Salamo 10:1-18

ל [Lameda] 10  Nahoana ianao no mijoro eny lavitra eny, Jehovah ô?+Nahoana no miafina ianao, amin’ny fotoam-pahoriana?+   Mihevi-tena ho ambony ny ratsy fanahy ka enjehiny mafy ny ory.+Voafandriky ny tetika nataony izy ireo.+   Midera tena ny ratsy fanahy noho ny faniriany feno fitiavan-tena,+Ary mirehareha ny olona mahazo tombony tafahoatra.+נ [Nona] Maniratsira an’i Jehovah izy.+   Mihevi-tena ho ambony ny ratsy fanahy ka tsy mba manadihady,+Izao ihany no ao an-tsainy: “Tsy misy izany Andriamanitra izany.”+   Mahomby foana izay ataony.+Avo tsy takatry ny sainy ny didim-pitsaranao.+Hamavoiny izay rehetra mankahala azy.+   Hoy izy anakampo: “Tsy mba hangozohozo aho.+Tsy hisy loza hanjo ahy, hatrany amin’ny taranako fara mandimby.”+ פ [Pe]   Feno ozona sy fitaka ary fampijaliana ny vavany,+Ary fampahoriana sy faharatsiana no ao ambany lelany.+   Mamitsaka ao amin’ny toeram-piafenana ao an-tanàna izy,Ary avy ao amin’ny takona no hamonoany ny tsy manan-tsiny.+ע [Aina] Ny masony mitily ny ory.+   Mamitsaka ao amin’ny takona izy, toy ny liona ao amin’ny fiereny.+Eny, mamitsaka izy+ mba haka an-keriny ny ory.Sintoniny hikombona ny haratony, ka alainy an-keriny ireny.+ 10  Torotoro sy mitanondrika ny ory.Ary lasa eo ambany vahohon’ny ratsy fanahy ireo kivy maro be.+ 11  Hoy izy anakampo:+ “Efa nanadino Andriamanitra.+Efa nanafina ny tavany izy.+Tsy ho hitany mihitsy izany.”+ ק [Kôfa] 12  Mitsangàna,+ Jehovah ô! Aoka ianao hanainga ny tananao+ Andriamanitra ô!Aza hadinoina ny ory.+ 13  Nahoana no maniratsira an’Andriamanitra ny ratsy fanahy?+Hoy izy anakampo: “Tsy hanao ampamoaka ianao.”+ ר [Resa] 14  Hitanao ny fahoriana sy ny alahelo,Ary jerenao izany ka raisinao an-tanana.+Ianao no ianteheran’ny ory+ sy ny kamboty ray.Ianao no mpanampy azy.+ ש [Shina] 15  Tapaho ny sandrin’ny ratsy fanahy sy ny olon-dratsy.+Karohy ny faharatsiany, ka aza mijanona raha tsy efa tsy mahita intsony.+ 16  I Jehovah dia Mpanjaka mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.+Ringana tsy ho amin’ny tany ireo firenena.+ ת [Tao] 17  Handre ny fitalahoan’ny mpandefitra ianao+ Jehovah ô,Ary hampiomana ny fony.+Hanongilan-tsofina hihaino ianao,+ 18  Ka hanome rariny ho an’ny kamboty ray sy ny torotoro fo,+Mba tsy hampangovitra ny hafa intsony ny olombelona mety maty, eny, ny olona etỳ an-tany.+

Fanamarihana