Ohabolana 19:1-29

19  Aleo mahantra nefa tsy mivadika,+ toy izay mpandaingalainga, na tsisy saina.+  Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny olona,*+ ary manota izay maimaika loatra.+  Ny hadalan’ny olona ihany no manimba ny fiainany,+ ka amin’i Jehovah no tezitra ny fony.+  Ny harena no mahatonga ny olona ho be namana,+ fa izay mahantra kosa, na ny namany aza mandao azy.+  Tsy ho afa-maina ny vavolombelona sandoka fa ho voasazy,+ ary tsy ho afa-miala izay mandainga.+  Maro no mitady sitraka amin’olona ambony,+ ary naman’izay tia manao fanomezana ny olona rehetra.+  Ny rahalahiny rehetra aza mankahala ny mahantra,+ mainka moa fa ny namany akaiky! Mihatakataka aminy ireny,+ ka tsy mihaino azy rehefa mba te hiteny aminy izy.+  Tia ny tenany izay miezaka hanana fo hendry.+ Hahita soa ny olona raha miezaka hahay hanavaka foana.+  Tsy ho afa-maina ny vavolombelona sandoka fa ho voasazy,+ ary ho ringana izay mandainga.+ 10  Tsy sahaza ny tsisy saina ny zavatra mirenty.+ Ary vao mainka tsy mety raha ny mpanompo indray no hibaiko andriana!+ 11  Mahatsindry fo ny olona raha lalin-tsaina,+ ary voninahitra ho azy ny mamela fahadisoana.+ 12  Mierona hoatran’ny liona tanora ny mpanjaka romotry ny hatezerana,+ fa toy ny ando eo amin’ny ahitra kosa ny fankasitrahany.+ 13  Fahoriana ho an-drainy ny zanaka tsisy saina,+ ary ny vehivavy tia ady dia toy ny tafo mitete izay mampiala anao ao an-trano.+ 14  Trano sy harena no lova avy amin’ny ray,+ fa ny vady malina kosa avy amin’i Jehovah.+ 15  Ny hakamoana mahatonga torimaso lalina,+ ary ho noana ny olona* malaina.+ 16  Izay mitandrina ny didy dia miaro ny ainy,+ fa hovonoina ho faty kosa ny olona tsy miraharaha izay ataony.+ 17  Izay miantra ny mahantra dia mampisambotra an’i Jehovah,+ ary Izy no hanonitra an’izay nafoin’ilay olona.+ 18  Faizo ny zanakao dieny mbola misy fanantenana,+ ary aza maniry ny hahafatesany.+ 19  Avelao handoa sazy izay romotry ny hatezerana,+ fa raha avotanao izy, dia ho voatery hanavotra azy foana ianao.+ 20  Henoy ny torohevitra, ary raiso ny anatra+ mba ho hendry ianao amin’ny hoavy.+ 21  Maro ny zavatra kasain’ny olona ao am-pony,+ fa ny fikasan’i Jehovah ihany no ho tanteraka.+ 22  Ny hatsaram-panahin’ny olona no zava-tsarobidy ananany,+ ary aleo olona mahantra toy izay mpandainga.+ 23  Mitarika ho amin’ny fiainana ny fahatahorana an’i Jehovah,+ ka hatory tsara+ ny olona toy izany, ary tsy hisy zava-dratsy hanelingelina azy.+ 24  Mangarona ny ao anaty vilia ny kamo,+ nefa tsy vitany ny hampakatra ny tanany ho ao am-bavany.+ 25  Kapohy ny mpaniratsira+ mba ho hendry ny tanora fanahy.+ Anaro ny mahira-tsaina mba hahazoany fahalalana.+ 26  Zanaka manao izay mahamenatra sy mahafa-baraka+ ny zanaka mampijaly an-drainy sy mandroaka an-dreniny.+ 27  Raha mitsahatra tsy mihaino fananarana ianao, anaka, dia hihataka amin’ny tenin’ny manam-pahalalana.+ 28  Manao tsinontsinona ny rariny ny olona tsy manjary izay mijoro ho vavolombelona.+ Ary amin’ny ratsy fanahy dia fahafinaretana toy ny fihinanan-kanina ny manao ratsy.+ 29  Efa vonona ny didim-pitsarana hanamelohana ny mpaniratsira,+ ary ho an’ny lamosin’ny tsisy saina ny kapoka.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.