Romanina 4:1-25
4 Raha izany àry, inona no holazaintsika momba an’i Abrahama, razantsika+ ara-nofo?
2 Raha nambara fa marina noho izay nataony izy,+ ohatra, dia ho nanana antony nireharehana, saingy tsy afaka nirehareha teo imason’Andriamanitra izy.
3 Fa inona no voalaza ao amin’ny Soratra Masina? “I Abrahama naneho finoana an’i Jehovah, ka nekena ho isan’ny olo-marina izy.”+
4 Ho an’izay miasa,+ dia tsy mba hatsaram-panahy tsy manam-paharoa ny karama,+ fa trosa aloa aminy.+
5 Etsy an-danin’izany, ho an’izay tsy manao asa nefa mino+ kosa, dia raisina ho fahamarinany ny finoany an’ilay manambara ny ratsy fanahy ho marina.+
6 I Davida koa nilaza fa sambatra izay olona heverin’Andriamanitra ho marina na dia tsy vokatry ny zavatra nataony aza. Hoy izy:
7 “Sambatra izay voavela ny helony,+ ary voasarona ny fahotany.+
8 Sambatra ny olona izay tsy hisain’i Jehovah mihitsy ny fahotany.”+
9 Ho an’ny voafora ihany àry ve izany fahasambarana izany sa ho an’ny tsy mifora koa?+ Hoy mantsy isika: “Nekena ho isan’ny olo-marina i Abrahama noho ny finoany.”+
10 Ahoana àry no nisehoan’izany? Fony izy efa voafora sa fony izy mbola tsy voafora?+ Tsy fony izy efa voafora, fa fony izy mbola tsy voafora.
11 Ary nahazo famantarana+ izy, dia ny famorana, ho tombo-kasen’ny fahamarinana noho ny finoana nananany fony izy mbola tsy voafora. Eny, nahazo ilay famantarana izy mba hahatongavany ho rain’izay+ rehetra manam-pinoana+ nefa tsy voafora, ka hanekena an’ireny ho isan’ny olo-marina,
12 ary mba hahatongavany ho rain’ny taranaka voafora, izany hoe tsy ireo mifikitra amin’ny famorana ihany, fa ireo mitondra tena tsara mifanaraka amin’ny finoana nananan’i Abrahama raintsika+ koa, fony izy mbola tsy voafora.
13 Ary tsy ny lalàna, fa ny fahamarinana noho ny finoana,+ no nahazoan’i Abrahama na ilay taranany ny fampanantenana+ handova tontolo iray.
14 Fa raha izay mifikitra amin’ny lalàna no mpandova, dia ho efa natao tsinontsinona ny finoana, ary ho efa nofoanana ny fampanantenana.+
15 Mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra tokoa mantsy ny Lalàna.+ Fa rehefa tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna.+
16 Koa noho ny finoana no nahazoany ilay fampanantenana, araka ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa,+ mba ho azo antoka ilay fampanantenana+ ho an’ny taranany manontolo,+ izany hoe tsy ireo mifikitra amin’ny Lalàna ihany, fa ireo mifikitra amin’ny finoan’i Abrahama koa. Ary raintsika+ rehetra izy,
17 araka ny voasoratra hoe: “Notendreko ho rain’ny firenena maro ianao.”+ Izany dia teo anatrehan’Ilay ninoany, dia Andriamanitra izay mamelona ny maty+ ary miantso ny zavatra tsy misy ho toy ny misy.+
18 Nanantena i Abrahama, na dia toa tsy nisy azony nantenaina intsony aza, ka nino+ fa mety ho tonga rain’ny firenena maro izy,+ araka izay voalaza hoe: “Ho tahaka izany ny taranakao.”+
19 Ary na dia tsy nihanalemy aza ny finoany, dia noeritreretiny ihany ny vatany izay toy ny efa maty,+ satria efa zato taona+ teo ho eo. Noeritreretiny koa ny kibon’i Saraha, izay kibo efa maty.+
20 Efa nampanantena+ anefa Andriamanitra, ka tsy nisalasala noho ny tsy finoana+ i Abrahama, fa nanjary nahazo hery kosa noho ny finoany.+ Koa nanome voninahitra an’Andriamanitra izy,
21 ary niaiky tanteraka fa hain’Andriamanitra tanterahina izay nampanantenainy.+
22 Koa “nekena ho isan’ny olo-marina izy.”+
23 Tsy ho azy ihany anefa no nanoratana+ hoe: “Nekena ho isan’ny+ olo-marina izy”,
24 fa ho antsika koa. Eny, natao ho antsika koa izany, satria mino an’ilay nanangana an’i Jesosy Tompontsika tamin’ny maty+ isika.
25 Fa natolotra ho faty noho ny helotsika izy,+ ary natsangana tamin’ny maty mba hanambarana fa marina isika.+