Salamo 105:1-45

105  Misaora an’i Jehovah, miantsoa ny anarany.+Ampahafantaro an’ireo firenena ny zavatra nataony.+   Mihirà ho azy, ary manaova hira fiderana ho azy,+Saintsaino ny asany mahatalanjona rehetra.+   Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina.+Ary aoka hifaly ny fon’izay mitady an’i Jehovah.+   Mitadiava an’i Jehovah sy ny heriny.+Mitadiava azy* mandrakariva.+   Tsarovy ny asa mahatalanjona nataony,+Sy ny fahagagana vitany ary ny didim-pitsarana naloaky ny vavany,+   Ry taranak’i Abrahama mpanompony+Sy taranak’i Jakoba, eny, ianareo olom-boafidiny!+   Izy no Jehovah Andriamanitsika.+Mihatra eran-tany ny didim-pitsarany.+   Tsaroany mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fifanekena nataony,+Ary tsaroany ny teny nandidiany, na dia hatramin’ny taranaka arivo mandimby aza.+   Fifanekena nataony tamin’i Abrahama izany.+Nanao fianianana tamin’i Isaka koa izy,+ 10  Dia fianianana nataony ho fitsipika ho an’i Jakoba,Sy ho fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra ho an’i Israely,+ 11  Fa hoy izy: “Ianao no homeko ny tany Kanana+Ho anjara lovanareo.”+ 12  Mbola vitsy izy ireo tamin’izany,+Eny, vitsy kely sady vahiny nonina tao amin’ilay tany.+ 13  Nifindrafindra tany amin’ny firenena samihafa izy ireo,+Ary avy tany amin’ny fanjakana iray, dia nankany amin’ny firenen-kafa.+ 14  Tsy nisy navelan’Andriamanitra hanambaka an’ireo.+Fa nananatra mpanjaka mihitsy aza izy noho ny amin’ireo,+ 15  Ka nanao hoe: “Aza mikasika ny voahosotro,+Ary aza manisy ratsy ny mpaminaniko.”+ 16  Nahatonga mosary teo amin’ilay tany izy,+Dia notapahiny daholo ny hazo fihantonan’ny mofo boribory.+ 17  Ary nirahiny hialoha an’ireo ny lehilahy irayNamidy ho andevo, dia i Josefa.+ 18  Nogejaina ny tongony,+Ary nasiana gadra vy izy.+ 19  Nanadio an’i Josefa ny tenin’i Jehovah,+Mandra-pahatanteraky ny teniny.+ 20  Naniraka olona hanafaka azy ny mpanjaka,+Eny, naniraka olona hamaha ny fatorany ilay mpitondra vahoaka. 21  Dia notendreny hiandraikitra ny ankohonany izy,+Sy hitantana ny fananany rehetra,+ 22  Mba hifehy ny andrianany, araka izay itiavany azy,+Sy mba hampianatra fahendrena an’ireo zokiolona eo aminy.+ 23  Nankany Ejipta i Israely,+Ka nanjary vahiny nonina tany amin’ny tanin’i Hama i Jakoba.+ 24  Dia nataon’Andriamanitra maro be ny olony,+Sady nataony nahery noho ny fahavalony.+ 25  Navelany hiova ny fon’ny Ejipsianina, hany ka nankahala ny olony izy ireo,+Ary nanao tetika hamelezana ny mpanompony.+ 26  Koa nirahiny i Mosesy mpanompony+Sy Arona izay nofidiny.+ 27  Dia nasehon’izy roa lahy azy ny famantarana avy amin’Andriamanitra,+Ka nanao fahagagana tany amin’ny tanin’i Hama izy mirahalahy.+ 28  Nandefa haizina Andriamanitra, ka maizina ilay tany.+Ary tsy nanohitra ny teniny izy roa lahy.+ 29  Novan’Andriamanitra ho ra ny rano,+Ka maty ny trondron’izy ireo.+ 30  Feno sahona nifanaretsaka ny tanin’izy ireo+Hatrany amin’ny efitranon’ny mpanjakany. 31  Niteny Andriamanitra, dia tonga ny fihitra+Sy ny moka, ka henika an’ireny ny faritaniny rehetra.+ 32  Havandra no nalatsany fa tsy orana,+Ary nandefa afo midedadeda teo amin’ny tanin’izy ireo izy. 33  Naripany ny voaloboka sy ny aviavin’izy ireo.Notapahiny ny hazo tao amin’ny faritanin’izy ireo.+ 34  Niteny izy ka tonga ny valala,+Dia zana-balala tsy tambo isaina,+ 35  Izay nihinana ny zavamaniry rehetra tao amin’ny tanin’izy ireo+Ary nihinana ny vokatry ny taniny. 36  Ary naripak’Andriamanitra ny lahimatoa rehetra tao amin’ilay tany,+Dia ny voalohan-terany rehetra.+ 37  Nentiny nivoaka an’i Ejipta ny olony, izay nitondra volafotsy sy volamena,+Ary tsy nisy tafintohina teo amin’ny fokony. 38  Faly i Ejipta rehefa lasa izy ireo,Satria natahotra mafy azy ireo ny Ejipsianina.+ 39  Namelatra rahona izy mba hanakona,+Sy afo mba hanazava mandritra ny alina.+ 40  Nangataka hena izy ireo, ka nandefasany papelika.+Ary novokisany mofo avy any an-danitra izy ireo.+ 41  Nosokafany ny harambato, dia nikoriana ny rano,+Ka lasa renirano namakivaky faritra karakaina.+ 42  Tsaroany mantsy ny teny masina nataony tamin’i Abrahama mpanompony.+ 43  Koa nentiny nivoaka tamim-pifaliana ny olony,+Ary nentiny nivoaka tamim-pihobiana ny olom-boafidiny.+ 44  Nomeny azy ireo tsikelikely ny tanin’ireo firenena,+Ka nalain’izy ireo ho fananany izay nisasaran’ny firenena samy hafa,+ 45  Mba hitandreman’izy ireo ny fitsipiny+Sy hankatoavany ny lalàny.+Miderà an’i Jah!+

Fanamarihana

A.b.t.: “ny tavany.”