Ohabolana 21:1-31

21  Toy ny lakandrano eo an-tanan’i Jehovah ny fon’ny mpanjaka,+ ka aviliny hankany amin’izay itiavany azy.+  Heverin’ny olona ho mahitsy izay rehetra ataony,+ fa i Jehovah kosa no mandinika ny fo.+  Tian’i Jehovah mihoatra noho ny sorona ny fanaovana ny marina sy ny rariny.+  Fahotana+ daholo na ny maso miandranandrana na ny fo mirehareha,+ izay jiron’ny ratsy fanahy.  Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto,+ fa hahantra kosa izay rehetra maimaika.+  Toy ny fofonaina mihelina ny harena azo amin’ny lainga.+ Izay te ho faty no mikatsaka izany.+  Ny fandrobana ataon’ny ratsy fanahy no haharingana azy,+ satria tsy mety manao ny rariny izy.+  Tsy mandeha amin’ny fahitsiana ny olona nania,+ fa mahitsy kosa ny ataon’ny olona madio.+  Aleo mitoetra eny an-joron’ny tafontrano,+ toy izay miray trano amin’ny vehivavy tia ady.+ 10  Maniry mafy zava-dratsy ny ratsy fanahy,+ ary na ny namany aza tsy ananany antra.+ 11  Rehefa asaina mandoa sazy ny mpaniratsira dia ho hendry ny tanora fanahy,+ ary ny hendry hahazo fahalalana rehefa omena fanazavana.+ 12  Dinihin’Ilay Marina ny ankohonan’ny ratsy fanahy,+ ka ataony mahita loza ny ratsy fanahy.+ 13  Izay manampin-tsofina amin’ny fitarainan’ny mahantra,+ dia tsy hohenoina koa rehefa miantso.+ 14  Mampitony fahatezerana ny fanomezana+ afenimpenina, ary mampitony fahavinirana ny kolikoly atao ao amin’ny mangingina.+ 15  Mahafaly ny olo-marina ny manao ny rariny,+ fa zava-doza kosa no miandry ny mpanao ratsy.+ 16  Izay olona miala amin’ny lalan’ny fahamalinana,+ dia ho any amin’ireo maty maro be tsy mahefa na inona na inona.+ 17  Hahantra izay tia fahafinaretana,+ ary tsy hanan-karena izay tia divay sy menaka.+ 18  Ny ratsy fanahy no anavotana ny olo-marina,+ ary hisolo toerana ny olo-mahitsy ny mpivadika.+ 19  Aleo mitoetra any an-tany efitra toy izay miray trano amin’ny vehivavy tia ady sady mahasorena.+ 20  Harena sarobidy sy menaka no ao an-tranon’ny hendry,+ fa ny tsisy saina kosa mandanilany ny azy.+ 21  Izay mikatsaka fahamarinana+ sy hatsaram-panahy feno fitiavana dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.+ 22  Ny hendry mananika ny tanànan’ny lehilahy mahery, mba handrodana ilay manda nitokisan’ilay tanàna.+ 23  Miaro ny tenany tsy hahita fahoriana ny olona mitandrina ny teny aloaky ny vavany.+ 24  Olona sahisahy ratsy sy mpirehareha mizahozaho no iantsoana an’izay sahisahy manao zavatra+ rehefa tezitra. 25  Ny fanirian’ny kamo no hahafaty azy, satria tsy mety miasa izy.+ 26  Manam-paniriana mafy izy tontolo andro, fa ny marina kosa manome sady tsy kahihitra.+ 27  Zava-maharikoriko ny sorona ataon’ny ratsy fanahy,+ mainka moa raha olona manana fitondran-tena baranahiny no manatitra izany.+ 28  Ho faty ny vavolombelona mandainga,+ fa izay mihaino kosa hanan-kolazaina mandrakizay.+ 29  Sahisahy ratsy ny ratsy fanahy,+ fa ny olo-mahitsy kosa hahatonga ny lalany ho azo antoka.+ 30  Tsy misy fahendrena na fahaiza-manavaka na torohevitra mahatohitra an’i Jehovah.+ 31  Voaomana ho amin’ny andro fiadiana ny soavaly,+ fa avy amin’i Jehovah kosa ny famonjena.+

Fanamarihana