Romanina 15:1-33

15  Isika izay matanjaka anefa dia tokony hizaka ny fahalemen’izay tsy matanjaka,+ fa tsy hanao izay mahafaly ny tenantsika.+  Aoka isika samy hanao izay mahafaly ny namany amin’izay tsara, dia izay mampahery azy.+  Na i Kristy aza mantsy tsy nanao izay nahafaly ny tenany.+ Izany dia araka ny voasoratra hoe: “Mihatra amiko ny latsa nataon’ireo nandatsa anao.”+  Fa izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana+ ho fianarantsika,+ mba hananantsika fanantenana+ amin’ny alalan’ny fiaretantsika+ sy ny fampiononana+ avy ao amin’ny Soratra Masina.  Ilay Andriamanitra manome fiaretana sy fampiononana anie hahatonga anareo samy hanana ilay toe-tsaina+ mitovy amin’izay nananan’i Kristy Jesosy,  mba hiray saina+ ianareo ka ho vava iray ihany no hankalazanareo an’ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika!  Nandray tsara antsika i Kristy,+ koa mifandraisa tsara tahaka izany koa ianareo,+ ho voninahitr’Andriamanitra.  Ary lazaiko fa tena tonga mpanompon’izay+ voafora+ tokoa i Kristy, mba hanaporofoana fa marina Andriamanitra,+ sy mba hanamafisana ny fampanantenana+ nataony tamin’ny razan’izy ireo,  ary mba hankalazan’ny hafa firenena+ an’Andriamanitra noho ny famindram-pony,+ araka ny voasoratra hoe: “Koa izany no hanekeko anao ampahibemaso eo amin’ireo firenena sy hanaovako hira fiderana ho an’ny anaranao.”+ 10  Ary hoy koa Izy: “Mifalia ianareo hafa firenena sy ny vahoakan’Andriamanitra.”+ 11  Ary koa hoe: “Miderà an’i Jehovah, ry firenena rehetra, ary aoka hidera azy ny vahoaka rehetra.”+ 12  Ary hoy indray i Isaia: “Hisy fakan’i Jese,+ ary hisy hitsangana hitondra ny hafa firenena,+ ka izy no hantenain’ny hafa firenena.”+ 13  Ilay Andriamanitra manome fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra noho ny finoanareo, mba hitombo be ny fanantenanareo noho ny herin’ny fanahy masina!+ 14  Fa matoky ny aminareo koa aho, ry rahalahiko, hoe feno hatsaran-toetra koa ianareo, satria feno ny fahalalana rehetra ianareo.+ Matoky koa aho fa afaka mifananatra koa ianareo.+ 15  Manoratra aminareo amin’ny fomba mivantana kokoa momba ny zavatra sasany anefa aho, toy ny hoe mampahatsiahy+ anareo indray. Noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa nasehon’Andriamanitra tamiko no anaovako izany.+ 16  Nanehoana hatsaram-panahy mantsy aho mba ho tonga mpanompo ho an’ny besinimaro, eny, mpanompon’i Kristy Jesosy ho an’ny hafa firenena,+ ka hanao ilay asa masina momba ny vaovao tsaran’Andriamanitra.+ Amin’izay ireo hafa firenena dia ho fanatitra+ ankasitrahana+ izay hamasinina amin’ny alalan’ny fanahy masina.+ 17  Koa manana antony ifaliana ao amin’i Kristy Jesosy+ aho, raha ny amin’ny fanompoako an’Andriamanitra.+ 18  Fa tsy ho sahy hilaza na inona na inona aho, afa-tsy izay notanterahin’i Kristy tamin’ny alalako+ mba hankatoavan’ny hafa firenena.+ Eny, notanterahiny izany tamin’izay nolazaiko+ sy nataoko, 19  tamin’ny herin’ny famantarana sy zava-mahagaga,+ ary tamin’ny herin’ny fanahy masina, hany ka vitako tsara ny fitoriana ny vaovao tsara momba an’i Kristy,+ tany Jerosalema sy ny faritra rehetra hatrany Ilyrikiona.+ 20  Tamin’izany, dia nataoko ho tanjona tokoa ny tsy hitory ny vaovao tsara tany amin’izay efa nandrenesana ny anaran’i Kristy, mba tsy hanorenako eo ambonin’ny fototra efa napetraky ny hafa.+ 21  Izany dia araka ny voasoratra hoe: “Ireo tsy nilazana momba azy no hahita, ary ireo tsy nandre no hahafantatra.”+ 22  Koa voasakana imbetsaka tsy ho tonga tany aminareo aho.+ 23  Tsy manana faritany tsy voatory intsony anefa aho ankehitriny any amin’ireo faritra ireo, sady efa naniry mafy hatramin’ny taona maromaro ny ho any aminareo.+ 24  Koa rehefa ho any Espaina+ aho, dia manantena indrindra amin’ny diako ho any, ny hahita anareo sy ny haterinareo+ lavidavitra, rehefa mba avy miaraka kely aminareo. 25  Madiva ho any Jerosalema anefa aho izao mba hanompo ny olona masina.+ 26  Fa sitrak’ireo any Makedonia sy atỳ Akaia+ ny hizara ny fananany ka hanao fanomezana+ ho an’izay mahantra amin’ny olona masina any Jerosalema. 27  Marina fa sitrak’izy ireo ny hanao izany, nefa koa trosa tokony hefain’izy ireo aminy izany. Fa raha nahazo tamin’ny harena ara-panahin’ny+ olona masina ny hafa firenena, dia mba adidiny kosa ny manompo azy ka manome izay ilainy ara-nofo.+ 28  Koa rehefa vitako izany ka tongako tsara any amin’ny olona masina izany fanomezana izany,+ dia hiainga ho any Espaina+ aho ka handalo any aminareo. 29  Fantatro koa fa rehefa tonga any aminareo aho, dia hitondra fitahiana feno avy amin’i Kristy, ho anareo.+ 30  Koa mampirisika anareo aho, ry rahalahy, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin’ny fanahy,+ mba hiara-miezaka amiko ianareo hivavaka amin’Andriamanitra ho ahy,+ 31  mba hanafahana+ ahy amin’ireo tsy mpino any Jodia, ary mba hankasitrahan’ny olona masina+ any Jerosalema+ ilay fanompoana ataoko. 32  Amin’izay dia samy ho velombelona+ na izaho na ianareo rehefa tonga any aminareo amim-pifaliana aho, noho ny sitrapon’Andriamanitra. 33  Ho aminareo rehetra anie ilay Andriamanitry ny fiadanana!+ Amena.

Fanamarihana