Ohabolana 5:1-23

5  Henoy, anaka, ny tenim-pahendrena lazaiko,+ ary aoka ianao hanongilan-tsofina amin’izay ampianariko momba ny fahaiza-manavaka,+  mba hiarovanao ny fahaizanao misaina.+ Ary aoka hitahiry fahalalana ny molotrao.+  Mitete tahaka ny toho-tantely ny molotry ny vehivavy vahiny,+ ary malama noho ny menaka ny vavany.+  Mangidy tahaka ny vahona* anefa ny vokany,+ ary maranitra hoatran’ny sabatra roa lela.+  Midina mankany amin’ny fahafatesana ny tongony,+ ary mizotra mankany amin’ny Fasana* ny diany.+  Tsy mba mandinika ny lalan’ny fiainana izy.+ Mirenireny tsy mahafantatra izay alehany izy.+  Koa ankehitriny, anaka, mihainoa ahy+ ary aza hadinoina izay lazain’ny vavako.+  Ataovy lavitra azy foana ny lalanao, ary aza manakaiky ny fidirana mankao an-tranony,+  sao homenao olona ny hajanao,+ ary ireo taonanao ho an’izay mampahory anao,+ 10  sao ny vahiny no hanaram-po amin’izay nandanianao ny herinao,+ ary ho any an-tranon’ny hafa firenena ny zavatra nisasaranao,+ 11  ary sao hitaraina ianao amin’ny hoavy+ rehefa ho levona ny nofonao sy ny vatanao.+ 12  Dia hiteny ianao hoe: “Fa naninona re aho no nankahala anatra e?+ Naninona re ny foko no tsy niraharaha fananarana e?+ 13  Tsy mba nihaino ny tenin’ny mpampianatra ahy aho,+ ary tsy nanongilan-tsofina tamin’izay nolazain’ny mpanabe ahy.+ 14  Latsaka mora foana tao amin’izao karazana zava-dratsy rehetra izao aho,+ teo anivon’ny fiangonana sy ny vahoaka tafavory.”+ 15  Misotroa rano avy amin’ny lavaka fanangonanao rano, eny, misotroa rano mikoriana avy amin’ny lavadranonao.+ 16  Hiparitaka eny ivelany ve ny loharanonao,+ ary hikoriana eny an-tany malalaky ny tanàna ve ny ranonao? 17  Aoka ho anao irery izany, fa tsy ho an’ny vahiny eo aminao.+ 18  Aoka hotahina ny loharanonao,+ ary mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao,+ 19  fa serfavavy mahatehotia sy osy* kely mahafatifaty izy.+ Aoka ny nonony hahatonga anao ho mamon’ny fahafinaretana foana.+ Aoka ho safononoky ny fahafinaretana mandrakariva ianao noho ny fitiavany.+ 20  Fa nahoana ianao, anaka, no ho safononoky ny fahafinaretana amin’ny vehivavy vahiny, na hamihina ny tratran’ny vehivavy hafa firenena?+ 21  Fa eo imason’i Jehovah ny lalan’ny olona,+ ary dinihiny avokoa ny lalany rehetra.+ 22  Hitsingerina aminy ihany ny fahadisoan’ny ratsy fanahy,+ ary ho voafatotry ny fahotany ihany izy.+ 23  Izy ihany no ho faty noho izy tsy nihaino anatra,+ ary be ny hadalana nataony ka lasa any amin’ny lalan-diso izy.+

Fanamarihana

Zavamaniry mangidy tany Palestina ny teny hebreo nampiasaina teto.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
A.b.t.: “osin-tendrombohitra.”