Ohabolana 6:1-35
6 Anaka, raha nanaiky hiantoka olona nisambo-bola ianao,+ raha nifanaiky tamin’olona tsy fantatrao tsara ianao ka efa nifandray tanana taminy,+
2 raha voafandrik’izay nolazain’ny vavanao ianao,+ ary raha voafatotr’izay noteneninao,
3 dia afaho ny tenanao, anaka, satria efa eo am-pelatanan’ilay olona ianao,+ ka izao no ataovy: Mandehana ka manetre tena eo anatrehany, ary iangavio fatratra izy.+
4 Aza avela hatory na ho rendremana ny masonao.+
5 Afaho ny tenanao, toy ny gazela mitsoriaka tsy ho azon’ny mpihaza, sy toy ny vorona mandositra tsy ho azon’ny mpamandri-borona.+
6 Mandehana any amin’ny vitsika,+ ry ilay kamo.+ Diniho ny fanaony ka mba hendre.
7 Na dia tsy manana mpitondra na mpiadidy na mpitarika aza izy,
8 dia manangona ny sakafony izy rehefa fahavaratra,+ ary manangona ny haniny mandritra ny fijinjana.
9 Mandra-pahoviana ianao, ry ilay kamo, no mbola hatory?+ Rahoviana ianao no hifoha amin’ny torimasonao?+
10 Mbola hatory kely ihany, mbola ho rendremana kely ihany, ary mbola hamoritra tanana ihany ka hatory kely,+
11 dia ho avy tampoka sahala amin’ny mpandroba ny fahantranao,+ ary ho sahala amin’ny lehilahy mirongo fiadiana ny tsy fahampiana hanjo anao.+
12 Mpandaingalainga ny olona tsy manjary,+ eny, ny olona mitetika ny hanao ratsy.+
13 Mipy maso izy,+ sady manao fihetsika amin’ny tongony mba hilazan-javatra, ary manao fihetsika amin’ny rantsantanany.+
14 Hevi-dratsy no ao am-pony.+ Mikendry ny hanao ratsy foana izy,+ ary manao izay hampisy fifandirana.+
15 Koa hamely azy tampoka ny loza.+ Ho torotoro avy hatrany izy ka tsy ho sitrana intsony.+
16 Misy zavatra enina halan’i Jehovah,+ eny, fito ny zavatra maharikoriko azy:*+
17 Ny maso miandranandrana,+ ny lela fandainga,+ ny tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny,+
18 ny fo mamorona teti-dratsy,+ ny tongotra maika hihazakazaka hanao ratsy,+
19 ny olona mijoro ho vavolombelona mandainga,+ ary izay rehetra mampisy fifandirana eo amin’ny samy mpirahalahy.+
20 Ankatoavy, anaka, ny didin-drainao,+ ary aza atao tsinontsinona ny lalàn-dreninao.+
21 Afatory eo amin’ny fonao mandrakariva izany,+ ary fehezo eo am-bozonao.+
22 Hitari-dalana anao izy io raha mandeha ianao,+ sy hiambina anao raha matory ianao,+ ary hiahy anao foana rehefa mifoha ianao.
23 Fa jiro ny didy,+ fahazavana ny lalàna,+ ary lalana mankany amin’ny fiainana ny anatra sy ny fanitsiana,+
24 mba hiaro anao amin’ny vehivavy ratsy fitondran-tena,+ sy tsy ho babon’ny teny malefaka ataon’ny vehivavy hafa firenena.+
25 Aoka ny fonao tsy hitsiriritra azy noho ny hatsaran-tarehiny,+ ary aza avela hambabo anao amin’ny masony manintona izy,+
26 satria ny vehivavy mpivaro-tena no mahatonga ny lehilahy tsy hanana afa-tsy sombi-mofo.+ Fa ny vehivavy vadin’olona kosa mamela-pandrika mba hamandrihana aina sarobidy.+
27 Misy olona afaka manangona vainafo eo an-tratrany ve, nefa tsy ho may ny akanjony?+
28 Ary misy olona afaka mandeha eo ambony vainafo ve, nefa tsy ho may ny tongony?
29 Toy izany izay lehilahy manao firaisana amin’ny vadin’olona:+ Tsy hisy ho afa-maina izay mikasika an-dravehivavy.+
30 Amin’ny olona, dia tsy mampaninona raha mangalatra zavatra hahavoky azy ny mpangalatra rehefa noana.
31 Fa raha tratra kosa izy, dia hanonitra avo fito heny, ka hanome ny zava-tsarobidy rehetra ao an-tranony.+
32 Tsy ampy saina*+ izay manitsakitsa-bady ka mijangajanga amim-behivavy. Manimba tena izay lehilahy manao izany.+
33 Hahita loza sy halaza ratsy izy,+ ary tsy ho voakosoka mihitsy ny fahafaham-barakany.+
34 Fa entin’ny fahasarotam-piaro ny lehilahy ka tezitra mafy,+ ary tsy hamindra fo izy amin’ny andro anaovany valifaty.+
35 Tsy ahoany mihitsy izay mety ho onitra, sady tsy vonona ny hilefitra izy na dia lehibe toy inona aza ny fanomezana ataonao.