Salamo 103:1-22

Nataon’i Davida. 103  Aoka aho hidera an’i Jehovah!+Ary aoka izay rehetra ato anatiko hidera ny anarany masina.+   Aoka aho hidera an’i Jehovah!Aza hadinoina izay rehetra nataony.+   Fa izy no mamela ny fahadisoanao rehetra,+Sy manasitrana ny aretinao rehetra.+   Izy koa no manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka,+Sy manome anao satroboninahitra, dia hatsaram-panahy sy famindram-po,+   Ary manao izay hahafa-po anao amin’ny zava-tsoa maro, mandritra ny androm-piainanao.+Mihavao hatrany ny fahatanoranao toy ny an’ny voromahery.+   Mampihatra ny rariny i Jehovah,+Ary mamoaka didim-pitsarana hahasoa an’izay rehetra nambakaina.+   Nampahafantariny an’i Mosesy ny lalany,+Ary nolazainy tamin’ny zanak’Israely ny zavatra nataony.+   Mamindra fo sy tsara fanahy i Jehovah,+Tsy mora tezitra sady be hatsaram-panahy feno fitiavana.+   Tsy hamerimberina hanameloka antsika foana noho ny fahadisoantsika izy,+Na hanao an-dolompo mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ 10  Tsy mamaly antsika araka ny fahotantsika izy,+Na mamaly ny fahadisoantsika araka izay tokony ho sahaza antsika.+ 11  Fa toy ny haavon’ny lanitra raha oharina amin’ny tany+Ny haben’ny hatsaram-panahy feno fitiavana asehony amin’izay matahotra azy.+ 12  Fa toy ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana,*+No anesorany ny fahotantsika ho lavitra antsika.+ 13  Toy ny iantran’ny ray ny zanany+No iantran’i Jehovah an’izay matahotra azy.+ 14  Fa fantany tsara ny nanaovana antsika,+Ary tsaroany fa vovoka ihany isika.+ 15  Mihelina toy ny ahi-maitso ny androm-piainan’ny olombelona mety maty.+Mamony izy, nefa vetivety ihany toy ny voninkazo eny an-tsaha.+ 16  Vao tsofin’ny rivotra fotsiny izy dia efa tsy eo intsony,+Ary tsy hahalala azy intsony izay toerana nisy azy.+ 17  Ny hatsaram-panahin’i Jehovah kosa anefa efa hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay+Ho an’izay matahotra azy,+Ary ny fahamarinany dia maharitra hatramin’ny taranaka fara mandimby+ 18  Ho an’izay manaja ilay fifanekena nataony+Sy ho an’izay tsy manadino ny didiny mba hitandremany izany.+ 19  Nataon’i Jehovah mafy orina any an-danitra ny seza fiandrianany,+Ary eo ambany fifehezan’ny fanjakany ny zava-drehetra.+ 20  Derao i Jehovah, ry anjeliny+ mahery dia mahery, izay manatanteraka ny baikony+Sy mihaino ny feony.+ 21  Derao i Jehovah, ry tafiny rehetra,+Dia ianareo mpanompony izay manao ny sitrapony.+ 22  Derao i Jehovah, ry zavaboariny rehetra,+Any amin’ny faritra rehetra anjakany.+Aoka aho hidera an’i Jehovah!+

Fanamarihana

Na: “ny fiposahan’ny masoandro amin’ny filentehany.”