Ohabolana 30:1-33

30  Ny hafatra mafonja+ nolazain’i Agora zanak’i Jake, dia ny teny nambaran’ilay lehilahy tomady tamin’i Itiela, eny, tamin’i Itiela sy Okala.  Izaho no tsy misaina indrindra amin’ny olona rehetra,+ sady tsy mba manana ny fahiratan-tsain’olombelona.+  Tsy mba nianatra ny atao hoe fahendrena+ aho, ary tsy manana ny fahalalana ananan’Ilay Masina Indrindra.+  Iza no niakatra tany an-danitra ka nidina avy any?+ Iza no nahavita nanangona rivotra+ ho ao anatin’ny tanany roa? Iza no nahafono ny rano tamin’ny lamba fitafy?+ Iza no nampisondrotra ny faran’ny tany?+ Iza no anarany,+ ary iza no anaran’ny zanany, raha fantatrao?+  Madio toy ny metaly voadio daholo ny teny nolazain’Andriamanitra.+ Ampingan’izay mialoka aminy Izy.+  Aza ampiana ny teniny,+ sao anariny ianao ka ho hita fa mpandainga.+  Zavatra roa no angatahiko aminao,+ ka aza lavina dieny mbola tsy maty aho.+  Ampanalaviro ahy ny tsy fahamarinana sy ny lainga.+ Aza atao mahantra aho, nefa aza atao manankarena koa.+ Izay sakafo sahaza+ ahy no aoka hohaniko,  sao ho voky aho ka handa anao+ ary hilaza hoe: “Fa iza moa i Jehovah?”,+ na ho lasa mahantra aho ka hangalatra ary hanala baraka ny anaran’Andriamanitro.+ 10  Aza manendrikendrika mpanompo any amin’ny tompony,+ sao hanozona anao izy, ka ho meloka ianao.+ 11  Misy taranaka manozona ny rainy sady tsy manaja an-dreniny.+ 12  Misy taranaka mihevi-tena ho madio,+ nefa tsy voasasa ho afaka aminy akory ny dikiny.*+ 13  Misy taranaka manana fijery tena mianjonanjona. Ary miandranandrana ny masony.+ 14  Misy taranaka manana nify toy ny sabatra, sy valanorano toy ny antsin-kena,+ mba hamongorany ny ory tsy ho amin’ny tany, sy ny mahantra tsy ho anisan’ny olombelona.+ 15  Ny dinta dia manan-janakavavy roa, izay miantsoantso hoe: “Omeo! Omeo!” Misy zavatra telo tsy mety voky, eny, efatra aza no tsy milaza hoe: “Aoka izay!”, 16  dia ny Fasana,*+ ny kibo momba,+ ny tany tsy vonton-drano,+ ary ny afo+ izay tsy milaza hoe: “Aoka izay!”+ 17  Ny mason’ny olona izay maneso an-drainy sy tsy mankatò an-dreniny+ dia hotsaingohin’ny goaika mpankeny amin’ny lohasaha falehan-driaka, sady ho lanin’ny zana-boromahery. 18  Misy zavatra telo tena mahagaga ahy, eny, efatra aza no tsy takatry ny saiko: 19  Ny lalan’ny voromahery eny amin’ny lanitra, ny lalan’ny bibilava eo ambony vatolampy, ny lalan’ny sambo eny afovoan-dranomasina+ ary ny fanaon’ny lehilahy amin’ny ankizivavy.+ 20  Izao no fanaon’ny vehivavy mpanitsakitsa-bady: Mihinana izy, dia mamafa ny vavany, ary manao hoe: “Tsy nanao ratsy aho.”+ 21  Zavatra telo no tsy mampandry ny tany, eny, efatra aza no tsy zakany: 22  Ny eo ambany fahefan’ny mpanompo izay lasa mpanjaka,+ ny eo ambany fahefan’ny tsisy saina izay lasa manana sakafo ampy,+ 23  ny eo ambany fahefan’ny vehivavy nankahalaina nefa nahazo vady,+ ary ny eo ambany fahefan’ny mpanompovavy izay naka ny toeran’ny tompovaviny.+ 24  Misy zavatra efatra kely indrindra eto an-tany, nefa manana fahendrena voajanahary:+ 25  Ny vitsika dia vahoaka tsy matanjaka,+ nefa manangona ny sakafony rehefa fahavaratra,+ 26  ny bitrom-bato+ dia vahoaka tsy mahery, nefa eny ambony vatolampy no anaovany ny tranony,+ 27  ny valala+ dia tsy manana mpanjaka, nefa manao andiany maro izy rehetra rehefa miainga,+ 28  ary ny katsatsaka+ dia mampiasa ny tanany hamikirana, nefa tonga hatrao amin’ny lapa mirentin’ny mpanjaka. 29  Misy zavatra telo izay tsara famindra, eny, efatra aza no tsara fandeha: 30  Ny liona izay biby mahery indrindra sady tsy mba mihemotra eo anatrehan’iza na iza,+ 31  ny alika mpihaza, sy ny osilahy, ary ny mpanjaka mitarika ny miaramilany.+ 32  Raha nanao hadalana ianao, izany hoe nanandra-tena,+ ary raha nampifantoka ny sainao tamin’izany, dia tampeno amin’ny tananao ny vavanao.+ 33  Fa manome dibera ny ronono rehefa ahontsankontsana, ary mandeha ra ny orona rehefa poretina, ary miteraka fifandirana+ ny fahatezerana rehefa tsy voafehy.

Fanamarihana

Jereo De 23:13 f.a.p.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.