Ohabolana 26:1-28

26  Hafahafa raha misy lanezy amin’ny fahavaratra, sy orana amin’ny fotoam-pijinjana,+ ary hafahafa koa raha ny adala no omem-boninahitra.+  Misy antony matoa mandositra ny vorona na manidina ny sidintsidina, dia toy izany koa fa tsy tongatonga ho azy ny ozona.+  Natao ho an’ny soavaly ny karavasy,+ ary ho an’ny ampondra ny lamboridy,+ fa ny tsorakazo natao ho an’ny lamosin’ny tsisy saina.+  Aza mamaly ny tsisy saina araka ny hadalany, sao hitovy aminy koa ianao.+  Valio araka ny hadalany ny tsisy saina, mba tsy hihevi-tena ho hendry izy.+  Toy ny olona manapaka ny tongony, sy mitera-doza ho an’ny tenany, ny olona manankina andraikitra amin’ny adala.+  Mahavita mantsaka rano ve ny olona malemy tongotra? Raha izany no izy, dia mba mahavita mampiasa ohabolana koa ny tsisy saina.+  Izay manome voninahitra ny tsisy saina,+ dia toy ny olona manototra vato iray amin’ny vato maro be.  Toy ny tsilo eny an-tanan’ny mamo ny ohabolana eo am-bavan’ny tsisy saina.+ 10  Izay manakarama ny tsisy saina na manakarama ny mpandalo, dia toy ny mpandefa zana-tsipìka manatrobaka ny zava-drehetra.+ 11  Toy ny alika miverina amin’ny loany, dia miverina amin’ny hadalany koa ny tsisy saina.+ 12  Mahita olona mihevi-tena ho hendry ve ianao?+ Ny tsisy saina aza misy antenaina kokoa+ noho izy. 13  Hoy ny kamo: “Misy liona tanora eny an-dalana, ary misy liona eny an-tany malalaky ny tanàna.”+ 14  Mihodina eo amin’ny savily ny varavarana, ary mihodina eo am-pandrianany ny kamo.+ 15  Mangarona ny ao anaty vilia ny kamo, nefa mamizana azy ny hampakatra ny tanany ho ao am-bavany.+ 16  Ny olona iray kamo dia mihevi-tena ho hendry+ mihoatra noho ny olona fito mahay mamaly. 17  Toy ny olona mihazona alika amin’ny sofiny ny mpandalo misafoaka noho ny adin’ny hafa.+ 18  Toy ny adala mandefa zana-tsipìka mirehitra+ sy mahafaty, 19  dia toy izany koa izay mamitaka olona, nefa avy eo manao hoe: “Vazivazy fotsiny iny!”+ 20  Maty ny afo rehefa tsy misy kitay, ary mitsahatra ny fifandirana rehefa tsy misy mpanendrikendrika.+ 21  Toy ny saribao atao eo amin’ny vainafo sy toy ny kitay atao anaty afo ny olona tia fifandirana, satria mampirehitra ady.+ 22  Ny tenin’ny mpanendrikendrika dia toy ny zavatra mampilendalenda atao teli-moka, ka midina avy hatrany any an-kibo.+ 23  Toy ny ankoso-bolafotsy amin’ny silaka tanimanga ny olona manao teny feno fitiavana nefa ny fony feno fankahalana.+ 24  Teny feno fihatsarambelatsihy no ataon’ny mpankahala, ary fitaka no ao am-pony.+ 25  Aza matoky azy+ na dia manao teny malefaka aza izy,+ fa zavatra fito maharikoriko+ no ao am-pony. 26  Fitaka no entiny manafina ny fankahalany. Hibaribary eo anivon’ny fiangonana anefa ny toetra ratsiny.+ 27  Izay mihady lavaka ihany no hilatsaka ao,+ ary izay manakodia vato ihany no hikodiavany.+ 28  Ny mpandainga dia mankahala ny olona anaovany teny mandratra.+ Ary manimba olona ny teny fandokafana.+

Fanamarihana