Ohabolana 28:1-28
28 Mandositra ny ratsy fanahy na dia tsy misy manenjika aza,+ fa ny marina kosa feno toky toy ny liona+ tanora.
2 Noho ny fandikan-dalàna eo amin’ny tany dia maro ny mpitondra mifandimby,+ fa haharitra ela kosa ny fitondrany noho ny fisian’ny olon-kendry mahalala ny tokony hataony.+
3 Ny lehilahy mahantra izay manambaka+ ny tsy manana, dia toy ny ranonorana mifaoka ny zava-drehetra ka mahatonga ny sakafo tsy hisy.
4 Derain’ny olona mandika lalàna ny ratsy fanahy,+ fa izay mitandrina ny lalàna kosa tezitra aminy.+
5 Tsy mahazo ny dikan’ny hoe rariny ny olona tia manao ratsy, fa mahalala ny zava-drehetra kosa izay mitady an’i Jehovah.+
6 Aleo olo-mahantra tsy mivadika toy izay olona fetsifetsy, na dia manankarena aza.+
7 Mitandrina ny lalàna ny zanaka mahira-tsaina,+ fa manala baraka an-drainy kosa izay minamana amin’ny tendan-kanina.+
8 Izay mampitombo ny harenany amin’ny fakana zanabola+ sy tombony tafahoatra dia manangona izany ho an’izay miantra ny mahantra.+
9 Izay manampin-tsofina tsy hihaino ny lalàna,+ na ny vavaka ataony aza dia maharikoriko.+
10 Izay mitarika ny olo-mahitsy hanaraka lalan-dratsy+ dia hilatsaka ao amin’ny lavaka nataony ihany,+ fa ny tsy manan-tsiny kosa hahazo zava-tsoa.+
11 Mihevi-tena ho hendry ny mpanankarena,+ fa mahay mamantatra ny marina momba azy kosa ny mahantra mahay manavaka.+
12 Mahafinaritra erỳ rehefa faly ny marina!+ Fa mody manao olon-kafa kosa ny olona rehefa misandratra ny ratsy fanahy.+
13 Izay nandika lalàna ka manarontsarona ny nataony dia tsy hahomby,+ fa izay miaiky heloka sy miala amin’izany kosa no hamindrana fo.+
14 Sambatra ny olona manan-tahotra mandrakariva,+ fa izay manamafy fo kosa hahita loza.+
15 Ny mpitondra ratsy fanahy, izay manjaka amin’ny mahantra, dia toy ny liona mierona sy orsa mihazakazaka hanafika.+
16 Be ny fitaka ataon’ny mpitarika tsy mahay manavaka,+ fa ho lava andro iainana kosa izay tsy tia tombony azo amin’ny tsy rariny.+
17 Izay mivesatra trosan-dra noho izy namono olona* dia handositra hatrany an-davaka,+ ka aza misy misakana azy.
18 Hovonjena izay mandeha tsy misy tsiny,+ fa izay fetsifetsy kosa ho lavo avy hatrany.+
19 Hanana sakafo ampy izay miasa ny taniny,+ fa izay mikatsaka zava-poana kosa hahantra+ fadiranovana.
20 Hahazo fitahiana maro izay olona mendri-pitokisana,+ fa tsy hitoetra ho tsy manan-tsiny kosa izay maimay te hanan-karena.+
21 Tsy tsara ny miangatra,+ ary tsy tsara ho an’ny lehilahy tomady koa ny mandika lalàna mba hahazoana sombi-mofo.
22 Miezaka mafy mba hanan-karena ny olona manana maso feno fitsiriritana,+ nefa tsy fantany fa hahantra izy.
23 Izay mananatra+ no hahazo sitraka kokoa noho izay manao teny fandokafana.
24 Ny olona mandroba ny rainy sy ny reniny+ nefa manao hoe: “Tsy fandikan-dalàna izany!”,+ dia naman’ny mpanimba ihany.
25 Mampisy fifandirana ny olona manambony tena,+ fa hotahina kosa izay miantehitra amin’i Jehovah.+
26 Tsisy saina izay matoky ny fony,+ fa izay mandeha amim-pahendrena no ho afa-miala.+
27 Izay manome ho an’ny mahantra dia tsy hanan-java-mahory,+ fa izay manakimpy ny masony kosa ho voaozona imbetsaka.+
28 Miafina ny olona rehefa misandratra ny ratsy fanahy,+ fa rehefa ringana kosa ireny, dia mihabetsaka ny olo-marina.+
Fanamarihana
^ Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.