Ohabolana 17:1-28

17  Aleo sombi-mofo maina misy fiadanan-tsaina,+ toy izay trano feno hena nefa misy fifandirana.+  Ny mpanompo lalin-tsaina no hanana fahefana amin’ny zanaka manao izay mahamenatra,+ ary hahazo anjara lova eo amin’izy mirahalahy avy izany mpanompo izany.+  Natao ho an’ny volafotsy ny vilany fanadiovana metaly, ary ho an’ny volamena ny fatana fandrendrehana,+ fa i Jehovah kosa no mpandinika ny fo.+  Mihaino ny tenin’ny mpifosafosa ny mpanao ratsy.+ Ary ny mpandainga dia manongilan-tsofina amin’ny teny mahatonga loza.+  Izay manesoeso ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy.+ Tsy ho afa-maina fa ho voasazy izay faly amin’ny fahavoazan’ny hafa.+  Satroboninahitry ny zokiolona ny zafikeliny,+ ary voninahitry ny zanaka ny rainy.+  Tsy sahaza ho an’ny adala ny milaza ny marina,+ ary vao mainka tsy sahaza ho an’ny olona ambony ny milaza lainga.+  Ny fanomezana dia toy ny vatosoa ahazoana sitraka amin’ny tompony.+ Mahomby daholo izay ataon’ilay mpanome,+ na aiza na aiza alehany.  Izay manarona fahadisoana dia mitady fitiavana,+ fa izay mbola miresaka momba ny raharaha efa nivalona kosa mampisaraka ny tena mpinamana.+ 10  Ny teny henjana atao amin’ny mahira-tsaina dia mandaitra kokoa+ noho ny kapoka injato amin’ny tsisy saina.+ 11  Tsy mitady afa-tsy ny hikomy ny olon-dratsy,+ ary lozabe ny iraka alefa hamely azy.+ 12  Aleo mifanena amin’ny orsa very anaka,+ toy izay mifanena amin’ny tsisy saina mampiseho hadalana.+ 13  Izay mamaly ratsy ny soa,+ dia hisy zava-dratsy foana hahazo ny ankohonany.+ 14  Ny fiandohan’ny fifandirana dia toy ny mamaky tohodrano,+ koa mialà dieny mbola tsy raikitra ny fifamaliana.+ 15  Samy zava-maharikoriko amin’i Jehovah+ na izay manameloka ny marina,+ na izay manamarina ny meloka.+ 16  Fa dia maninona loatra àry no tsy vonona* handray fahendrena ny tsisy saina,+ nefa afaka mahazo izany?+ 17  Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana,+ sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.+ 18  Mifandray tanana ho mariky ny fifanekena+ ny tsy ampy saina, ka miantoka olona nisambo-bola, eo anatrehan’ny namany.+ 19  Tia ady+ izay tia manao fahadisoana, ary mitady loza izay manao vavahady avo.+ 20  Tsy hahita soa ny olona tsy mahitsy fo,+ ary hahita loza izay mivadibadi-dela.+ 21  Hitondra alahelo izay miteraka zaza tsisy saina,+ ary tsy ho faly ny rain’ny tsy ampy saina.+ 22  Ny fo falifaly dia sady mahasoa no manasitrana,+ fa ny fahakiviana kosa mahamaina taolana.+ 23  Ny ratsy fanahy mandray kolikoly mangingina*+ mba hamadihana ny rariny.+ 24  Eo anatrehan’ny mahira-tsaina ny fahendrena,+ fa ny mason’ny tsisy saina kosa mivezivezy hatrany amin’ny faran’ny tany.+ 25  Ny zanaka tsisy saina mampalahelo ny rainy+ sady mampitondra fahoriana ny reniny niteraka azy.+ 26  Tsy tsara ny mampandoa sazy ny olo-marina.+ Tsy araka ny hitsiny ny mamely olona ambony.+ 27  Manana ny tena fahalalana ny olona mahafehy ny vavany,+ ary tony ny olona mahay manavaka.+ 28  Na ny adala aza, rehefa mangina, dia heverina ho hendry,+ ary izay mikombom-bava heverina ho mahira-tsaina.

Fanamarihana

A.b.t.: “tsy manana fo.”
A.b.t.: “avy any anaty tratran’akanjo.”