Ohabolana 3:1-35

3  Anaka, aza manadino ny lalàko,+ ary aoka ny fonao hitandrina ny didiko,+  fa ho lava andro sy ho maro taona iainana ianao+ ary hiadana.+  Aoka tsy hiala aminao ny hatsaram-panahy sy ny fahamarinana.+ Afatory eo amin’ny vozonao ireo,+ ary soraty eo amin’ny fonao,+  dia hahazo sitraka amin’Andriamanitra sy ny olona ianao ary ho hitan’izy ireo fa tena lalin-tsaina.+  Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo,+ fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao.+  Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao,+ dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.+  Aza mihevi-tena ho hendry.+ Matahora an’i Jehovah ka mialà amin’ny ratsy.+  Aoka izany ho fanasitranana+ ny vatanao* sy ho famelombelomana ny taolanao.+  Manomeza voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy anananao+ sy amin’ny voaloham-bokatrao rehetra,+ 10  dia ho feno mitafotafo ny fitehirizam-bokatrao,+ ary ny divay vaovao kosa hihoatra ny fanantazana azy.+ 11  Aza mandà ny fifehezan’i Jehovah, anaka,+ ary aza mankahala ny anatra omeny,+ 12  fa izay tian’i Jehovah no anariny,+ tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.+ 13  Sambatra ny olona mahita fahendrena,+ sy ny olona manana fahaiza-manavaka,+ 14  fa ny tombony azo aminy dia tsara noho ny volafotsy, ary ny vokatra azo aminy dia tsara noho ny volamena.+ 15  Sarobidy noho ny haran-dranomasina* izy,+ ary tsy misy afaka mifampitaha aminy izay rehetra mahafinaritra anao. 16  Andro maro no eo an-tanany ankavanana,+ ary harena sy voninahitra no eo an-tanany ankavia.+ 17  Lalana mahafinaritra ny lalany, ary fiadanana ny lalan-kalehany rehetra.+ 18  Hazon’aina+ ho an’izay mitana azy izy, ary izay mifikitra aminy+ no atao hoe sambatra.+ 19  Fahendrena no nanorenan’i Jehovah ny tany,+ ary fahaiza-manavaka no nanaovany izay hahamafy orina ny lanitra.+ 20  Ny fahalalany no nampisarahana ny rano lalina,+ sy nahatonga ny rahona hitete ranonorana madinika.+ 21  Anaka, aoka tsy hiala eo imasonao ireo.+ Arovy ny fahendrena sy ny fahaiza-misaina,+ 22  dia hidika ho fiainana ho anao izany,+ ary ho firavaka eo amin’ny vozonao.+ 23  Amin’izay dia tsy hanana ahiahy+ ianao rehefa mandeha amin’ny lalanao, ary ny tongotrao tsy mba ho tafintohina.+ 24  Tsy mba hatahotra ianao rehefa matory,+ eny, hatory tokoa ianao ka ho mamy ny torimasonao.+ 25  Tsy hihorohoro ianao rehefa misy zavatra mampahatahotra tampoka,+ na rehefa mamely ny ratsy fanahy ny tafiotra, satria ho tonga tokoa izany.+ 26  Fa i Jehovah, raha ny marina, no ho tokinao,+ ka hiaro ny tongotrao tsy ho voafandrika.+ 27  Aza miahotra manao soa amin’izay tokony hanaovan-tsoa+ raha mbola azon’ny tananao atao ihany.+ 28  Aza manao amin’ny namanao hoe: “Mandehana, dia miverena rahampitso fa homeko”, nefa misy ihany ao aminao.+ 29  Aza mamorona teti-dratsy hamelezana ny namanao,+ nefa izy mipetraka tsy manana ahiahy ao aminao.+ 30  Aza mifamaly tsy amin’antony+ amin’olona raha tsy nanao ratsy anao izy.+ 31  Aza mitsiriritra olona tia herisetra,+ na mifidy ny lalany.+ 32  Maharikoriko an’i Jehovah+ ny olona fetsifetsy,+ fa ny olo-mahitsy kosa no manana fifandraisana akaiky aminy.+ 33  Ny ozon’i Jehovah dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy,+ fa ny fitahiany kosa ao amin’ny fonenan’ny marina.+ 34  Ny mpaneso+ no hanaovany eson-teny,+ fa ny mpandefitra kosa hankasitrahany.+ 35  Voninahitra no ho azon’ny hendry,+ fa fahafaham-baraka kosa no ireharehan’ny tsisy saina.+

Fanamarihana

A.b.t.: “foitranao.”
Jereo Jb 28:18 f.a.p.