Salamo 107:1-43

(Salamo 107 – 150) 107  Misaora an’i Jehovah fa tsara izy,+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.+   Aoka hilaza izany ireo navotan’i Jehovah,+Dia ireo navotany avy teo an-tanan’ny fahavalo,+   Sy nangoniny avy tany amin’ny tany maro,+Avy tany amin’ny fiposahan’ny masoandro sy ny filentehany,+Ary avy tany avaratra sy tany atsimo.+   Nirenireny tany an-tany efitra+ sy teny amin’ny tany karakaina+ izy ireo.Ary tsy nahita lalana hahatongavana any amin’izay tanàna azo onenana.+   Noana sy nangetaheta izy ireo,+Ary efa saika namoy ny ainy.+   Dia nitaraindraina tamin’i Jehovah izy ireo rehefa ory+Ka nafahany tamin’ny fahorian-tsainy+   Sy nampandehaniny tamin’ny lalana tokony halehany,+Mba ho tonga any amin’izay tanàna azo onenana.+   Misaora an’i Jehovah noho ny hatsaram-panahiny feno fitiavana,+Sy noho ny asa mahatalanjona nataony ho an’ny zanak’olombelona.+   Fa nataony afa-ketaheta ireo main’ny hetaheta,+Ary ny noana kosa novokisany zava-tsoa.+ 10  Nisy tamin’izy ireo tao anatin’ny haizina sy ny haizim-pito+Sady voagejan’ny fahoriana sy ny gadra vy,+ 11  Satria nikomy+ tsy nanaraka ny tenin’Andriamanitra,+Ary tsy niraharaha ny torohevitr’ilay Avo Indrindra.+ 12  Koa navelan’Andriamanitra hitondra fahoriana izy ireo mba hamolahana ny fony.+Tafintohina izy ireo, ary tsy nisy namonjy.+ 13  Dia niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo rehefa ory.+Koa namonjy azy tamin’ny fahorian-tsainy izy, toy ny efa fanaony.+ 14  Navoakany avy tao anatin’ny haizina sy ny haizim-pito izy ireo,+Ary notapahiny ny fatotra nangeja azy ireo.+ 15  Misaora an’i Jehovah noho ny hatsaram-panahiny feno fitiavana,+Sy noho ny asa mahatalanjona nataony ho an’ny zanak’olombelona.+ 16  Fa notorotoroiny ny varavarana varahina+Ary notapahiny ny bara vy hidiny.+ 17  Nampitondra fahoriana ho an’ny tenany ny adala,Noho izy nandika lalàna sy nanao fahadisoana.+ 18  Nanjary nankaloiloy azy daholo ny karazan-tsakafo rehetra+Ary efa teo akaikin’ny vavahadin’ny fahafatesana+ izy ireo. 19  Niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo rehefa ory.+Koa namonjy azy tamin’ny fahorian-tsainy izy,+ toy ny efa fanaony. 20  Niteny izy mba hanasitranana azy ireo,+Ary novonjeny tsy hidina any an-davaka izy ireo.+ 21  Misaora an’i Jehovah noho ny hatsaram-panahiny feno fitiavana,+Sy noho ny asa mahatalanjona nataony ho an’ny zanak’olombelona.+ 22  Ary aoka izy ireo hanolotra sorona fisaorana,+Sy hanambara amim-pihobiana ny asan’Andriamanitra.+ 23  Ireo midina any an-dranomasina ka mandray sambo+Mba hanao raharaham-barotra eny amin’ny rano midadasika,+ 24  No mahita ny asan’i Jehovah+Sy ny asany mahatalanjona, any amin’ny rano lalina.+ 25  Hitan’izy ireo fa rehefa miteny Andriamanitra dia misy rivo-mahery mifofofofo,+Ka mampiakatra ny onjan-dranomasina.+ 26  Miakatra eny amin’ny lanitra izy ireo,Ary midina any amin’ny fanambanin’ny ranomasina.Mitsonika toy ny savoka izy ireo+ noho ny fahoriana. 27  Tsy mandeha mahitsy izy ireo fa mivembena toy ny mamo,+Ka foana daholo ny fahendreny.+ 28  Dia niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo rehefa ory,+Ka nafahany tamin’ny fahorian-tsainy.+ 29  Ary nampitony ny tafio-drivotra izy,+Mba tsy hisamboaravoara ny onjan-dranomasina.+ 30  Dia faly izy ireo satria tony ireny,Ary notarihin’Andriamanitra ho any amin’ny seranana niriny hahatongavana izy ireo.+ 31  Misaora an’i Jehovah noho ny hatsaram-panahiny feno fitiavana,+Sy noho ny asa mahatalanjona nataony ho an’ny zanak’olombelona.+ 32  Aoka izy ireo hankalaza azy eo anivon’ny fiangonana,+Sy hidera azy eo amin’ireo zokiolona.+ 33  Manova ny renirano ho tany efitra Andriamanitra,+Ny loharano ovany ho tany karakaina,+ 34  Ary ny tany mahavokatra ho tanin-tsira,+Noho ny faharatsian’ny mponina eo. 35  Manova ny tany efitra ho kamory anirian’ny bararata izy,+Ary ny tany karakaina ovany ho loharano.+ 36  Dia hataony monina ao ny noana+Mba hanorina tanàna honenana.+ 37  Ary hamafy voa eny an-tsaha izy ireo, sady hanao tanimboaloboka+Mba hahazoany vokatra be.+ 38  Tahiny izy ireo mba ho maro be+Ary tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.+ 39  Mihavitsy indray anefa izy ireo ary mitampify,+Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo.+ 40  Ataony tototry ny latsa ny olona ambony+Mba hahatonga azy ireo hirenireny any an-tany efitra, izay tsy misy lalan-kivoahana.+ 41  Fa arovany kosa ny mahantra mba tsy ho azom-pahoriana,+Ary ataony lasa fianakaviambe toy ny andiam-biby fiompy.+ 42  Mahita izany ny olo-mahitsy ka faly,+Fa hikombona kosa ny vavan’ny olona tsy marina rehetra.+ 43  Iza no hendry? Ny hendry dia izay mandinika izany+Sy mampifantoka ny sainy amin’ny hatsaram-panahy feno fitiavana nasehon’i Jehovah.+

Fanamarihana