Ohabolana 22:1-29
22 Aleo laza tsara* toy izay harem-be,+ ary aleo mahazo sitraka toy izay mahazo volafotsy sy volamena.+
2 Mihaona ny manankarena sy ny mahantra.+ Ary i Jehovah no Mpanao azy roa tonta.+
3 Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina,+ fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.+
4 Ny vokatry ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana.+
5 Tsilo sy fandrika no eo amin’ny lalan’ny fetsifetsy,+ fa manalavitra izany kosa izay te hiaro ny ainy.+
6 Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza,+ ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.+
7 Ny mpanankarena no mifehy ny mahantra,+ ary izay misambo-bola dia mpanompon’ilay mampisambotra.+
8 Izay mamafy tsy fahamarinana dia hijinja zava-dratsy,+ ka ho foana tsy hisy ny tsorakazon’ny fahatezerany.+
9 Hotahina izay manana fijery mangoraka, satria anomezany ho an’ny mahantra ny sakafony.+
10 Roahy ny mpaneso, dia hitsahatra ny fifandirana, ary hifarana ny ady sy ny fahafaham-baraka.+
11 Izay tia fahadiovam-po,+ sady manao teny mahafinaritra, dia ho lasa naman’ny mpanjaka.+
12 Miaro an’izay manana fahalalana+ ny mason’i Jehovah, fa aolany kosa ny tenin’ny mpivadika.+
13 Hoy ny kamo:+ “Misy liona ao ivelany ao!+ Ho fatiny eny amin’ny tany malalaka aho!”
14 Toy ny lavaka lalina ny tenin’ny vehivavy vahiny,+ ka izay melohin’i Jehovah no ho latsaka ao.+
15 Latsa-paka ao am-pon’ny zaza ny hadalana,+ ka ny tsorakazo famaizana no hahatonga izany ho lavitra azy.+
16 Azo antoka fa hahantra izay manambaka ny mahantra mba hitomboan’ny fananany,+ sy izay manome ho an’ny manankarena.+
17 Aoka ianao hanongilan-tsofina sy hihaino ny tenin’ny hendry,+ mba hitandreman’ny fonao ny fahalalana avy amiko.+
18 Fa tsara raha raketinao ao am-ponao ny teniny,+ mba ho vonona hilaza izany teny rehetra izany ny molotrao.+
19 Nomeko fahalalana ianao androany mba hatokisanao an’i Jehovah.+
20 Tsy efa nanoratra taminao ve aho, ka nanome anao torohevitra sy fahalalana,+
21 mba hampahafantarana anao fa azo antoka ireo teny marina? Amin’izay ianao dia hiverina hitondra teny fahamarinana any amin’izay naniraka anao.+
22 Aza mandroba ny mahantra satria mahantra izy,+ ary aza mampahory ny ory eo am-bavahady.+
23 Fa i Jehovah no hiady ho an’ireny eo amin’ny fitsarana,+ sy hanaisotra ny ain’izay* mandroba an’ireny.+
24 Aza minamana amin’ny olona mora tezitra,+ ary aza mifanerasera amin’ny olona mora misafoaka,
25 sao ianao hanao toy izany koa ka ho fandrika ho anao izany.+
26 Aza mety ho isan’izay mifandray tanana ho mariky ny fifanekena,+ ka miantoka olona nisambo-bola.+
27 Fa raha tsy manan-kaloa ianao, dia halaina ny fandriananao.
28 Aza ahemotra ny fetra mamaritra ny tany, izay napetraky ny razanao taloha ela be.+
29 Mahita olona mahay ny asany ve ianao? Eo anatrehan’ny mpanjaka no ijoroany,+ fa tsy hijoro eo anatrehan’ny olon-tsotra izy.