Salamo 100:1-5

Hira fisaorana.+ 100  Manaova horakora-pandresena ho an’i Jehovah, ry mponin’ny tany manontolo.+   Manompoa an’i Jehovah amim-pifaliana.+Mankanesa eo anatrehany amim-pihobiana.+   Aoka ho fantatrareo fa i Jehovah no Andriamanitra.+Izy no nanao antsika, fa tsy ny tenantsika.+Olony sy ondry ao an-kijanany isika.+   Midira eo am-bavahadiny mba hisaotra azy,+Ary eo an-tokotaniny mba hidera azy.+Misaora azy, ka derao ny anarany.+   Fa tsara i Jehovah.+Mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana,+Ary maharitra hatramin’ny taranaka fara mandimby ny tsy fivadihany.+

Fanamarihana