Ohabolana 8:1-36

8  Tsy miantsoantso tsy an-kijanona ve ny fahendrena,+ ary manandratra foana ny feony ny fahaiza-manavaka?+  Eny an-tampon-kavoana,+ sy eny amoron-dalana, ary eny amin’ny sampanan-dalana no ijanonany.  Eny akaikin’ny vavahady, sy eny amin’ny fidirana mankao an-tanàna,+ ary eo amin’ny fidirana amin’ny vavahady, no iantsoantsoany mafy hoe:+  “Ianareo rey olona no antsoiko, ary ianareo zanak’olombelona no anandratako ny feoko.+  Ry tanora fanahy ô, miezaha mba ho malina.+ Ary ianareo tsisy saina, manàna fo hendry.+  Mihainoa, satria zava-dehibe no resahiko,+ ary manoka-bava mba hilaza ny marina aho.+  Fa mibitsibitsika fahamarinana ny vavako,+ ary zava-maharikoriko amin’ny molotro ny faharatsiana.+  Marina daholo izay lazain’ny vavako.+ Tsy misy lainga na fitaka ny teniko.+  Amin’ny olona mahay manavaka, dia araka ny hitsiny daholo ny teniko, ary marina koa ny teniko amin’ny olona nahazo fahalalana.+ 10  Aoka ny anatro no horaisinareo fa tsy ny volafotsy, ary ny fahalalana fa tsy ny volamena tena tsara.+ 11  Fa tsara noho ny haran-dranomasina* ny fahendrena,+ ary tsy misy afaka mifampitaha aminy ny zava-mahafinaritra rehetra.+ 12  “Fahendrena no anarako, ary miara-monina amin’ny fahamalinana+ aho. Nahazo fahalalana sy fahaiza-misaina+ aho. 13  Midika ho fankahalana ny ratsy ny fahatahorana an’i Jehovah.+ Halako ny fanambonian-tena sy ny fireharehana+ sy ny fanao ratsy ary ny vava fandainga.+ 14  Manana torohevitra+ sy fahendrena+ aho, ary mahira-tsaina+ sy mahery.+ 15  Mila ahy ny mpanjaka rehefa manjaka, ary mila ahy koa ny manam-pahefana raha te hamoaka didy ara-drariny.+ 16  Mila ahy ny andriana rehefa mitondra,+ ary mila ahy koa ny lehibe raha te hitsara araka ny rariny.+ 17  Izay tia ahy dia mba tiako,+ ary izay mitady ahy no hahita ahy.+ 18  Eto amiko ny harena sy ny voninahitra,+ sy ny lova sarobidy ary ny fahamarinana.+ 19  Tsara noho ny volamena ny vokatra azo avy amiko, eny, tsara noho ny volamena voadio sy ny volafotsy tena tsara.+ 20  Ny lalan’ny fahamarinana no alehako,+ dia eo afovoan’ny lalan’ny rariny,+ 21  mba hahazo zava-tsarobidy ireo tia ahy.+ Ary ataoko feno foana ny trano fitehirizany vokatra.+ 22  “I Jehovah no namorona ahy ho fiandohan’ny asa famoronany,+ ho voalohany indrindra amin’ny zava-bitany fahiny.+ 23  Efa hatramin’ny fotoana tsy voafetra no nametrahana ahy teo amin’ny toerako,+ hatrany am-piandohana, talohan’ny nisian’ny tany.+ 24  Mbola tsy nisy ny rano lalina, dia efa nateraka* aho,+ ary mbola tsy nisy koa ny loharano miboiboika. 25  Mbola tsy nisy ny tendrombohitra,+ ary mbola tsy noforonina ny havoana, dia efa nateraka aho. 26  Mbola tsy nanao ny tany izy tamin’izany,+ na ny tanety na ny baingan-tany voalohany tamin’ny tany lonaka.+ 27  Efa teo aho rehefa nanao ny lanitra izy.+ Tamin’izy nandidy ny hisian’ny faribolana manodidina ny rano lalina,+ 28  sy nanamafy orina ny andian-drahona eny ambony,+ sy nampiboiboika mafy an’ireo loharano avy amin’ny rano lalina,+ 29  sy nanome baiko ny ranomasina mba tsy hihoatra an’izay efa nandidiany,+ sy namoaka didy mba hisian’ny fototry ny tany,+ 30  dia mpiasa tena mahay teo anilany aho,+ ary tena tia ahy+ isan’andro isan’andro izy. Falifaly foana aho teo anatrehany,+ 31  eny, nahafaly ahy ny tany lonaka teo amin’ny tany noforoniny.+ Ary tena tiako izay rehetra mombamomba ny zanak’olombelona.+ 32  “Koa ankehitriny, anaka, mihainoa ahy. Sambatra izay mandeha amin’ny lalako.+ 33  Mihainoa anatra, ka hendre,+ ary aza atao tsinontsinona ny anatra.+ 34  Sambatra ny olona mihaino ahy, ka miari-tory isan’andro eo am-baravarako, ary miambina eo amin’ny tolàm-baravarako.+ 35  Fa hahazo fiainana tokoa izay olona mahita ahy,+ sady hahazo sitraka amin’i Jehovah.+ 36  Fa izay tsy manana ahy kosa manao tsinontsinona ny ainy,+ ary izay rehetra te ho faty no mankahala mafy ahy.”+

Fanamarihana

Jereo Jb 28:18 f.a.p.
Na: “nateraka tao anatin’ny fanaintainana.”