Ohabolana 25:1-28

25  Ireto koa ny ohabolan’i Solomona+ izay nadikan’ny olon’i Hezekia mpanjakan’ny Joda:+  Voninahitr’Andriamanitra ny manafin-javatra,+ fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mikaro-javatra.+  Ny haavon’ny lanitra+ sy ny halalin’ny tany+ ary ny fon’ny mpanjaka dia samy tsy takatry ny saina.+  Esory ny tain-drendrika dia ho voadio tanteraka ny volafotsy+ rehefa havoakan’ny mpanefy azy.  Esory tsy ho eo anatrehan’ny mpanjaka ny ratsy fanahy,+ dia hiorina mafy amin’ny fahamarinana ny seza fiandrianany.+  Aza manandra-tena eo anatrehan’ny mpanjaka,+ ary aza mankeo amin’ny toeran’ny olona ambony.+  Fa aleo izy milaza aminao hoe: “Miakara eto”,+ toy izay izy mampietry anao eo anatrehan’ny olo-manan-kaja izay efa hitan’ny masonao.+  Aza maika hitory olona eo anatrehan’ny fitsarana, fa sao ho very hevitra ianao amin’ny farany rehefa manao izay hahafa-baraka anao ilay namanao.+  Aoka ianao hifanazava aminy,+ nefa aza ambara ny tsiambaratelon’ny hafa,+ 10  sao hanao izay hahamenatra anao izay mandre anao, ka tsy ho azonao tsoahana intsony izay zava-dratsy efa voalazanao. 11  Toy ny paoma volamena ao anaty fitoerany volafotsy natao sokitra ny teny atao amin’ny fotoana mahamety azy.+ 12  Ny olon-kendry izay manome anatra dia toy ny kavina volamena sy firavaka volamena tena tsara eo amin’ny sofin’ny olona mihaino anatra.+ 13  Toy ny lanezy+ mangatsiatsiaka amin’ny andro fijinjana ny iraka mendri-pitokisana, ho an’ny mpaniraka azy: Mamelombelona ny ain’ny* tompony izy.+ 14  Sahala amin’ny rahona sy rivotra tsy mitondra orana ny olona mirehareha hoe hanao fanomezana nefa tsy manao akory.+ 15  Faharetana no ahafahana mandresy lahatra ny mpitari-tafika, ary ny teny malefaka mahavita manapaka taolana.+ 16  Nahita tantely ve ianao?+ Izay sahaza anao ihany hanina, sao ho be loatra ny laninao ka handoa ianao.+ 17  Aza mandeha matetika mankany an-tranon’ny namanao, sao ho leo anao izy ka ho halany ianao. 18  Sahala amin’ny kibay sy ny sabatra ary ny zana-tsipìka maranitra ny olona mijoro ho vavolombelona mandainga hiampanga ny namany.+ 19  Sahala amin’ny nify tapaka sy ny tongotra mangozohozo ny fatokisana olona mpivadika, amin’ny andro mahory.+ 20  Izay manala akanjo amin’ny andro mangatsiaka dia toy ny manisy vinaingitra amin’ny sirahazo sy toy ny mihira amin’ny olona malahelo am-po.+ 21  Raha noana izay mankahala anao dia omeo hanina, ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny.+ 22  Fa hampivangongo vainafo eo ambony lohany ianao raha manao izany,+ ary i Jehovah hamaly soa anao.+ 23  Miteraka* orana ny rivotra avy any avaratra,+ ary izay mamoaka tsiambaratelo dia melohin’ny olona.+ 24  Aleo mitoetra eny an-joron’ny tafontrano, toy izay miray trano amin’ny vehivavy tia ady.+ 25  Toy ny rano mangatsiatsiaka amin’ny olona* reraka+ ny tatitra tsara avy any an-tany lavitra.+ 26  Toy ny loharano tsy madio sy lavadrano voaloto ny marina, rehefa mipararetra eo anoloan’ny ratsy fanahy.+ 27  Tsy tsara ny mihinana tantely be loatra.+ Tena voninahitra ve ny fitadiavan’ny olona voninahitra ho an’ny tenany?+ 28  Toy ny tanàna voagorobaka, tsy misy manda, ny olona tsy mahafehy ny fahatezerany.*+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Na: “Miteraka ao anatin’ny fanaintainana.”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.