Ohabolana 20:1-30
20 Mpaniratsira ny divay+ ary mpitabataba ny toaka,+ ka tsy hendry izay rehetra manaonao foana noho ny herin’izany.+
2 Atahorana, sahala amin’ny fahatahorana fieron’ny liona tanora, ny mpanjaka.+ Izay mampahatezitra azy dia manota amin’ny tenany, ka mihantsy loza.+
3 Voninahitra ho an’ny olona ny tsy mifamaly,+ fa ny adala rehetra kosa vao mainka miditra amin’ny fifamaliana.+
4 Tsy miasa tany ny kamo+ fa ririnina ny andro, ka hangataka izy rehefa fotoam-pijinjana, nefa tsy hahazo na inona na inona.+
5 Toy ny rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona,+ fa izay manana fahaiza-manavaka kosa mahay manovo azy ihany.+
6 Maro be no milaza ny tenany ho tsara fanahy,+ fa sarotra kosa ny mahita olona azo itokisana.+
7 Tsy mivadika ny olo-marina,+ ary sambatra izay zanany mandimby azy.+
8 Mipetraka mba hitsara ny mpanjaka,+ ary kororohiny ny zava-dratsy rehetra raha vao jereny.+
9 Iza no afaka milaza hoe: “Efa nanadio ny foko aho,+ ka madio tsy misy fahotana”?+
10 Samy maharikoriko an’i Jehovah+ ny vatomizana roa karazana sy ny efaha roa karazana.+
11 Na ny zaza aza dia mampiseho amin’ny ataony raha madio sy mahitsy ny fanaony.+
12 Samy nataon’i Jehovah na ny sofina mandre na ny maso mahita.+
13 Aza tia torimaso, sao ho lasa mahantra ianao.+ Sokafy ny masonao, dia ho voky hanina+ ianao.
14 “Ratsy io, ratsy io!”, hoy ny mpividy, dia lasa izy.+ Mirehareha anefa izy avy eo.+
15 Na eo aza ny volamena sy ny haran-dranomasina* maro be, dia hafa ihany ny molotra mampita fahalalana, satria toy ny vazy sarobidy izany.+
16 Alaivo ny akanjon’izay niantoka olona nisambo-bola, dia olona tsy fantany akory.+ Ary alaivo ny antoka nomen’ny olona niaraka tamin’ny vehivavy hafa firenena.+
17 Tian’ny olona ny sakafo azo tamin’ny fitaka,+ nefa ho feno vatokely ny vavany avy eo.+
18 Ho tanteraka izay kasaina raha misy mpanolo-tsaina,+ ary tari-dalana tsara no ilainao ho amin’ny ady.+
19 Izay mandehandeha manendrikendrika olona dia mamoaka tsiambaratelo,+ ary aza mifanerasera amin’izay be resaka.+
20 Izay manozona ny rainy sy ny reniny,+ dia ho faty ny jirony rehefa eo am-pototry ny haizina.+
21 Raha fitiavan-karena no nahazoana lova tany am-piandohana,+ dia tsy hitondra fitahiana izany any am-parany.+
22 Aza manao hoe: “Hamaly ny ratsy nataony aho!”+ Aoka ianao hanantena an’i Jehovah,+ dia hamonjy anao izy.+
23 Maharikoriko an’i Jehovah ny vatomizana roa karazana,+ ary tsy tsara ny mizana mandainga.+
24 I Jehovah no mitarika ny dian’ny lehilahy tomady.+ Ary ataon’izay olombelona ahoana no hahalala ny lalan-kalehany?+
25 Fandrika ho an’ny olona ny maimaika hilaza hoe: “Masina!”,+ ka efa vita ny voady+ vao mandinika.+
26 Kororohin’ny mpanjaka hendry ny ratsy fanahy,+ ary kodiaram-by no anosihoseny azy.+
27 Ny fofonain’ny+ olona no jiron’i Jehovah, izay ahafahana mijery hatrany anatin’ny fo.+
28 Hatsaram-panahy sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka,+ ary hatsaram-panahy no mampaharitra ny seza fiandrianany.+
29 Ravaky ny tanora ny tanjany,+ ary voninahitry ny zokiolona ny volofotsiny.+
30 Ny ratra misy mangana no manafaka amin’ny toetra ratsy,+ ary ny kapoka kosa mihatra hatrany anatin’ny fo.+