Romanina 9:1-33
9 Milaza ny marina+ ao amin’i Kristy aho. Tsy mandainga aho,+ satria na ny feon’ny fieritreretako na ny tenako dia samy vavolombelona araka ny fanahy masina,
2 fa malahelo mafy sy ory foana aho ato am-poko+ ato.
3 Fa iriko raha izaho no ho tafasaraka amin’i Kristy ka ho voaozona ho solon’ireo rahalahiko,+ eny, ireo havako araka ny nofo,+
4 dia ny Israelita.+ Izy ireo no natsangana ho zanaka,+ sy nomena voninahitra,+ nanaovana ny fifanekena,+ ary nomena ny Lalàna+ sy ny fanompoana masina+ ary ny fampanantenana.+
5 Izy ireo koa no taranak’ireo razambe,+ ary avy amin’izy ireo no nipoiran’i Kristy araka ny nofo.+ Hisaorana mandrakizay anie Andriamanitra,+ izay ambonin’ny rehetra! Amena.
6 Tsy toy ny hoe foana anefa ny tenin’Andriamanitra.+ Fa tsy izay rehetra avy amin’ny Israely no tena “Israely.”+
7 Ary tsy hoe zanaka avokoa izy ireo na dia taranak’i Abrahama aza,+ fa voasoratra hoe: “Amin’ny alalan’i Isaka no hiavian’ilay hantsoina hoe ‘taranakao.’”+
8 Izany hoe, tsy ny zanaka ao amin’ny nofo+ no tena zanak’Andriamanitra,+ fa ny zanaky ny fampanantenana+ no heverina ho taranaka.
9 Fa toy izao ilay teny fampanantenana: “Ho avy aho amin’ny herintaona toy izao, ary hanan-janakalahy i Saraha.”+
10 Tsy tamin’izay ihany anefa ilay fampanantenana fa tamin’i Rebeka niteraka kambana+ tamin’ny lehilahy iray koa, izay tsy iza fa i Isaka razantsika:
11 Fa fony mbola tsy teraka ireo kambana ary mbola tsy nanao tsara na ratsy,+—mba hiankina mandrakariva amin’Ilay miantso,+ fa tsy amin’izay ataon’ny olona, ny fikasan’Andriamanitra momba ny fifidianana azy ireo,—
12 dia izao no nolazaina tamin’i Rebeka: “Ny zokiny hanompo ny zandriny”,+
13 araka ny voasoratra hoe: “Tiako i Jakoba, fa i Esao kosa halako.”+
14 Inona àry no holazaintsika? Misy tsy rariny ve amin’Andriamanitra?+ Sanatria izany!
15 Fa hoy izy tamin’i Mosesy: “Hamindra fo amin’izay hamindrako fo aho, ary hangoraka an’izay hangorahako.”+
16 Koa tsy miankina amin’izay maniry na amin’izay mihazakazaka àry izany, fa miankina kosa amin’Andriamanitra+ izay mamindra fo.+
17 Fa hoy ny Soratra Masina momba an’i Farao: “Noho izao indrindra no mbola namelako anao ho velona: Mba ho amin’ny alalanao no hampisehoako ny heriko, ary mba hambara eran-tany ny anarako.”+
18 Koa izay tiany hamindrana fo àry no amindrany fo,+ ary izay tiany havela ho mafy hatoka no avelany ho mafy hatoka.+
19 Hilaza amiko àry ianao hoe: “Nahoana izy no mbola manome tsiny ihany? Fa iza no nahatohitra ny sitrapony voambara mazava?”+
20 Fa iza tokoa moa ianao, ralehilahy,+ no hamalivaly an’Andriamanitra?+ Izay novolavolaina ve hilaza amin’ilay namolavola azy hoe: “Nahoana ianao no nanao ahy toy izao?”+
21 Fa ny mpanefy tanimanga+ angaha moa tsy manana fahefana amin’ny tanimanga, ka vongan-tanimanga iray ihany no hanaovany zavatra iray hohajaina ary iray tsy hohajaina?+
22 Ahoana raha toa Andriamanitra ka nandefitra sy be fahari-po tamin’ny fanaky ny fahatezerana izay mendrika haringana, na dia te hampiseho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza izy?+
23 Ahoana raha nanao izany izy mba hampahafantarany ny harenan’ny+ voninahiny amin’ny fanaky+ ny famindram-po, izay nomaniny mialoha hahazo voninahitra,+
24 dia isika izay nantsoiny, tsy avy tamin’ny Jiosy ihany, fa avy tamin’ny hafa firenena+ koa?
25 Izany dia araka ny nolazainy koa ao amin’ny bokin’i Hosea hoe: “Izay tsy oloko+ no hantsoiko hoe ‘oloko’, ary ilay tsy malala no hantsoiko hoe ‘malala’,+
26 ary any amin’izay nilazana tamin’izy ireo hoe: ‘Tsy oloko ianareo’, no hiantsoana azy ireo hoe: ‘Zanak’ilay Andriamanitra velona.’”+
27 Tsy izay ihany fa izao koa no antsoantson’i Isaia momba ny Israely: “Na dia mety ho toy ny fasika any an-dranomasina+ aza ny isan’ny zanak’Israely, dia ny sisa tavela no hovonjena.+
28 Fa i Jehovah dia hanao ampamoaka ny velona eto an-tany, ka hamita izany haingana.”+
29 Araka ny nambaran’i Isaia mialoha koa hoe: “Raha tsy i Jehovah Tompon’ny tafika+ no namela taranaka ho antsika, dia ho efa tonga tahaka an’i Sodoma isika, ary ho efa natao tahaka an’i Gomora.”+
30 Inona àry no holazaintsika? Fa na tsy nikatsaka ny fahamarinana aza ny hafa firenena, dia nahatratra ny fahamarinana,+ izany hoe ilay fahamarinana avy amin’ny finoana.+
31 Fa ny Israely kosa, na nikatsaka lalàn’ny fahamarinana aza, dia tsy nahatanteraka ny lalàna.+
32 Fa nahoana? Satria tsy tamin’ny finoana no nikatsahany azy, fa tamin’izay nataony.+ Tafintohina izy ireo noho ilay “vato mahatafintohina”,+
33 araka ny voasoratra hoe: “Mametraka vato+ mahatafintohina sy vatolampy mahalavo+ ao Ziona aho, nefa tsy ho diso fanantenana izay mino azy io.”+