Ohabolana 13:1-25
13 Hendry ny zanaka rehefa anarin’ny rainy,+ fa ny mpaniratsira kosa tsy mihaino na dia tenenina mafy aza.+
2 Mandray soa ny olona noho ny teny aloaky ny vavany,+ fa ny mpivadika kosa tsy mieritreritra afa-tsy ny hanao herisetra.+
3 Miaro ny ainy ny olona mahafehy ny vavany,+ fa izay be resaka kosa manimba tena.+
4 Maro ny fanirian’ny kamo, nefa tsy manana na inona na inona izy.+ Tsy hanan-java-mahory kosa ny mazoto.+
5 Halan’ny marina ny lainga,+ fa manao izay mahamenatra kosa ny ratsy fanahy, ka manala baraka tena.+
6 Miaro an’izay tsy manisy ratsy olona ny fahamarinana,+ fa ho voan’ny haratsiam-panahiny ihany kosa ny mpanota.+
7 Misy miseho ho manankarena nefa tsy manana na inona na inona,+ fa misy kosa mody mahantra nefa manankarem-be.
8 Ny harenan’ny manankarena no mahavotra ny ainy,+ fa ny mahantra kosa tsy mba mandre teny henjana.+
9 Ny fahazavan’ny marina hampifaly azy,+ fa ho faty kosa ny jiron’ny ratsy fanahy.+
10 Miteraka ady fotsiny ny fiheveran-tena ho ambony,+ fa hendry kosa izay mila hevitra amin’ny hafa.+
11 Mihena ny harena azoazo foana,*+ fa izay manangona izany tsikelikely no mampitombo azy.+
12 Marary ny fo raha mihemotra foana ny fahatanterahan’ny zavatra antenaina,+ fa hazon’aina kosa ny faniriana tanteraka.+
13 Izay manao tsinontsinona ny teny,+ dia halaina aminy ny zavatra natao antoka, fa hovalian-tsoa kosa izay matahotra ka mitandrina ny didy.+
14 Loharanon’aina ny lalàna avy amin’ny hendry,+ ka miaro azy tsy ho azon’ny fandriky ny fahafatesana.+
15 Mahazo sitraka amin’ny hafa ny olona tena lalin-tsaina,+ fa sarotra kosa ny lalana diavin’ny mpivadika.+
16 Miezaka hahalala ny zava-misy ny olona malina rehefa hanao zavatra,+ fa hadalana kosa no haelin’ny tsisy saina.+
17 Zava-dratsy foana no vokatry ny ataon’ny mpitondra hafatra ratsy fanahy,+ fa fanasitranana kosa ny iraka mendri-pitokisana.+
18 Mahantra sy afa-baraka izay tsy miraharaha anatra,+ fa omem-boninahitra kosa izay manaiky fananarana.+
19 Faly ny olona rehefa tanteraka ny faniriany,+ fa maharikoriko amin’ny tsisy saina kosa ny miala amin’ny ratsy.+
20 Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry,+ fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.+
21 Arahin’ny loza avy ao aoriana ny mpanota,+ fa hovalian-tsoa kosa ny marina.+
22 Hamela lova ho an’ny zafikeliny ny olona tsara toetra, ary ny harenan’ny mpanota kosa tehirizina ho an’ny marina.+
23 Miasa ny taniny ny mahantra ka ahazoany sakafo be dia be izany,+ fa ny olona sasany kosa ripaka noho ny tsy fisian’ny rariny.+
24 Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany,+ fa izay tia azy kosa manara-maso azy ka mananatra azy.+
25 Ny marina mihinana ka tena voky tsara,+ fa ny kibon’ny ratsy fanahy ho noana.+
Fanamarihana
^ Angamba azo tamin’ny tsy marina.