Ohabolana 29:1-27

29  Izay efa nanarina imbetsaka+ nefa manamafy hatoka+ dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fanafany intsony.+  Faly ny vahoaka+ rehefa mihamaro ny olo-marina, fa misento kosa izy raha ny ratsy fanahy no mitondra.+  Mampifaly ny rainy ny olona tia fahendrena,+ fa manimba zava-tsarobidy kosa izay miaraka amin’ny mpivaro-tena.+  Ny rariny no ahafahan’ny mpanjaka mampiorina mafy ny taniny,+ fa mandrava azy kosa ny olona tia kolikoly.+  Izay lehilahy mandoka ny namany+ dia mamelatra harato hamandrihana azy.+  Mamandrika ny tenany ny olon-dratsy mandika lalàna,+ fa mihoby sy mifaly kosa ny marina.+  Ny marina mahalala ny zon’ny mahantra,+ fa ny ratsy fanahy kosa tsy miraharaha izany.+  Mampikorontana ny iray tanàna+ ny olona mizahozaho, fa mampitony fahatezerana+ kosa ny hendry.  Raha toa ny hendry ka miady amin’ny adala eo anatrehan’ny fitsarana, dia misafoaka sy mihomehy ilay adala, ary tsy misy filaminana kosa ho an’ilay hendry.+ 10  Halan’ny lian-dra ny tsy manan-tsiny,+ fa mitsimbina foana ny ain’ny tsirairay kosa ny olo-mahitsy.+ 11  Ny fahatezeran’ny tsisy saina dia avoakany daholo, fa mahatsindry fo hatramin’ny farany kosa ny hendry.+ 12  Raha mihaino lainga ny mpitondra, dia ho ratsy fanahy daholo ny mpanompony.+ 13  Mihaona ny mahantra sy ny mpampahory,+ fa i Jehovah no mampahazava ny mason’izy roa tonta.+ 14  Raha araka ny fahamarinana no itsaran’ny mpanjaka ny mahantra,+ dia ho mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianany.+ 15  Ny tsorakazo sy ny anatra no mampahahendry,+ fa mahatonga henatra ho an-dreniny kosa ny zaza avela hanaram-po.+ 16  Maro be ny fandikan-dalàna rehefa mihamaro ny ratsy fanahy, fa hahita ny hahalavoan’ireny kosa ny marina.+ 17  Faizo ny zanakao, dia hampilamin-tsaina anao izy sady tena hahafinaritra anao.+ 18  Samy manao izay tiany fotsiny ny olona rehefa tsy misy fahitana avy amin’Andriamanitra,+ fa sambatra kosa izay mitandrina ny lalàna.+ 19  Tsy ampy hanitsiana ny mpanompo raha teny fotsiny,+ satria azony tsara izany nefa tsy ankatoaviny.+ 20  Mahita olona faingam-bava+ ve ianao? Ny tsisy saina aza misy antenaina kokoa noho izy.+ 21  Raha ampihantaina hatramin’ny fahakeliny ny mpanompo, dia tsy hahay hankasitraka izy rehefa any aoriana any. 22  Izay mora tezitra mampisy fifandirana,+ ary izay mora misafoaka dia be fahadisoana.+ 23  Ny fiheveran’ny olona ny tenany ho ambony no hampietry azy,+ fa izay manetry tena kosa no hahazo voninahitra.+ 24  Mankahala ny tenany ny olona miray tsikombakomba amin’ny mpangalatra.+ Nandre fianianana misy ozona izy, nefa tsy milaza na inona na inona.+ 25  Fandrika ny tahotra olona,+ fa izay matoky an’i Jehovah no ho voaro.+ 26  Maro no mangataka hihaona amin’ny* mpitondra,+ fa i Jehovah kosa no mitsara ny olona.+ 27  Izay manao ny tsy rariny dia maharikoriko ny olo-marina,+ ary izay manana fitondran-tena mahitsy dia maharikoriko ny ratsy fanahy.+

Fanamarihana

A.b.t.: “mitady ny tavan’ny.”