Romanina 14:1-23
14 Raiso tsara izay malemy+ finoana, fa aza mitsara ny fisalasalana ao anatiny.+
2 Ny iray manana finoana mamela azy hihinana ny zava-drehetra.+ Fa ilay malemy kosa tsy mihinana afa-tsy legioma.
3 Aoka izay mihinana tsy hanamavo an’izay tsy mihinana,+ ary aoka izay tsy mihinana tsy hitsara an’izay mihinana, fa Andriamanitra efa nandray tsara azy.
4 Fa iza moa ianao no hitsara ny mpiasa an-tranon’ny hafa?+ Eo anoloan’ny mpampiasa azy no ijoroany na ahalavoany.+ Eny tokoa, hajoro izy, fa afaka mampijoro azy i Jehovah.+
5 Ny iray mihevitra ny andro iray ho ambony noho ny hafa,+ fa ny iray kosa mihevitra izany ho toy ny andro rehetra ihany.+ Aoka àry ny tsirairay samy hatoky tanteraka ao an-tsainy ao.
6 Izay mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho voninahitr’i Jehovah. Ary izay mihinana dia mihinana ho voninahitr’i Jehovah,+ satria misaotra an’Andriamanitra izy.+ Ary izay tsy mihinana dia ho voninahitr’i Jehovah koa no tsy hihinanany,+ nefa misaotra an’Andriamanitra ihany izy.+
7 Tsy misy amintsika tokoa velona ho an’ny tenany fotsiny,+ ary tsy misy maty ho an’ny tenany fotsiny.
8 Fa raha velona isika, dia velona ho an’i Jehovah,+ ary raha maty isika, dia maty ho an’i Jehovah.+ Koa na velona isika na maty, dia an’i Jehovah.+
9 Fa ho amin’izany no nahafatesan’i Kristy sy nahavelomany indray,+ mba ho Tompon’ny maty+ sy ny velona+ izy.
10 Nahoana anefa ianao no mitsara ny rahalahinao?+ Ary nahoana koa ianao no manamavo ny rahalahinao? Fa samy hijoro eo anatrehan’ny fitsaran’Andriamanitra+ isika rehetra.
11 Fa voasoratra hoe: “‘Raha velona koa aho’, hoy i Jehovah,+ ‘dia izaho no handohalehan’ny lohalika rehetra, ary hanaiky ampahibemaso an’Andriamanitra ny lela rehetra.’”+
12 Koa samy hataon’Andriamanitra ampamoaka isika tsirairay avy.+
13 Noho izany, dia aoka isika tsy hifampitsara+ intsony, fa aoka kosa mba ho izao no fanapahan-kevitrareo:+ Ny tsy hametraka vato mahatafintohina+ na zavatra mahasolafaka eo anoloan’ny rahalahy.+
14 Mahafantatra sady miaiky ao amin’i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ka hoe ilay izy mihitsy no efa maloto.+ Fa rehefa heverin’ny olona ho maloto ny zavatra iray, vao maloto aminy izany.+
15 Fa raha ny sakafo no mahatonga ny rahalahinao halahelo, dia tsy manao zavatra araka ny fitiavana+ intsony ianao. Aza ny sakafo haninao no animbanao azy, fa efa maty hamonjy azy i Kristy.+
16 Koa aza avela hanaratsiana anareo àry ny tsara ataonareo.
17 Fa ny fanjakan’Andriamanitra+ dia tsy midika hoe fihinanana sy fisotroana,+ fa fahamarinana+ sy fihavanana+ ary fifaliana+ amin’ny alalan’ny fanahy masina kosa.
18 Fa izay manompo an’i Kristy amin’izany lafiny izany, dia ankasitrahan’Andriamanitra sady ankasitrahan’ny olona.+
19 Aoka àry isika hiezaka hampisy fihavanana+ sy hifampahery.+
20 Aza ravana intsony amin’izay sakafo ny asan’Andriamanitra.+ Marina fa madio ny zava-drehetra, nefa ratsy ho an’ny olona iray ny mihinana raha mahatafintohina izany.+
21 Tsara ny tsy mihinan-kena na misotro divay na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao.+
22 Izay zavatra inoanao, dia ampiharo amin’ny tenanao eo imason’Andriamanitra.+ Sambatra ny olona izay tsy manamelo-tena amin’ny fanapahan-keviny.
23 Fa raha misalasala izy, dia efa voaheloka sahady raha mihinana,+ satria tsy amim-pinoana no ihinanany. Fahotana tokoa mantsy izay rehetra tsy atao amim-pinoana.+