Rota 2:1-23

2  Nanana havana+ avy amin’ny fianakavian’i Elimeleka vadiny i Naomy. Boaza+ no anarany, ary mpanankarem-be+ ralehilahy.  Rehefa nandeha ny fotoana, dia hoy i Rota Moabita tamin’i Naomy: “Aoka re aho hankany an-tsaha, mba hitsimpona ny salohim-bary avelan’izay+ olona hahazoako sitraka.” Koa hoy i Naomy: “Mandehana, anaka!”  Dia lasa tany an-tsaha izy, ka nitsimpona izay navelan’ny mpijinja.+ Ary sendrasendra no nahatongavany teo amin’ny zaran-tanin’i Boaza,+ ilay avy amin’ny fianakavian’i Elimeleka.+  Ary tonga avy tany Betlehema i Boaza, ka hoy izy tamin’ireo mpijinja: “Homba anareo anie i Jehovah!”+ Dia namaly ireo hoe: “Hitahy anao anie i Jehovah!”+  Ary hoy i Boaza+ tamin’ilay tovolahy nasaina niandraikitra ny mpijinja: “Havan’iza io tovovavy io?”  Koa hoy ilay tovolahy: “Tovovavy moabita+ niara-nody tamin’i Naomy avy tany ambanivohitr’i Moaba+ io.  Nangataka izy hoe: ‘Mba avelao re aho hitsimpona izay navelan’ny mpijinja,+ ka hanangona ny salohim-bary eny anelanelan’ny amboara e!’ Koa niditra teto izy ary tsy nipetraka mihitsy nanomboka tamin’izay, eny, hatramin’ny maraina ka hatramin’izao izy mipetraka kely ao an-trano izao.”+  Avy eo, dia hoy i Boaza tamin’i Rota: “Henoy aho, anaka: Aza mitsimpona any amin’ny saha hafa+ na miampita ho any amin’ny toeran-kafa. Amin’izay ianao dia ho eo akaikin’ireo tovovavy mpanompoko foana.+  Ary jereo izay saha hojinjain’izy ireo, ka miaraha aminy. Efa nandidy an’ireo tovolahy aho mba tsy hikasikasika+ anao. Mankanesa eo amin’ireo fitoeran-drano rehefa mangetaheta ianao, dia misotroa amin’ny rano hantsakain’ireo tovolahy.”+ 10  Koa niondrika i Rota ka niankohoka tamin’ny tany,+ ary niteny taminy hoe: “Ahoana no mba nahazoako sitraka teo imasonao, ka niahinao ahy, nefa aho hafa firenena?”+ 11  Dia hoy i Boaza: “Efa nolazaina+ tamiko daholo izay nataonao tamin’ny rafozambavinao taorian’ny nahafatesan’ny vadinao,+ ary koa ny nandaozanao ny rainao sy ny reninao ary ny tany misy ny havanao, ka nandehananao atỳ amin’ny firenena tsy fantatrao akory.+ 12  Hamaly soa ny nataonao anie i Jehovah,+ ary hahazo valisoa+ tonga lafatra avy amin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely anie ianao! Teo ambany elany mantsy ianao no tonga nitady fialofana.”+ 13  Dia hoy i Rota: “Aoka hahazo sitraka aminao aho, tompoko, fa nampaherezinao aho ary nomenao toky ny mpanompovavinao,+ na dia tsy toy ny anankiray amin’ny mpanompovavinao akory aza aho.”+ 14  Tamin’ny fotoam-pisakafoana, dia hoy i Boaza taminy: “Avia! Mihinàna mofo,+ ary atsobohy ao anaty vinaingitra ny sombi-mofonao.” Koa nipetraka teo anilan’ny mpijinja i Rota. Ary notoloran’i Boaza voam-bary natono+ izy dia nihinana ka voky, nefa mbola nisy tsy laniny. 15  Avy eo dia nitsangana izy mba hitsimpona salohim-bary.+ Ary nandidy an’ireo tovolahy mpanompony i Boaza hoe: “Avelao izy hitsimpona ny salohim-bary eny anelanelan’ny amboara. Ary aza manadala+ azy. 16  Sintony hiala amin’ny amboara koa aza ny salohim-bary sasany, ka avelao eny hotsimponiny.+ Ary aza bedesina izy.” 17  Ary nitsimpona izay navelan’ny mpijinja teny an-tsaha i Rota, mandra-paharivan’ny andro.+ Dia nively+ izay avy notsimponiny izy, ka nahazo vary orza tokony ho iray efaha.*+ 18  Nentiny tany an-tanàna izany ka hitan’ny rafozambaviny. Avy eo dia nalain’i Rota ilay sakafo tsy laniny+ tamin’izy voky, ka nomeny azy. 19  Ary hoy ny rafozambaviny: “Taiza ianao no nitsimpona androany, ary taiza ianao no niasa? Hotahina anie ilay niahy anao!”+ Koa nolazain’i Rota taminy hoe tany amin’iza izy no niasa. Hoy koa izy: “Boaza no anaran’ilay lehilahy niasako androany.” 20  Dia hoy i Naomy tamin’ny vinantovaviny: “Hitahy azy anie i Jehovah,+ izay tsy nitsahatra naneho hatsaram-panahy feno fitiavana+ tamin’ny velona sy ny maty!”+ Ary hoy koa i Naomy: “Havantsika izay lehilahy izay,+ ary anisan’ny mpanavotra+ antsika.” 21  Dia hoy i Rota Moabita: “Nilaza tamiko koa izy hoe: ‘Tokony ho eo akaikin’ireo zatovoko foana ianao mandra-pahavitan’izy ireo ny fijinjana ny vokatro rehetra.’”+ 22  Koa hoy i Naomy+ tamin’i Rota vinantovaviny:+ “Aleo ianao, anaka, miara-mivoaka amin’ireo tovovavy mpanompony, mba tsy hanorisory anao ny olona any amin’ny saha hafa.”+ 23  Ary tsy niala teo akaikin’ireo tovovavy mpanompon’i Boaza mihitsy i Rota rehefa nitsimpona izay navelan’ny mpijinja, mandra-pahatapitry ny fijinjana vary orza+ sy ny fijinjana varimbazaha. Ary niara-nonina tamin’ny rafozambaviny foana izy.+

Fanamarihana

22 litatra eo ho eo.