Salamo 106:1-48

106  Miderà an’i Jah!+Misaora an’i Jehovah fa tsara izy,+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.+   Iza no mahavita milaza ny asa lehibe nataon’i Jehovah,+Na mahavita manambara ny fiderana rehetra mendrika azy?+   Sambatra izay manao ny rariny,+Ka manao ny marina foana.+   Tsarovy aho Jehovah ô, ka ankasitraho toy ny ankasitrahanao ny olonao.+Aoka ianao hikarakara sy hamonjy ahy,+   Mba hahitako fa maneho hatsaran-toetra amin’ny olom-boafidinao ianao,+Sy mba hiarahako hifaly amin’ny firenenao,+Ary mba hireharehako miaraka amin’ny lovanao.+   Efa nanota tahaka ny razanay izahay,+Nanao zavatra tsy nety izahay, ary nanao ratsy.+   Tsy mba nandinika ny asanao mahatalanjonaNy razanay tany Ejipta.+Tsy tsaroan’izy ireo fa lehibe tokoa ny hatsaram-panahinao feno fitiavana.+Nikomy anefa izy ireo teo amin’ny ranomasina, teo akaikin’ny Ranomasina Mena.+   Novonjen’Andriamanitra ihany izy ireo noho ny anarany,+Mba hampahafantarana ny heriny.+   Koa noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, dia ritra tsikelikely.+Nampandehaniny namakivaky rano lalina toy ny mamakivaky tany efitra izy ireo,+ 10  Ka novonjeny teo an-tanan’ny mpankahala,+Sy navotany teo an-tanan’ny fahavalo.+ 11  Nosaronan’ny rano ny fahavalony,+Ka tsy nisy niangana na iray aza.+ 12  Dia nino ny teniny izy ireo+Ka nihira fiderana ho azy.+ 13  Vetivety anefa izy ireo dia nanadino izay nataon’Andriamanitra,+Ary tsy niandry izay torohevitra avy taminy.+ 14  Nanjary nanana faniriana feno fitiavan-tena izy ireo tany an-tany efitra.+Nitsapa toetra an’Andriamanitra izy ireo, tany amin’ny tany karakaina.+ 15  Nomeny azy izay nangatahiny,+Nefa nandefasany aretina mankahia koa izy ireo.*+ 16  Nialona an’i Mosesy izy ireo tao an-toby.+Nialonany koa i Arona, ilay masin’i Jehovah.+ 17  Nisokatra ny tany ka nitelina an’i Datana,+Sy nanarona an’ireo olon’i Abirama.+ 18  Ary nisy afo nandoro ny mpomba azy ireo.+Lelafo no nandevona ny ratsy fanahy.+ 19  Nanamboatra zanak’omby koa izy ireo tao Horeba,+Ary niankohoka teo anoloan’ny sarivongana metaly,+ 20  Ka ny voninahitro+ dia natakalonySarin’omby, izay biby mpihinam-bilona.+ 21  Nohadinoiny Andriamanitra Mpamonjy azy,+Dia Ilay nanao zavatra lehibe tany Ejipta,+ 22  Sy asa mahatalanjona tany amin’ny tanin’i Hama,+Ary zava-mampahatahotra, teo amin’ny Ranomasina Mena.+ 23  Efa saika nandidy ny handringanana an’ireo izy,+Raha tsy teo i Mosesy olom-boafidinyIzay nijoro teo anatrehany, teo amin’izay nisy banga,+Mba hitsaharan’ny fahatezerany ka tsy handringanany azy ireo.+ 24  Nohamavoin’izy ireo ilay tany mahafinaritra,+Ary tsy ninoany ny tenin’Andriamanitra.+ 25  Dia nimenomenona foana tao an-tranolainy izy ireo,+Ka tsy nihaino ny feon’i Jehovah.+ 26  Koa nanangan-tanana izy ka nianiana momba azy ireo+Fa hataony miampatrampatra any an-tany efitra ny fatiny,+ 27  Sy hataony miampatrampatra any amin’ireo firenena ny fatin’ny taranany,+Ary haparitany any amin’ny tany samy hafa izy ireo.+ 28  Nanompo an’i Balan’i Peora izy ireo,+Ary nihinana ny sorona natolotra ho an’ny maty.+ 29  Nanafintohina an’Andriamanitra ny nataony,+Ka nisy loza nanjo azy ireo.+ 30  Nijoro anefa i Finehasa ka niditra an-tsehatra,+Dia nitsahatra ilay loza. 31  Koa izany no nahatonga azy hekena ho isan’ny olo-marina,Hatramin’ny taranaka fara mandimby, mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ 32  Nanao izay nampahatezitra izy ireo, teo amin’ny ranon’i Meriba,+Ka nidiran-doza i Mosesy noho ny nataon’izy ireo.+ 33  Fa nampahasosotra azy izy ireo,Ka nanao teny tsy voahevitra izy.+ 34  Tsy noringanin’izy ireo ny firenena,+Izay nasain’i Jehovah naringany.+ 35  Nifangaroharo tamin’ny firenen-kafa kosa izy ireo,+Ka nianatra ny fanaony.+ 36  Dia notompoin’izy ireo ny sampin’ireny,+Ka nanjary fandrika ho azy.+ 37  Nataony sorona ho an’ny demonia+ ny zanany lahySy ny zanany vavy.+ 38  Koa nandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny izy ireo,+Dia ny ran’ny zanany lahy sy ny zanany vavy,Izay nataony sorona ho an’ireo sampin’i Kanana,+Ka nanjary naloto ilay tany, noho ny fandatsahan-dra.+ 39  Nanjary nandoto ny tenany izy ireo noho ny fanaony,+Ary nijangajanga, vokatry ny nataony.+ 40  Dia nirehitra tamin’ny olony ny fahatezeran’i Jehovah,+Ka nanjary halany ny lovany.+ 41  Koa natolony imbetsaka teo an-tanan’ireo firenena izy ireo,+Mba hanjakazaka aminy ny mpankahala azy,+ 42  Sy mba hampahory azy ny fahavalony.Amin’izay dia ho resy izy ireo, ka ho eo am-pelatanan’ny fahavalony.+ 43  Imbetsaka izy no namonjy azy ireo,+Nefa nikomy sy tsy nankatò izy ireo,+Ka naetry noho ny fahadisoany.+ 44  Nijery ny fahorian’izy ireo izy+Rehefa reny ny fitalahoany.+ 45  Nahatsiaro ny fifanekena nataony tamin’ireo izy, mba hitsimbinana azy ireo,+Ary nanenina izy, satria lehibe tokoa ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.+ 46  Dia nataony lasa niantra azyIzay rehetra namabo azy.+ 47  Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô,+Angony avy any amin’ireo firenena izahay+Mba hisaoranay ny anaranao masina,+Ary mba ho faly hidera anao izahay.+ 48  Hisaorana anie i Jehovah, ilay Andriamanitry ny Israely+Hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay!Ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: “Amena.”+Miderà an’i Jah!+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.