Ohabolana 23:1-35
23 Raha mipetraka hiara-misakafo amin’ny mpanjaka ianao, dia diniho tsara izay eo anoloanao,+
2 ary mahaiza mifehy tena* raha tia mihinan-kanina be ianao.+
3 Aza aseho fa te hihinana mafy ny sakafo matsiro arosony ianao, satria sakafo misy fitaka izany.+
4 Aza mandrera-tena mikatsaka harena,+ ary aza mandany ron-doha amin’izany intsony.+
5 Navelanao hitopy any amin’ny harena ve ny masonao, nefa tsinontsinona ireny?+ Fa maniry elatra toy ny an’ny voromahery tokoa ireny, ka manidina ho eny amin’ny lanitra.+
6 Aza mihinana ny sakafo aroson’ny kahihitra,+ ary aza aseho fa te hihinana mafy ny sakafo matsiro arosony ianao.+
7 Fa toy ny olona efa manana tetika maty paika izy,+ ka hoy izy aminao: “Mihinàna sy misotroa”, nefa tsy vokatry ny fony akory izany.+
8 Ary haloan’ny vavanao izay sombiny kely efa laninao, ary ho very maina ny teny mahafinaritra nataonao.+
9 Aza miteny ho ren’ny tsisy saina,+ fa hohamavoiny ny teny feno fahendrena lazainao.+
10 Aza ahemotra ny fetra mamaritra ny tany, izay efa napetraka taloha ela be.+ Ary aza miditra ao amin’ny tanin’ny kamboty ray,+
11 fa mahery ilay Mpanavotra azy, ary Izy no hiady aminao eo amin’ny fitsarana mba hiarovana azy.+
12 Aoka hanaiky anatra ny fonao, ary hihaino ny tenin’ny manam-pahalalana ny sofinao.+
13 Aza misalasala manafay zanaka,+ fa tsy ho faty izy raha kapohinao amin’ny tsorakazo.
14 Kapohy amin’ny tsorakazo izy mba hamonjenao azy* tsy ho lasa any amin’ny Fasana.*+
15 Raha manana fo hendry ianao, anaka,+ dia ho faly ny foko.+
16 Ary ho faly ny voako* rehefa milaza ny marina ianao.+
17 Aoka ny fonao tsy hitsiriritra ny mpanota,+ fa matahora foana an’i Jehovah,+
18 dia hanana hoavy tsara ianao,+ ary tsy ho foana ny fanantenanao.+
19 Mihainoa, anaka, ka hendre, ary tariho ho amin’ny lalana tsara ny fonao.+
20 Aoka ianao tsy ho isan’ny mpiboboka divay+ sy mpihinan-kena tafahoatra,+
21 satria hahantra ny mamo lava sy ny tendan-kanina,+ ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.+
22 Henoy ny rainao niteraka anao,+ ary aza atao tsinontsinona ny reninao efa antitra.+
23 Vidio ny fahamarinana+ ka aza amidy, ary vidio koa ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahiratan-tsaina.+
24 Ho faly tokoa ny rain’ny olo-marina,+ ary izay ray niteraka zaza hendry ho ravoravo aminy.+
25 Ho ravoravo ny rainao sy ny reninao, ary ho faly ny reninao niteraka anao.+
26 Atolory ahy ny fonao, anaka, ary aoka ho finaritra ny masonao mandinika ny lalako.+
27 Fa toy ny lavaka lalina ny mpivaro-tena,+ ary toy ny lavadrano tery ny vehivavy hafa firenena.
28 Manao toy ny jiolahy izy, ka miafina mba hihaza lehilahy,+ ary noho ny fiarahana taminy dia mihamaro ny lehilahy mpivadika.+
29 Iza no iharan-doza? Iza no mahatsapa ho tsy metimety? Iza no tia mifanditra?+ Iza no be tebiteby? Iza no maratra tsy amin’antony? Iza no manana maso mivoaramena?
30 Tsy iza izany fa izay tsy mety miala eo am-pototry ny divay,+ sy izay miditra mba hitady divay misy fangarony.+
31 Aza mijery divay amin’izato lokony mena, sy ny famirapiratany ao anaty kaopy, ary ny fikorianany midina any an-tenda.
32 Fa amin’ny farany, dia hanaikitra tahaka ny menarana+ izy, ary hamoaka poizina tahaka ny bibilava.+
33 Hahita zavatra hafahafa ny masonao, ary hisy eritreri-dratsy hitsiry ao am-ponao.+
34 Ho sahala amin’ny olona matory eo afovoan-dranomasina ianao, ary ho tahaka ny olona matory eny an-tendron’ny andrin-tsambo.+
35 Dia hilaza ianao hoe: “Nokapohiny aho, nefa tsy nahare naharary. Noveleziny aho, nefa tsy tsaroako akory. Rahoviana àry aho no hifoha+ mba hitadiavako divay indray?”+
Fanamarihana
^ A.b.t.: “andraso antsy ny tendanao.”
^ Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
^ Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
^ Taova io voa resahina io.