Ohabolana 31:1-31

31  Izao no tenin’i Lemoela Mpanjaka, dia ny hafatra mafonja+ nolazain-dreniny taminy mba hanitsiana azy:+  Inona no holazaiko aminao, anaka? Inona no holazaiko aminao, ry ilay naloaky ny kiboko,+ dia ilay zanaka azoko tamin’ny voady?+  Aza mandany ny herinao amin’ny vehivavy,+ ary aza manaraka fomba fiaina izay efa naharipaka mpanjaka.+  Tsy mety amin’ny mpanjaka, ry Lemoela ô, eny, tsy mety amin’ny mpanjaka ny misotro divay, na amin’ny manam-pahefana ny manao hoe: “Aiza ny toaka?”,+  sao hisotro izy ka hanadino ny didy efa navoaka ary hamadika ny rariny tokony ho an’ny ory.+  Fa izay efa ho faty kosa no aoka homenareo toaka,+ ary izay vontom-pahoriana no homenareo divay.+  Aoka izy hisotro ka hanadino ny fahantrany, ary tsy hahatsiaro ny fahoriany intsony.  Aoka ianao hisoka-bava hisolo an’izay tsy afa-miteny+ sy hiaro an’izay rehetra efa ho faty.+  Aoka ianao hisoka-bava, ka hitsara araka ny rariny ary hiady ho an’ny ory sy ny mahantra.+ א [Alefa] 10  Iza no mahita vady tsara?+ Sarobidy lavitra noho ny haran-dranomasina* ny vehivavy toy izany. ב [Beta] 11  Matoky azy ny fon’ny lahy,* ary be ny tombony azo.+ ג [Gimela] 12  Soa no avalin-dravehivavy azy, fa tsy ratsy, mandritra ny androm-piainany.+ ד [Daleta] 13  Mitady volonondry sy lamba rongony izy, ary mahafinaritra azy ny miasa amin’ny tanany.+ ה [He] 14  Manao toy ny sambon’ny mpivaro-mandeha+ izy, ka avy lavitra no itondrany ny sakafony. ו [Vao] 15  Mifoha izy na dia mbola alina aza,+ ka manome hanina ho an’ny ankohonany sy manome izay anjaran’ny mpanompovaviny.+ ז [Zaina] 16  Mandinika tsara aloha izy vao mividy saha.+ Ary ny vokatry ny asan’ny tanany no anaovany tanimboaloboka.+ ח [Heta] 17  Miomana hanao asa mafy izy, ary mampiasa ny herin-tsandriny mba hanaovana izany.+ ט [Teta] 18  Hitany fa mandeha ny varotra ataony, ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy.+ י [Yôda] 19  Atsotrany ny tanany handray ny fangoronan-kofehy, ary ny tanany koa no hihazonany ny ampela.*+ כ [Kafa] 20  Malala-tanana amin’ny ory izy, ary manatsotra ny tanany hanampy ny mahantra.+ ל [Lameda] 21  Tsy manahy ny amin’ny ankohonany izy rehefa latsaka ny lanezy, satria miakanjo roa sosona daholo izy rehetra.+ מ [Mema] 22  Manamboatra lambam-pandriana+ ho azy izy. Ary ny fitafiany dia lamba rongony sy volonondry nolokoana volomparasy somary mena.+ נ [Nona] 23  Be mpahafantatra eny am-bavahady+ ny vadiny,+ rehefa miara-mipetraka amin’ny anti-panahin’ny tanàna. ס [Sameka] 24  Manao akanjo+ hamidy koa ravehivavy, ary mamatsy fehikibo ho an’ny mpivarotra. ע [Aina] 25  Hery sy voninahitra no fitafiany,+ ary ihomehezany fotsiny ny andro ho avy.+ פ [Pe] 26  Maneho fahendrena izy rehefa miteny,+ ary ny lalàn’ny hatsaram-panahy feno fitiavana no ambarany.+ צ [Tsade] 27  Manara-maso izay mitranga ao an-tokantranony izy, ary tsy mihinana ny mofon’ny hakamoana.+ ק [Kôfa] 28  Mitsangana ny zanany lahy, ka milaza azy hoe sambatra.+ Mitsangana koa ny vadiny, ka midera azy+ hoe: ר [Resa] 29  “Maro ny zazavavy+ tsara toetra, fa ianao mbola manan-tombo amin’izy rehetra.”+ ש [Shina] 30  Mamitaka ny hatsaram-bika,+ ary zava-poana ny hatsaran-tarehy,+ fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah no hahazo dera.+ ת [Tao] 31  Aoka homenareo azy izay vokatry ny asan’ny tanany,+ ary aoka ny asany hidera azy eny am-bavahady.+

Fanamarihana

Jereo Jb 28:18 f.a.p.
A.b.t.: “tompony.”
Hazokely fangoronana ny kofehy hotenomina.