifetsy.+  Aleo tsotsotra nefa manana mpanompo iray, toy izay miseho ho ambony nefa tsy manan-kohanina.+ 10  Mitsimbina ny ain’ny biby fiompiny ny marina,+ fa fahasiahana kosa no mba famindram-pon’ny ratsy fanahy.+ 11  Ho voky hanina izay miasa ny taniny,+ fa tsy ampy saina kosa izay mikatsaka zava-poana.+ 12  Ny ratsy fanahy dia mitsiriritra ny biby azon’ny olon-dratsy tao anaty fandrika harato,+ fa ny fakan’ny olo-marina kosa manome voa.+ 13  Nanao teny tsy nety ny olon-dratsy ka voafandrik’izany,+ fa tafavoaka amin’ny fahoriana kosa ny marina.+ 14  Be ny soa raisin’ny olona avy amin’ny teny aloaky ny vavany,+ ary hivaly aminy ihany izay nataony.+ 15  Amin’ny adala dia mety ny ataony,+ fa izay mandray torohevitra kosa no hendry.+ 16  Ny olona adala no mampiseho avy hatrany ny fahasosorany,+ fa ny malina kosa mifehy tena mba tsy ho afa-baraka.+ 17  Izay milaza zavatra azo antoka dia hanambara ny marina,+ fa fitaka kosa no lazain’ny vavolombelona mandainga.+ 18  Misy manao teny tsy voahevitra, ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra,+ fa ny tenin’ny hendry kosa manasitrana.+ 19  Haharitra mandrakizay+ ny vava milaza ny marina,+ fa mihelina kosa ny lela fandainga.+ 20  Fitaka no ao am-pon’izay mikendry hanao ratsy,+ fa ravoravo kosa izay mandala fihavanana.+ 21  Tsy hisy zava-doza hanjo ny marina,+ fa ho maro be kosa ny loza hanjo ny ratsy fanahy.+ 22  Maharikoriko an’i Jehovah ny molotra mandainga,+ fa mahafinaritra azy kosa ny olona tsy mivadika.+ 23  Tsy mampideradera fahalalana ny malina,+ fa ny fon’ny tsisy saina kosa no mahatonga azy hamoaka ny hadalany.+ 24  Ny mazoto no hahazo ny fitondrana,+ fa ny kamo kosa no hanao asa an-terivozona.+ 25  Ny tebiteby ao am-pon’ny olona no mahakivy ny fony,+ fa ny teny soa kosa no mahafaly ny fony.+ 26  Ny olo-marina mandinika tsara ny kijanany, ary ny ataon’ny ratsy fanahy ihany no mahadiso lalana azy.+ 27  Tsy mety mihaza ny kamo,+ fa ny mazoto kosa harena sarobidy ho an’ny olona. 28  Midika ho fiainana ny lalan’ny fahamarinana,+ ary tsy mitarika ho amin’ny fahafatesana izany lalana izany.+

Fanamarihana

A.b.t.: “tompony.”