Ohabolana 15:1-33

15  Mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka,+ fa ny teny maharary kosa mahatonga fahasosorana.+  Mitondra soa ny tenin’ny hendry noho ny fahalalana ananany,+ fa miboiboika hadalana kosa ny vavan’ny tsisy saina.+  Mijery eny rehetra eny ny mason’i Jehovah,+ mandinika ny olona ratsy toetra sy ny tsara toetra.+  Hazon’aina ny tenin’ny olona tony,+ fa ny tenin’ny mpamitaka kosa mahakivy.+  Adala izay tsy miraharaha ny anatry ny rainy,+ fa malina kosa izay mihaino fananarana.+  Betsaka ny tahiry ao an-tranon’ny marina,+ fa loza kosa no vokatry ny ataon’ny ratsy fanahy.+  Ny molotry ny hendry mampiely fahalalana,+ fa tsy mba toy izany kosa ny fon’ny tsisy saina.+  Maharikoriko an’i Jehovah ny sorona ataon’ny ratsy fanahy,+ fa mahafinaritra azy kosa ny vavaky ny olo-mahitsy.+  Ny fanaon’ny ratsy fanahy dia maharikoriko an’i Jehovah,+ fa tiany kosa izay mikatsaka ny fahamarinana.+ 10  Hofaizina mafy izay mivily lalana,+ ary ho faty izay mankahala fananarana.+ 11  Ny Fasana* sy ny toerana mahalò ny nofo+ aza eo anatrehan’i Jehovah,+ koa mainka fa ny fon’ny zanak’olombelona!+ 12  Tsy tian’ny mpaniratsira ny olona mananatra azy,+ ary tsy hankany amin’ny hendry izy.+ 13  Mahamiramirana endrika ny fo falifaly,+ fa mahakivy kosa ny fahoriam-po.+ 14  Mitady fahalalana ny fon’ny mahira-tsaina,+ fa ny vavan’ny tsisy saina kosa te hamoaka hadalana.+ 15  Manjombona foana ny andron’ny ory,+ fa ny olona manana fo falifaly kosa toa manao fety foana.+ 16  Aleo kely misy fahatahorana an’i Jehovah,+ toy izay be dia be nefa misy adin-tsaina.+ 17  Aleo mihinana anana ao anatin’ny fifankatiavana,+ toy izay mihinana omby mifahy ao anatin’ny fifankahalana.+ 18  Mampisy fifandirana ny olona tezitra be,+ fa mampitsahatra fifamaliana kosa ny olona tsy mora tezitra.+ 19  Toy ny misy fefy tsilo ny lalan’ny kamo,+ fa ny lalan’ny olo-mahitsy kosa tsy misy mikitoantoana.+ 20  Ny zanaka hendry mampifaly an-drainy,+ fa ny adala kosa manao tsinontsinona an-dreniny.+ 21  Mahafaly ny tsy ampy saina ny hadalana,+ fa mandeha mahitsy kosa ny olona mahay manavaka.+ 22  Tsy tanteraka ny fikasana raha tsy misy resaka amim-pahatsorana,+ fa tanteraka kosa izany raha maro ny mpanolo-tsaina.+ 23  Faly ny olona rehefa mahay mamaly,+ ary tsara erỳ ny teny lazaina amin’ny fotoana mety!+ 24  Ho an’ny lalin-tsaina dia lalana miakatra ny lalan’ny fiainana,+ ka miaro azy tsy hidina any amin’ny Fasana.*+ 25  Horavan’i Jehovah ny tranon’izay manandra-tena,+ fa hataony mafy orina kosa ny fetra mamaritra ny tanin’ny mpitondratena.+ 26  Zava-maharikoriko amin’i Jehovah ny tetiky ny olon-dratsy,+ fa madio eo imasony kosa ny teny mahafinaritra.+ 27  Mitondra loza ho an’ny ankohonany ny olona mitady tombony azo amin’ny tsy rariny,+ fa ho ela velona kosa ny olona mankahala kolikoly.+ 28  Ny fon’ny marina mieritreritra vao mamaly,+ fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa miboiboika zava-dratsy.+ 29  Lavitra ny ratsy fanahy i Jehovah,+ fa ny vavaky ny marina no henoiny.+ 30  Mahafaly ny fo+ ny famirapiratan’ny maso,+ ary ny tatitra+ tsara mamelombelona aina.*+ 31  Miara-monina amin’ny hendry+ ny olona mihaino anatra+ mahavelona. 32  Manimba tena izay mandà anatra,+ fa izay manana fo hendry kosa mihaino fananarana.+ 33  Mampianatra olona hanao zavatra amim-pahendrena ny fahatahorana an’i Jehovah,+ ary ny fanetren-tena dia mialoha ny voninahitra.+

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
A.b.t.: “mampahatavy ny taolana.”