Salamo 108:1-13

Hira fiderana nataon’i Davida. 108  Tsy miovaova ny foko, Andriamanitra ô!+Hihira sy hanandra-peo hidera anao aho,+Ary hanao toy izany koa ny voninahitro.+   Mifohaza, ry lokanga ô! Ianao koa, ry harpa ô!+Hofohaziko ny maraina mangiran-dratsy.+   Hidera anao eo amin’ireo firenena aho, Jehovah ô,+Ary hihira fiderana ho anao eo amin’ny firenena samy hafa.+   Fa lehibe ny hatsaram-panahinao feno fitiavana ka mipaka hatreny amin’ny lanitra,+Ary ny fahamarinanao hatreny amin’ny rahona.+   Misandrata any ambonin’ny lanitra, Andriamanitra ô!+Aoka ho ambonin’ny tany manontolo ny voninahitrao.+   Mba hanavotana an’ireo tianao,+Dia vonjeo amin’ny tananao ankavanana aho ka valio.+   Andriamanitra mihitsy no efa niteny, noho ny fahamasinany,+ hoe:“Hifaly aho, ary homeko ho anjaran’ny+ oloko i Sekema.+Horefesiko koa ny lemaka ivan’i Sokota.+   Ahy i Gileada,+ ary ahy koa i Manase,+Ary i Efraima kosa fiarovana mafy ho an’ilay lehibe notendreko.+I Joda no ataoko tehim-pahefana.+   I Moaba+ no koveta isasako.+I Edoma+ no hanipazako ny kapako.+Ary hanao horakora-pandresena ho fanakorana an’i Filistia+ aho.”+ 10  Iza no hitondra ahy any amin’ilay tanàna voaro mafy?+Iza no hitarika ahy hatrany Edoma?+ 11  Tsy ianao ve no efa nanary anay, Andriamanitra ô,+Sady tsy niaraka tamin’ny tafikay, na dia Andriamanitray aza?+ 12  Ampio izahay mba ho afaka amin’ny fahorianay,+Fa zava-poana ny famonjena avy amin’ny olombelona.+ 13  Andriamanitra no hahazoanay hery,+Ary izy mihitsy no hanosihosy ny fahavalonay.+

Fanamarihana