Romanina 3:1-31
3 Inona àry no tombony ananan’ny Jiosy,+ ary inona no soa azo avy amin’ny famorana?+
2 Maro be tokoa amin’ny lafiny rehetra: Voalohany indrindra, dia izy ireo no nanankinana ny fanambarana masin’Andriamanitra.+
3 Koa ahoana àry? Raha nisy tsy naneho finoana,+ moa ve ny tsy finoany mety hahafoana ny tsy fivadihan’Andriamanitra?+
4 Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho hita fa marina+ ary ny olona rehetra kosa ho hita fa mpandainga,+ araka ny voasoratra hoe: “Mba ho hita fa marina ianao amin’izay lazainao, ary handresy rehefa tsaraina.”+
5 Raha mampiharihary ny fahamarinan’Andriamanitra+ anefa ny tsy fahamarinantsika, inona no holazaintsika? Tsy rariny ve ny ataon’Andriamanitra+ rehefa mampihatra ny fahatezerany izy?—Miteny toy ny fanaon’ny olona+ aho.—
6 Sanatria izany! Raha manao ny tsy rariny Andriamanitra, hataony ahoana no fitsara izao tontolo izao?+
7 Raha noho ny laingako anefa no nahatonga ny fahamarinan’Andriamanitra+ hisongadina kokoa ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota ihany?+
8 Ary maninona moa raha miteny hoe: “Andao hanao ratsy mba hiavian’ny soa”?+ Izany mantsy no fanendrikendrehana+ atao amintsika sy lazain’ny sasany fa tenenintsika. Ara-drariny+ ny fanamelohana+ an’ireny olona ireny.
9 Ahoana àry? Manana tombony ve isika raha oharina amin’ny hafa?+ Tsia dia tsia! Efa nohazavaintsika teo aloha hoe eo ambany fahefan’ny ota avokoa na ny Jiosy na ny Grika,+
10 araka ny voasoratra hoe: “Tsy misy olo-marina, na iray akory aza.+
11 Tsy misy manan-tsaina, ary tsy misy mitady an’Andriamanitra.+
12 Efa nivily ho amin’ny lalan-diso avokoa ny olona rehetra, ka samy tsy misy vidiny izy rehetra. Tsy misy manao izay tsara, na iray akory aza.”+
13 “Fasana misokatra ny tendany, ary ny lelany no amitahany.”+ “Poizin’ny bibilava no ao ambadiky ny molony.”+
14 “Feno ozona sy teny maharary ny vavany.”+
15 “Mailaka handatsa-dra ny tongony.”+
16 “Misy faharavana sy fahoriana eny amin’izay alehany,+
17 ary tsy fantany ny lalan’ny fiadanana.”+
18 “Tsy hitan’izy ireo izay antony tokony hatahorana an’Andriamanitra.”+
19 Fantatsika fa ny zava-drehetra lazain’ny Lalàna+ dia ho an’ireo eo ambanin’ny Lalàna, mba ho voatampina ny vava+ rehetra ary mba hiharan’ny sazy+ avy amin’Andriamanitra izao tontolo izao.+
20 Koa eo anatrehany, dia tsy hisy nofo hambara ho marina noho ny asan’ny lalàna,+ fa ny lalàna+ no ahafantarana marina tsara ny atao hoe ota.+
21 Araka izay nambaran’ny+ Lalàna+ sy ny Mpaminany+ anefa, dia aseho ankehitriny fa afaka ny ho tonga olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra+ ny olona, nefa tsy amin’ny alalan’ny fitandremana ny lalàna.
22 Eny, afaka ny ho tonga olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra izy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy,+ ary natao ho an’izay rehetra manam-pinoana+ izany, fa tsy misy fanavahana.+
23 Fa samy efa nanota ny rehetra+ ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.+
24 Toy ny fanomezana maimaim-poana+ anefa ny fanambarana azy ireo ho marina noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa,+ amin’ny alalan’ny fanafahana nentin’ny vidim-panavotana+ naloan’i Kristy Jesosy.
25 Fa natolotr’Andriamanitra ho fanatitra fampihavanana+ izy, ka ny finoana ny rany no ahazoana izany fampihavanana izany.+ Nanao izany Andriamanitra mba hanehoana ny fahamarinany, noho izy namela ny fahotana+ fahiny tamin’izy naneho fandeferana,+
26 sy mba hanehoana ny fahamarinany+ amin’izao fotoana izao, mba ho marina izy rehefa manambara fa marina+ ny olona mino an’i Jesosy.
27 Aiza àry ny fireharehana?+ Foana izany. Noho ny fanarahana+ ny lalàna ve?+ Tsia, fa noho ny lalàn’ny finoana.+
28 Mihevitra isika fa ambara hoe marina ny olona noho ny finoany, fa tsy noho ny asan’ny lalàna.+
29 Andriamanitry ny Jiosy ihany ve izy?+ Tsy Andriamanitry ny hafa firenena koa ve izy?+ Eny, an’ny hafa firenena koa,+
30 raha iray ihany tokoa Andriamanitra,+ izay hanambara fa marina ny voafora,+ noho ny finoany, ary hanambara fa marina ny tsy voafora,+ noho ny finoany ihany koa.
31 Foanantsika amin’ny finoantsika àry ve ny lalàna?+ Sanatria izany! Vao mainka kosa aza ataontsika mafy orina izy io.+