Salamo 101:1-8

Hiran’i Davida. 101  Hihira momba ny hatsaram-panahy feno fitiavana sy ny rariny aho.+Hihira fiderana ho anao aho, Jehovah ô!+   Ho malina sy handeha tsy misy tsiny aho.+Rahoviana ianao no hitsinjo ahy?+Handeha amin’ny fahitsian’ny foko aho ao an-tranoko.+   Tsy hamela zava-poana ho eo anoloan’ny masoko aho.+Halako ny zavatra ataon’ireo miala amin’ny lala-mahitsy.+Tsy avelako hahakasika ahy izany.+   Manalavitra ahy ny olona tsy mahitsy fo.+Tsy te hiditriditra amin-javatra ratsy aho.+   Ataoko tsy mahateny intsony+Izay olona manendrikendrika mangingina ny namany.+Tsy zakako+Izay olona manana maso miandranandrana sy fo mirehareha.+   Hijery an’izay olona mendri-pitokisana eto an-tany ny masoko+Mba hiara-monina amiko.+Izay mandeha tsy misy tsiny+No ho tonga mpanompoko.+   Tsy hisy mpamitaka havelako hipetraka ao an-tranoko.+Ary ny mpandainga tsy havelako hijanona+Eo anoloan’ny masoko.+   Isa-maraina, dia hataoko tsy afa-miteny intsony ny ratsy fanahy rehetra eto an-tany,+Mba horinganina tsy ho ao an-tanànan’i+ Jehovah ny mpanao ratsy rehetra.+

Fanamarihana