Ohabolana 16:1-33

16  Ny mandamina ny hevitra ao am-po no an’ny olombelona,+ fa avy amin’i Jehovah kosa ny valin-teny omen’ny vava.+  Heverin’ny olona ho madio izay rehetra ataony,+ fa i Jehovah kosa no mandinika ny toetra maha izy ny olona.+  Ankino amin’i Jehovah+ ny asanao, dia hahomby izay kasainao.+  Nataon’i Jehovah hanatanterahana ny fikasany ny zava-drehetra,+ ary na ny ratsy fanahy aza nataony ho amin’ny andro ahitan-doza.+  Maharikoriko an’i Jehovah izay rehetra manana fo mirehareha.+ Mety hifandray tanana izy ireo, nefa tsy ho afa-maina fa ho voasazy ihany.+  Ny hatsaram-panahy sy ny fahamarinana no andrakofana fahotana,+ ary ny fahatahorana an’i Jehovah no analavirana ny ratsy.+  Rehefa sitrak’i Jehovah ny ataon’ny olona,+ na ny fahavalony aza hampihavaniny aminy.+  Aleo kely azo tamin’ny fahamarinana,+ toy izay be dia be azo tamin’ny tsy rariny.+  Ny fon’ny olombelona mandinika izay ho lalan-kizorany,+ fa i Jehovah kosa no mitarika ny diany.+ 10  Didim-pitsarana avy amin’Andriamanitra no tokony hambaran’ny mpanjaka,+ fa tsy tokony hamoaka didim-pitsarana miangatra izy.+ 11  An’i Jehovah ny fandanjana marina sy ny mizana marina,+ ary avy aminy ny vatomizana rehetra ao anaty kitapo.+ 12  Zava-maharikoriko amin’ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy,+ satria fahamarinana no iorenan’ny seza fiandrianany.+ 13  Ny olona milaza ny marina dia sitraky ny mpanjaka lehibe,+ ary izay manambara ny fahamarinana no tiany.+ 14  Toy ny iraka milaza fanamelohana ho faty ny fahatezeran’ny mpanjaka,+ fa ny hendry kosa mahay mampitony izany.+ 15  Midika ho fiainana ny fahazoana sitraka amin’ny mpanjaka,*+ ary toy ny rahona mitondra oran-dohataona ny fankasitrahany.+ 16  Aleo mahazo fahendrena toy izay mahazo volamena.+ Ary aleo fahiratan-tsaina toy izay volafotsy.+ 17  Toy ny lalambe falehan’ny olo-mahitsy ny fialana amin’ny ratsy.+ Izay mitandrina ny lalany dia miaro ny ainy.+ 18  Ny fireharehana mialoha ny fahalavoana,+ ary ny fieboeboana mialoha ny fianjerana.+ 19  Aleo manetry tena miaraka amin’ny mpandefitra,+ toy izay mifampizara babo amin’izay manandra-tena.+ 20  Ny olona malina amin’izay ataony no hahita soa,+ ary sambatra izay matoky an’i Jehovah.+ 21  Izay manana fo hendry no atao hoe mahira-tsaina,+ ary izay manao teny mamy no maharesy lahatra olona.+ 22  Raha lalin-tsaina ny olona, dia loharanon’aina ho azy izany,+ fa hadalana kosa ny anatra omen’ny adala.+ 23  Ny fon’ny hendry mahatonga azy ho lalin-tsaina sy handanjalanja izay teneniny,+ ary maharesy lahatra olona ny zavatra lazainy.+ 24  Toho-tantely ny teny mahafinaritra,+ ka sady mamin’ny olona* no manasitrana ny taolana.+ 25  Misy lalana heverin’ny olona ho mahitsy,+ nefa any amin’ny fahafatesana no iafaran’izany.+ 26  Mifofotra miasa ho an’ny tenany ny olona miasa mafy,+ satria tsy maintsy manao izany izy raha te hihinana.+ 27  Zava-dratsy no fongarin’ny olona tsy manjary,+ ary toy ny misy afo mandoro eo amin’ny molony.+ 28  Mampisy fifandirana ny olona manao teti-dratsy,+ ary ny mpanendrikendrika mampisaraka ny tena mpinamana.+ 29  Mitaona ny namany ny olona tia herisetra,+ sady mitarika azy ho amin’ny lalan-dratsy.+ 30  Mipy maso izy satria misy teti-dratsy kotrehiny.+ Manaiki-molotra izy eo am-panatanterahana ny sain-dratsiny. 31  Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy,+ raha ao amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahazoana azy.+ 32  Aleo olona tsy mora tezitra toy izay lehilahy matanjaka,+ ary aleo olona mahafehy tena toy izay olona mahazo tanàna ho babo.+ 33  Eo am-pofoana no anaovana antsapaka,+ fa ny fanapahan-kevitra rehetra avy amin’izany kosa dia avy amin’i Jehovah.+

Fanamarihana

A.b.t.: “fahazavan’ny tarehin’ny mpanjaka.”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.