Salamo 104:1-35
104 Aoka aho hidera an’i Jehovah!+Lehibe tokoa ianao, Jehovah Andriamanitro ô!+Mitafy haja amam-boninahitra ianao.+
2 Hazavana no toy ny akanjo andrakofanao ny tenanao.+Ary henjaninao toy ny tranolay ny lanitra.+
3 Vatan-kazo no anaovany ny efitranony ambony rihana, izay aoriny eny amin’ny rano.+Manao ny rahona ho kalesiny izy,+Ary mandeha amin’ny elatry ny rivotra.+
4 Manao ny anjeliny ho fanahy izy,+Ary ireo mpanompony ho afo mandevona.+
5 Naoriny ny tany, ary nataony mafy orina ny fototra iorenany,+Ka tsy ho voahozongozona mandrakizay doria.+
6 Rano lalina no toy ny akanjo nampitafiany azy io.+Ary nandifotra tendrombohitra ny rano.+
7 Noteneninao mafy ny rano ka nandositra,+Ary nandre ny feon’ny kotroka nalefanao ireny, ka nirifatra nitsoaka
8 Tany amin’ny toerana nataonao ho azy.Nisondrotra ny tendrombohitra,+Ary nietry kosa ny tany lemaka.*
9 Nanisy fetra tsy hihoaran’ny rano ianao,+Mba tsy hanarona ny tany intsony izany.+
10 Asiany loharano eny amin’ny lohasaha falehan-driaka,+Ka mikoriana foana eny anelanelan’ny tendrombohitra ireny.
11 Ireny no manome rano fisotro ho an’ny bibidia rehetra,+Sy manala hetaheta ny zebra.+
12 Eny amin’ny rantsankazo eo ambonin’ireny no itoeran’ny voro-manidina,+Ao anaty ravinkazo mandrobona izy ireo no misioka.+
13 Avy eny amin’ny efitranony ambony rihana Andriamanitra no manondraka ny tendrombohitra.+Afa-po amin’ny vokatry ny asanao ny tany.+
14 Mampitsimoka ahi-maitso ho an’ny biby Izy,+Ary koa zavamaniry ho an’ny olombelona,+Mba hahatonga ny tany hamokatra sakafo+
15 Sy divay izay mampifaly ny fon’ny olombelona mety maty,+Mba ho mandimandin’ny menaka ny tarehiny.+Ny tany koa no ahazoan’ny olona mofo ho tohan’aina.+
16 Afa-po ireo hazon’i Jehovah,Dia ny sederan’i Libanona izay namboleny,+
17 Sy ametrahan’ny vorona ny akaniny.+Ny vanobe kosa manao ny tranony eny amin’ny hazo zenevrie.+
18 Natao ho an’ny osidia+ ny tendrombohitra+ avo,Ary ny vatolampy no fialofan’ny bitrom-bato.+
19 Nanao ny volana izy mba hamaritana fotoana,+Ary ny masoandro mahalala tsara ny toerana ilentehany.+
20 Mahatonga haizina ianao, mba hisian’ny alina,+Ka mivezivezy ny bibidia rehetra any an’ala.
21 Mierona ny liona tanora rehefa mitady remby,+Sy mitady hanina avy amin’Andriamanitra.+
22 Miposaka ny masoandro,+ dia mody ireny,Ka mandry ao amin’ny toeram-piafenany.
23 Ny olona kosa mivoaka hanao ny asany,+Sy hamita ny raharahany mandra-paharivan’ny andro.+
24 Maro be tokoa ny zava-bitanao, Jehovah ô!+Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra.+Heniky ny zavatra nataonao ny tany.+
25 Ny ranomasina izay tena lehibe sy midadasika kosa,+No ahitana biby mihetsiketsika tsy tambo isaina,+Dia zavamananaina kely sy lehibe.+
26 Any no ivezivezen’ny sambo,+Ary ny biby goavam-be*+ kosa nataonao hilalao any.+
27 Ireo rehetra ireo dia miandrandra anao+Hanome azy ny haniny amin’ny fotoanany.+
28 Raisiny izay omenao azy.+Manokatra ny tananao ianao, ka voky zava-tsoa izy ireo.+
29 Raha manafina ny tavanao kosa ianao, dia very hevitra izy ireo.+Ary raha esorinao ny hery mamelona azy, dia tapitra ny ainy,+Ka miverina ho vovoka izy.+
30 Raha irahinao ny fanahinao dia voaforona izy ireo,+Ary havaozinao ny endriky ny tany.
31 Haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny voninahitr’i Jehovah.+Hifaly amin’ny asany i Jehovah.+
32 Jereny ny tany, dia mangovitra.+Kasihiny ny tendrombohitra, dia midona-tsetroka.+
33 Hihira ho an’i Jehovah aho mandritra ny androm-piainako,+Ary hihira fiderana ho an’Andriamanitro aho raha mbola velona koa.+
34 Hahafinaritra azy anie ny fisaintsainako azy!+Ary izaho kosa hifaly amin’i Jehovah.+
35 Ho ringana tsy hisy etỳ an-tany ny mpanota,+Ary ny ratsy fanahy tsy hisy intsony.+Aoka aho hidera an’i Jehovah! Miderà an’i Jah!*+