Ohabolana 18:1-24

18  Izay mitokantokana dia tsy mitady afa-tsy izay mahafinaritra ny tenany,+ ka toheriny daholo rehefa mety ho hevitra feno fahendrena.+  Tsy tian’ny tsisy saina ny fahaiza-manavaka,+ raha tsy hoe ahafahany maneho ny ao am-pony angaha izany.+  Raha tonga ny ratsy fanahy, dia tonga koa ny fanaovana tsinontsinona,+ ary miaraka amin’ny fahafaham-baraka+ ny henatra.  Rano lalina ny teny aloaky ny vavan’ny olona,+ ary rano miboiboika+ ny loharanom-pahendrena.  Tsy tsara raha ny ratsy fanahy indray no iangarana,+ fa ny marina kosa anaovana fitsarana tsy ara-drariny.+  Mampisy fifandirana ny tenin’ny tsisy saina,+ ary mahatonga azy ho voakapoka ny vavany.+  Ny tenin’ny tsisy saina no hahavoa azy,+ ary fandrika ho an’ny tenany ny zavatra lazainy.+  Ny tenin’ny mpanendrikendrika dia toy ny zavatra mampilendalenda atao teli-moka,+ ka midina avy hatrany any an-kibo.+  Ny malaina amin’ny asany+ dia rahalahin’ny mpandrava.+ 10  Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy,+ ary mihazakazaka ho ao ny marina ka voaro.+ 11  Amin’ny mpanana dia toy ny tanàna voaro mafy ny harenany.+ Heveriny fa manda fiarovana izany.+ 12  Ny fireharehan’ny fon’ny olona mialoha ny fahalavoany,+ ary ny fanetren-tena mialoha ny voninahitra.+ 13  Izay mamaly nefa mbola tsy nihaino akory,+ dia hadalana sy henatra ho azy izany.+ 14  Zakan’ny olona ihany izay aretina mahazo azy,+ fa iza kosa no mahazaka fahakiviana?+ 15  Ny fon’ny mahira-tsaina miezaka hahazo fahalalana,+ ary ny sofin’ny hendry te hihaino fahalalana.+ 16  Ny fanomezana ataon’ny olona dia manokatra lalana maro ho azy,+ ka mahatonga azy ho eo anatrehan’ny olona ambony.+ 17  Izay miteny voalohany eo amin’ny fitsarana no toa marina,+ fa miditra kosa ny andaniny ka manadihady azy.+ 18  Mampitsahatra fifandirana ny antsapaka,+ sady mamaha olana eo amin’ny samy matanjaka.+ 19  Sarotra azo kokoa noho ny tanàna misy manda ny rahalahy voaisy ratsy,+ ary ny fifandirana sasany dia toy ny bara vy hidin’ny tilikambo fonenana.+ 20  Ho vokin’ny teny aloaky ny vavany ny kibon’ny olona,+ ary ho vokin’ny teny avoakan’ny molony izy.+ 21  Samy vitan’ny lela na ny mahafaty na ny mahavelona,+ ary izay tia mampiasa azy dia hijinja ny vokany.+ 22  Izay nahita vady tsara,+ dia nahazo zava-tsoa+ ary mahazo sitraka amin’i Jehovah.+ 23  Mitalaho ny mahantra,+ fa mitrerona aminy kosa ny mpanankarena.+ 24  Misy mpinamana vonona hifamotika,+ fa misy kosa namana mifikitra noho ny rahalahy aza.+

Fanamarihana