Ohabolana 4:1-27
4 Henoy, anaka, ny anatry ny rainareo,+ ary aoka ianareo hanongilan-tsofina, mba hahira-tsaina.+
2 Fa tsara ny fampianarana homeko anareo.+ Aza mahafoy ny lalàko.+
3 Fa tena zanaka tokoa aho ho an’ny raiko,+ ary marefo sy tokana teo imason’ny reniko.+
4 Ary nampianatra ahy ny raiko+ ka nilaza hoe: “Aoka tsy hiala ao am-ponao+ ny teniko.+ Tandremo ny didiko, dia ho ela velona ianao.+
5 Miezaha hanana fahendrena,+ ary ataovy izay hananana fahiratan-tsaina.+ Aza hadinoina izay lazain’ny vavako ary aza lavina.+
6 Aza mahafoy ny fahendrena, dia hiambina anao izy. Tiavo izy, dia hiaro anao.
7 Ny fahendrena no zava-dehibe indrindra.+ Koa miezaha hanana fahendrena, ary izay rehetra azonao dia ampiasao hahazoana fahiratan-tsaina.+
8 Aoka ho sarobidy aminao izy, dia hanandratra anao.+ Hanome voninahitra anao izy satria ianao mifikitra aminy.+
9 Dia hasiany fehiloha tsara tarehy ny lohanao,+ ary satroboninahitra tsara no homeny anao.”+
10 Mihainoa, anaka, ary ekeo ny teniko,+ dia hihamaro ny taona hiainanao.+
11 Hampianatra anao ny lalam-pahendrena aho.+ Hampandehaniko amin’ny lalan’ny fahitsiana ianao.+
12 Rehefa mandeha ianao, dia tsy ho voasembantsembana ny dianao,+ ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy mba ho tafintohina.+
13 Tano mafy ny anatra omena anao+ ka aza avela.+ Hazòny izy, fa ainao.+
14 Aza mankany amin’ny lalan’ny ratsy fanahy,+ aza mamantana any amin’ny lalan’ny olon-dratsy.+
15 Halaviro ny lalany+ ka aza andalovana,+ eny, mivilia ka zory ny lalanao.+
16 Fa tsy matory ireny raha tsy manao ratsy,+ ary tsy mahita tory raha tsy manafintohina olona.+
17 Mihinana ny mofo azo tamin’ny fanaovan-dratsy ireny,+ ary misotro ny divay azo tamin’ny herisetra.+
18 Fa ny lalan’ny marina kosa dia tahaka ny hazavan’ny maraina izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.+
19 Ny lalan’ny ratsy fanahy dia tahaka ny haizim-pito.+ Tsy fantany akory izay mahatafintohina azy.+
20 Henoy, anaka, ny teniko,+ ary aoka ianao hanongilan-tsofina amin’izay lazaiko.+
21 Aoka tsy hiala eo imasonao izany+ ary raketo ao am-ponao.+
22 Fa midika ho fiainana ho an’izay mahita azy izany,+ ary fahasalamana ho an’ny vatany manontolo.+
23 Arovy ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony harovana,+ fa avy ao aminy ny loharanon’aina.+
24 Esory aminao ny vava fandainga,+ ary ataovy lavitra anao ny molotra mamitaka.+
25 Aoka ny masonao hijery tsara ny any aloha,+ eny, aoka ny masonao hibanjina ny eo anoloanao.+
26 Ataovy mitovy tantana izay hodiavin’ny tongotrao,+ ary aoka ho azo antoka tsara ny lalanao rehetra.+
27 Aza mivily miankavanana na miankavia.+ Ampanalaviro ny ratsy ny tongotrao.+