Ohabolana 9:1-18

9  Nanorina ny tranony+ ny tena fahendrena,+ ka nipai-bato hanaovana ny andry fito amin’ilay trano.  Namono biby hatao sakafo izy, sy nanisy fangarony ny divainy, ary namelatra latabatra.+  Naniraka ny ankizivavy mpanompony izy mba hiantsoantso eny amin’ny toerana avo ao an-tanàna hoe:  “Mivilia atỳ izay tanora fanahy.”+ Hoy koa izy tamin’izay tsy ampy saina:*+  “Avia hihinana ny mofo arosoko, sy hisotro ny divay efa nasiako fangarony.+  Ilaozy ny tanora fanahy mba ho ela velona ianao.+ Ary mandehana amin’ny lalan’ny fahiratan-tsaina, ka aza mivilivily.”+  Manala baraka ny tenany izay manitsy ny mpaniratsira.+ Ary hanan-tsiny izay mananatra ny ratsy fanahy.+  Aza mananatra ny mpaniratsira sao ho halany ianao.+ Anaro kosa ny hendry dia ho tiany ianao.+  Ampianaro ny hendry dia vao mainka ho hendry.+ Omeo fahalalana ny marina dia hitombo ny zavatra hainy. 10  Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena,+ ary ny fahalalana an’Ilay Masina Indrindra no atao hoe fahiratan-tsaina.+ 11  Hahalava ny androm-piainanao aho,+ ary hahamaro ny taona iainanao.+ 12  Raha hendry ianao, dia ianao ihany no handray soa amin’ny fahendrenao.+ Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hizaka ny vokany, eny, ianao irery.+ 13  Be resaka ny vehivavy tsisy saina,+ mora ambakaina izy sady tsy mahalala na inona na inona.+ 14  Mipetraka eo ambony seza eo am-baravaran’ny tranony izy, eny amin’ny toerana avo ao an-tanànany,+ 15  mba hiantsoantso an’ireo mpandalo, dia ireo mandeha eny an-dalana. Miantsoantso izy hoe:+ 16  “Mivilia atỳ izay tanora fanahy!”+ Hoy koa izy tamin’izay tsy ampy saina:*+ 17  “Mamy ny rano nangalarina,+ ary tsara ny mofo hanina am-piafenana.”+ 18  Tsy fantatr’ilay olona anefa fa ny maty, izay tsy mahefa na inona na inona, no ao. Tsy fantany fa ireo olona nantsoin-dravehivavy dia any amin’ny toerana iva, izany hoe ny Fasana.*+

Fanamarihana

Jereo Oh 6:32 f.a.p.
Jereo Oh 6:32 f.a.p.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.