Ohabolana 24:1-34

24  Aza mitsiriritra ny olon-dratsy,+ ary aza maniry mafy hiaraka aminy.+  Fa fandrobana foana no saintsainin’ny fony, ary fampahoriana foana no tenenin’ny vavany.+  Fahendrena no ilaina mba hanorenana ny trano,*+ ary fahaiza-manavaka no ilaina mba hahamafy orina azy.+  Fahalalana no hahatonga ny efitrano anatiny ho feno ny zava-tsarobidy lafo vidy sy mahafinaritra rehetra.+  Izay mampiasa ny heriny amim-pahendrena no lehilahy matanjaka,+ ary ny olona manam-pahalalana dia mitombo hery.+  Tari-dalana tsara no ilainao ho amin’ny ady,+ ary ahazoana famonjena ny fananana mpanolo-tsaina maro.+  Avo loatra amin’ny adala ny tena fahendrena,+ ary tsy hisoka-bava izy eo am-bavahady.  Izay mitetika ny hanao ratsy dia hatao hoe raindahin’ny mpamoron-kevi-dratsy.+  Ny fitondran-tena baranahiny vokatry ny hadalana dia ota,+ ary ny mpaniratsira dia maharikoriko ny olombelona.+ 10  Kivy ve ianao amin’ny andro mahory?+ Raha izany, dia ho kely ny herinao. 11  Vonjeo izay entina hovonoina, ary enga anie ka havotanao+ izay mangozohozo entina haringana! 12  Raha hoy ianao: “Tsy nahafantatra an’izany izahay”,+ tsy hahafantatra an’izany koa ve ilay mandinika ny fo?+ Mahalala an’izany tokoa ilay mandinika tsara anao,+ ary hovaliany araka ny nataony avy ny olona.+ 13  Mihinàna tantely, anaka, fa tsara izany, ary aoka ho tantely mamy no ho ao am-bavanao.+ 14  Ary fantaro koa ny fahendrena fa mahasoa anao izany.+ Raha mahazo izany ianao, dia hanana hoavy tsara, ary tsy ho foana ny fanantenanao.+ 15  Aza manao toy ny ratsy fanahy izay miafina mba hanafika ny tranon’ny marina,+ ary aza robaina ny fonenany.+ 16  Mety ho lavo impito ny marina, nefa ho tafarina ihany,+ fa ny ratsy fanahy kosa ho solafaka noho ny loza manjo azy.+ 17  Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao, ary aoka tsy ho ravoravo ny fonao raha solafaka izy,+ 18  sao ho hitan’i Jehovah izany ka ho ratsy eo imasony ary tsy ho tezitra aminy intsony Izy.+ 19  Aza tezitra amin’ny mpanao ratsy, ary aza mitsiriritra ny ratsy fanahy.+ 20  Fa tsy hanana hoavy tsara ny olon-dratsy,+ ary ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy.+ 21  Matahora an’i Jehovah sy ny mpanjaka,+ anaka. Aza miaraka amin’izay te hitondra fanovana.+ 22  Fa ho tonga tampoka ny loza hanjo azy,+ ka iza no hahatsikaritra ny nandringanana azy rehetra?+ 23  Natao ho an’ny hendry+ koa izao teny izao: Tsy tsara ny miangatra rehefa mitsara.+ 24  Izay milaza amin’ny ratsy fanahy hoe: “Marina ianao”,+ dia hozonin’ny vahoaka, ary homelohin’ny firenena. 25  Fa hahazo sitraka kosa ireo manitsy ny ratsy fanahy,+ ka zava-tsoa no fitahiana ho azon’izy ireo.+ 26  Izay mamaly tsy miolakolaka dia hanoroka olona eo amin’ny molony.+ 27  Karakarao ny asanao eny ivelany, ary ataovy vonona ny eny an-tsaha.+ Avy eo, dia karakarao koa izay ilain’ny ankohonanao. 28  Aza mety ho vavolombelona hiampanga olona tsy amin’antony,+ fa miteny toy ny adala ianao raha manao izany.+ 29  Aza manao hoe: “Izay nataony tamiko no hataoko aminy.+ Hovaliako araka ny nataony avy ny tsirairay.”+ 30  Nandalo teo amin’ny sahan’ny kamo+ sy teo amin’ny tanimboaloboky ny tsy ampy saina+ aho. 31  Ary hitako fa feno ahidratsy+ sy rakotra tsilo* izany, sady nirodana ny tamboho vato nanodidina azy.+ 32  Dia nandinika an’izay hitako teo aho, ka nandray am-po izany,+ ary izao no lesona notsoahako:+ 33  Raha mbola matory kely ianao, sy mbola rendremana kely, ary mbola mamoritra tanana mba hatory kely,+ 34  dia ho avy tampoka sahala amin’ny jiolahy ny fahantranao, ary ho sahala amin’ny lehilahy mirongo fiadiana ny tsy fahampiana hanjo anao.+

Fanamarihana

Na: “hanatanjahana ny ankohonana.”
Na: “amiana.”