Ohabolana 7:1-27

7  Araho, anaka, ny teniko+ ary raketo ao am-ponao ny didiko.+  Tandremo ny didiko, dia ho ela velona ianao,+ ary tandremo toy ny anakandriamaso+ ny lalàko.  Afatory eo amin’ny rantsantananao ireny,+ ary soraty eo amin’ny fonao.+  Lazao amin’ny fahendrena+ hoe: “Anabaviko ianao”, ary amin’ny fahiratan-tsaina hoe: “Havako ianao”,  mba hiarovany anao amin’ny vehivavy vahiny+ sy amin’ny vehivavy hafa firenena, izay manao teny malefaka.+  Fa nitazana avy teo amin’ny makarakaran’ny+ varavarankelin’ny tranoko aho,  mba handinika an’ireo tanora fanahy.+ Nisy ankizilahy maromaro teo, ary nanintona ny masoko ny tovolahy iray tsy ampy saina.*+  Nandalo teo amin’ilay zoron-dalana mankany an-tranon’ny vehivavy toy ireny izy, ary nandeha tamin’ny lalana mankany+  rehefa harivariva iny, eny, tamin’ny takariva,+ rehefa ho alina sy maizina ny andro. 10  Ary iny fa nisy vehivavy nitsena azy, nanao akanjon’ny mpivaro-tena,+ sady fetsy 11  sy mahay miresaka ary mafy loha.+ Tsy mba mipetraka an-trano mihitsy izy,+ 12  fa mbetika eny ivelany, mbetika eny an-tany malalaky ny tanàna,+ ary eny akaikin’ny zoron-dalana rehetra eny no iandrasany.+ 13  Notazoniny ilay tovolahy dia norohany.+ Hita teny amin’ny endriny fa sahisahy be ravehivavy, ka hoy izy taminy: 14  “Nanao sorona iombonana aho,+ ary efa nanefa ny voadiko aho androany.+ 15  Nivoaka hitsena anao aho, mba hitady anao sy hahita anao. 16  Efa nasiako lambam-pandriana tsara tarehy ny fandrianako, dia lamba rongony avy any Ejipta sady maro loko.+ 17  Efa nofafazako miora sy aloesy ary kanelina koa ny fandrianako.+ 18  Andao isika hanaram-po amin’ny fahafinaretan’ny fitiavana mandra-parainan’ny andro. Aoka isika ho finaritra amin’ny fifanehoam-pitiavana.+ 19  Tsy ao an-trano ny vadiko, fa nandeha lavitra.+ 20  Nitondra kitapom-bola izy, ka tsy hody an-trano raha tsy efa fenomanana ny volana.” 21  Voafitaka ilay tovolahy, satria tena nahay nandresy lahatra ravehivavy.+ Teny malefaka no nentiny nambabo azy.+ 22  Tampoka teo, dia lasa nanaraka azy ilay tovolahy,+ toy ny omby entina hovonoina, ary toy ny adala nasiana gadra vy mba hofaizina, 23  mandra-pitsatoky ny zana-tsipìka eo amin’ny atiny.+ Ary toy ny vorona misosososo mankao anaty fandrika izy,+ nefa tsy fantany fa haningotra ny ainy* izany.+ 24  Koa ankehitriny, anaka, mihainoa ahy ary aoka ianao hanongilan-tsofina amin’izay lazain’ny vavako.+ 25  Aoka ny fonao tsy hivily ho amin’ny lalan-dravehivavy. Aza mandehandeha eny amin’ny lalany.+ 26  Fa maro ny olona efa matiny,+ ary be dia be ny naripany.+ 27  Lalana mankany amin’ny Fasana* ny tranony,+ ary midina any amin’izay misy ny maty izy ireo.+

Fanamarihana

Jereo Oh 6:32 f.a.p.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.