Ohabolana 2:1-22

2  Anaka, raha henoinao ny teniko,+ ary raketinao ao am-ponao ny didiko,+  ka manongilan-tsofina hihaino ny fahendrena ianao,+ ary ataonao izay hananan’ny fonao fahaiza-manavaka,+  raha miantsoantso mitady fahiratan-tsaina+ ianao, ary manandratra ny feonao mba hahazoana fahaiza-manavaka,+  raha tsy mitsahatra mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao,+ ary tsy mitsahatra mikaroka azy toy ny fikaroka harena miafina,+  dia ho takatrao ny atao hoe fahatahorana+ an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.+  Fa i Jehovah no manome fahendrena,+ ary avy amin’ny vavany ny fahalalana sy ny fahaiza-manavaka.+  Hitahiry fahendrena ho an’ny olo-mahitsy izy,+ ary ampingan’izay tsy mivadika aminy,+  ka mitsinjo ny lalan’izay tia rariny,+ sady miaro ny lalan’izay tsy mivadika aminy.+  Amin’izay dia ho takatrao ny atao hoe fahamarinana sy rariny ary fahitsiana, eny, izay tsara rehetra.+ 10  Raha alatsakao am-po ny fahendrena,+ ary manjary mahafinaritra anao ny fahalalana,+ 11  dia hiambina anao ny fahaiza-misaina,+ ary hiaro anao ny fahaiza-manavaka.+ 12  Hanafaka anao amin’ny ratsy izany,+ sy amin’ny olona miresaka zava-dratsy,+ 13  sy amin’izay mandao ny lalan’ny fahitsiana mba handeha amin’ny lalan’ny haizina,+ 14  sy amin’ireo faly hanao ratsy+ sady ravoravo amin’ny zava-dratsy mamoafady,+ 15  sy amin’ireo fetsifetsy, sy amin’ireo tsy mba mahitsy eo amin’izay rehetra ataony.+ 16  Ary hanafaka anao tsy ho azon’ny vehivavy vahiny koa izany, sy tsy ho azon’ny vehivavy hafa firenena+ izay manao teny malefaka,+ 17  sy nandao ny vadin’ny* fahatanorany+ sady nanadino an’ilay fifanekena nifanaovany tamin’Andriamaniny.+ 18  Fa milentika any amin’ny fahafatesana ny tranony, ary ny lalany kosa midina any amin’ny maty, izay tsy mahefa na inona na inona.+ 19  Tsy hiverina intsony ary tsy handia ny lalan’ny velona intsony ireo manao firaisana aminy.+ 20  Amin’izay dia handeha amin’ny lalan’ny olona tsara toetra+ ianao, ary hizotra eo amin’ny lalan’ny olo-marina.+ 21  Fa ny olo-mahitsy no honina amin’ny tany,+ ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa tavela eo.+ 22  Fa ny ratsy fanahy kosa ho ringana tsy ho amin’ny tany,+ ary ny mpivadika hesorina tsy ho amin’ny tany.+

Fanamarihana

Ny ‘vady’ eto dia midika ara-bakiteny hoe ‘namana akaiky.’