Rota 3:1-18
3 Ary hoy i Naomy rafozambaviny taminy: “Tsy tokony hitady tokantrano hiadananao+ ve aho, anaka, mba hampety tsara ny fiainanao?
2 Tsy havantsika moa i Boaza,+ ilay tompon’ireo tovovavy niarahanao? Hikororoka+ vary orza eny am-pamoloana izy anio alina.
3 Koa mandroa ary hosory menaka ny tenanao,+ dia anaovy ny akanjonao ivelany+ ka midìna eny am-pamoloana. Aza atao fantany ianao raha tsy efa avy mihinana sy misotro izy.
4 Rehefa hatory izy, dia fantaro izay toerana hatoriany ka mankanesa eny, ary esory ny lamba mandrakotra ny tongony. Dia matoria eo, fa izy no hilaza aminao izay tokony hataonao.”
5 Dia hoy i Rota: “Hataoko daholo izay lazainao amiko.”
6 Koa nidina teny am-pamoloana izy, ka nanao araka izay rehetra nasain’ny rafozambaviny nataony.
7 Nihinana sy nisotro i Boaza tamin’izay, ka faly ny fony.+ Dia nandeha natory teny an-tsisin’ny antontam-bary izy. Ary nitsaitsaika i Rota, ka nesoriny ny lamba nandrakotra ny tongotr’i Boaza. Dia natory teo izy.
8 Rehefa nisasaka anefa ny alina, dia nangovitra ralehilahy. Koa niarina nipetraka izy, kanjo vehivavy natory teo an-tongony no hitany!
9 Dia hoy izy: “Fa iza ianao?” Ary hoy ravehivavy: “I Rota mpanompovavinao ihany ity! Mba rakofy amin’ny morontongotr’akanjonao ny mpanompovavinao, satria mpanavotra+ ianao.”
10 Dia hoy i Boaza: “Hotahin’i Jehovah anie ianao,+ anaka! Fa tsara kokoa noho ilay tamin’ny voalohany+ izao fomba anehoanao hatsaram-panahy feno fitiavana+ izao, satria ianao tsy nanaraka ny tovolahy, na mahantra izy na manankarena.
11 Izao àry, anaka: Aza matahotra, fa hataoko aminao daholo izay lazainao.+ Fantatr’izay rehetra eo am-bavahadin’ny fireneko mantsy fa tena vehivavy tsara+ tokoa ianao.
12 Marina aloha fa mpanavotra+ tokoa aho, kanefa mbola misy mpanavotra akaiky kokoa noho izaho.+
13 Koa mijanòna eto anio alina. Ary amin’ny maraina, raha hanavotra+ anao izy, dia tsara izany! Aoka izy no hanavotra. Raha tsy te hanavotra anao izy, dia izaho no hanavotra anao, raha mbola velona koa i Jehovah.+ Fa matoria ihany aloha mandra-paharainan’ny andro.”
14 Dia natory teo an-tongony izy mandra-paharainan’ny andro. Ary niarina izy raha mbola maizimaizina tsy ahafantarana olona. Ary hoy ralehilahy: “Aoka tsy hisy hahalala hoe nisy vehivavy tonga teto am-pamoloana.”+
15 Hoy koa izy: “Ento atỳ iny akanjo ivelany eny aminao iny, ka hazòny hivelatra.” Dia nataon’i Rota izany. Koa namatra vary orza inenin’ny famarana i Boaza, ka nampilolohaviny an’i Rota. Ary lasa nankany an-tanàna i Boaza nony avy eo.
16 I Rota kosa lasa nankany amin’ny rafozambaviny. Ary hoy io taminy: “Iza ianao, anaka?” Dia nolazain’i Rota taminy avokoa izay nataon-dralehilahy ho azy.
17 Hoy koa izy: “Ireto vary orza inenin’ny famarana ireto no nomeny ahy, fa hoy izy tamiko: ‘Aza mitondra tanam-polo any amin’ny rafozambavinao.’”+
18 Dia hoy i Naomy: “Mijanòna amin’izay, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiafaran’ny raharaha, fa tsy hipetrapetraka mihitsy ralehilahy raha tsy voalaminy anio ihany io raharaha io.”+