Salamo 102:1-28

Vavaky ny ory raha mihareraka izy, ka mamboraka ny zavatra mampanahy azy eo anatrehan’i Jehovah.+ 102  Henoy ny vavaka ataoko, Jehovah ô!+Ho tonga any aminao anie ny antsoko, rehefa miantso vonjy aho!+   Aza manafina ny tavanao amiko amin’ny andro ahitako fahoriana.+Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino ahy.+Aza ela, fa valio aho amin’ny andro iantsoako anao.+   Fa miserana toy ny setroka ny androko,+Ary mena mivaivay toy ny fatana ny taolako.+   Toy ny ahitra nodanihin’ny hainandro ny foko ka malazo,+Fa hadinoko na dia ny mihinan-kanina aza.+   Noho ny fisentoako,+Dia taolana mifono hoditra sisa aho.+   Tahaka ny gisandrano any an-tany efitra aho,+Ary toy ny vorondolo any amin’ny tanàna aolo.   Lasa mahia kaozatra aho,Sady toy ny vorona manirery eny an-tampon-trano.+   Mandatsa ahy foana ny fahavaloko.+Ary manozona olona amin’ny anarako ireo maneso ahy.+   Fa lavenona no hohaniko toy ny mofo,+Ary mifangaro ranomaso ny zavatra sotroiko,+ 10  Noho ny fanamelohanao sy ny fahatezeranao.+Fa ningainao aho ary natsipinao.+ 11  Toy ny aloka madiva hanjavona ny androko,+Ary malazo toy ny ahitra aho.+ 12  Fa ianao kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra, Jehovah ô,+Ary ny fahatsiarovana anao haharitra hatramin’ny taranaka fara mandimby.+ 13  Hitsangana ianao ka hamindra fo amin’i Ziona,+Satria izao no fotoana hankasitrahana azy,Fa tonga ny fotoana voatondro.+ 14  Mahafinaritra an’ireo mpanomponao mantsy ny vato teo aminy,+Ary tian’izy ireo ny vovo-taniny.+ 15  Hatahotra ny anaran’i Jehovah ny firenena.+Hatahotra ny voninahitrao daholo koa ny mpanjakan’ny tany.+ 16  Fa hanorina an’i Ziona tokoa i Jehovah.+Hiseho amim-boninahitra Izy.+ 17  Hihaino ny vavak’ireo tsy manana na inona na inona intsony Izy,+Ary tsy hanamavo ny vavak’izy ireo.+ 18  Soratana ho an’ny taranaka ho avy izany.+Ary hidera an’i Jah ny firenena mbola hoforonina.+ 19  Fa mitazana avy eny amin’ny toerana avo sy masina misy azy izy,+Avy any an-danitra i Jehovah no mijery ny tany,+ 20  Mba hihaino ny senton’ny voafonja,+Sy hanafaka an’ireo voaheloka ho faty.+ 21  Amin’izay dia hambara any Ziona ny anaran’i Jehovah,+Ary hambara any Jerosalema ny fiderana azy,+ 22  Rehefa voangona daholo ireo firenena+Sy fanjakana mba hanompo an’i Jehovah.+ 23  Vao eny an-tsasa-dalana aho, dia efa nahenany ny heriko,+Ary nohafoheziny ny androm-piainako.+ 24  Dia hoy aho: “Andriamanitro ô,Aza esorina ny aiko fa vao misasaka ny androm-piainako.+Ny taonanao kosa maharitra hatramin’ny taranaka fara mandimby.+ 25  Efa hatramin’ny ela ianao no nametraka ny fototry ny tany,+Ary asan’ny tananao ny lanitra.+ 26  Ho levona ireo fa ianao kosa haharitra,+Ary ho tonta toy ny akanjo ireo rehetra ireo.+Hosoloanao toy ny fitafiana ireo, ka hifarana hatreo ny aminy.+ 27  Fa ianao kosa tsy miova, ary ny taonanao tsy hisy farany.+ 28  Hiorim-ponenana ny zanaky ny mpanomponao,+Ary haharitra eo anatrehanao ny taranany.”+

Fanamarihana