Salamo 1:1-6

1  Sambatra+ ny olona tsy mandeha araka ny torohevitry ny ratsy fanahy,+Sy tsy mijoro eny amin’ny lalan’ny mpanota,+Ary tsy mipetraka eny amin’izay ipetrahan’ny mpaneso.+   Fa ny lalàn’i Jehovah no mahafinaritra azy,+Eny, ny lalàny no vakiny moramora andro aman’alina.+   Ho toy ny hazo nambolena eo amoron’ny rano mikoriana izy,+Dia hazo mamoa amin’ny fotoanany,+Ary tsy mba malazo ny raviny.+Hahomby daholo izay ataony.+   Tsy mba toy izany kosa ny ratsy fanahy,Fa toy ny akofa entin’ny rivotra.+   Izany no mahatonga ny ratsy fanahy tsy hahajoro eo anatrehan’ny fitsarana,+Sy mahatonga ny mpanota tsy hahajoro eo anivon’ny olo-marina.+   Fantatr’i Jehovah mantsy ny lalan’ny olo-marina,+Fa ny lalan’ny ratsy fanahy kosa ho foana.+

Fanamarihana